- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Li Wangyang Gadra Politika Noho Ny Raharaha Tiananmen, Hita Maty Nihantona

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tantara, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Li Wangyang [1], Shinoa iray gadra politika izay nandany betsaka tamin'ny androm-piainany tany am-pigadrana, dia hita maty [2] ny marainan'ny Alarobia 6 Jona 2012, taorian'ny resadresaka nataony ho an'ireo mpampahalala vaovao avy any ivelany mikasika ny vonomokan'ny 4 Jona [3](Kianja Tiananmen) tamin'ny 1989 sy ny fiainan'ireo gadra politika ao Shina.

Li dia nafahana tamin'ny 5 May 2011, taorian'ny 22 taona nifonjàna, nanjary jamba sy marenina noho ny fampijaliana natao azy. Izy dia mpiasa sy mafàna fo navitrika ary nandray anjara tamin'ny hetsika demaokratikan'ny mpianatra tamin'ny 1989tamin'ny naha-mpitarika lohalaharana azy tao amin'ny ligy mahaleotenan'ireo mpiasa tao an-tanànan'i Shaoyang.

Voasambotra taorian'ny famoretana ny hetsika tao Tiananmen izy ary nalefa tany am-ponja nandritra ny 11 taona noho ny fiampangana azy ho nanakorontana fanjakana. Nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina izy tany am-ponja ary nampijaliana; nendahan'ireo mpiandry fonja ny nifiny ary noteren'izy ireo hisakafo izy. Nafahana kely izy tamin'ny 2000 saingy nalefa tany am-ponja indray ny May 2001 hisazy folo taona tamin'ny famoretana nahazo ny Antoko Demaokratika Shinoa [4], tamin'ity indray mitoraka ity dia noho ny fiampangana azy ho niantso ny hafa hanozongozona ny fahefam-pitondrana.

Li Wangyang and his sister in the hospital. Screen capture of Hong Kong Now TV news. [5]

Li Wangyang sy ny anabaviny tany amin'ny hopitaly. Dikasarin'ny fàfana tamin'ny vaovaon'ny fahitalavitra Hong Kong Now TV.

Nitafatafa tamin'ny fahitalavitra avy any Hong Kong izy ho anà tantara iray asongadina momba ny faha-23 taonan'ny vonomokan'ny 4 Jona. Tao anatin'ny resany, niteny izy fa tsy hanenenany mandrakizay izay vitany ho an'ny fiovàna demaokratika ao Shina ary nandrisika azy ny fisisihan'ny mponina ao Hong Kong amin'ny fanekena ny fisian'ny vonomoka tamin'ny 4 Jona.

Araka ny tatitry ny Fikambanana Shinoa Mpiaro ny Zon'olombeolna WeiquanWang [6] [zh], ny anabavin'i Li no nahita ny vatana mangatsiakany nihantona tamin'ny tolanam-baravarankelin'ny hopitaly  nisy azy tamin'ny marainan'ny 6 Jona tamin'ny 7 ora, toy ny hoe namono tena. Nalain'ny polisy haingana ny fatin'i Li tsy niraharahiana izay fangatahan'ny fianakaviana mba haka sary ny vatana mangatsiakany. Tsy mety mino ireo sakaizan'i Li fa hoe namono tena izy :

据朱承志先生回忆,6月4日那天,他与李旺阳两人进行了亲密无间的交谈,感觉李旺阳乐观向上,虽然身体健康很差,但出狱后在各界的关注下,身体正在逐渐好转。而就在昨天,李旺阳还要求妹妹为他买一个收音机,以帮助他锻炼听力。

Araka ny hevitr'i Zhu Chengzhi [naman'i Li], ny 4 Jona izy dia niresaka ela tamin'i Li ary be fnantenana i Li.  Na dia narefo aza ny ara-pahasalamany, be ny olona no nanohana an'i Li ary efa niverina tsikelikely ny fahasalamany. Omaly [5 Jona], nangataka tamin'ny anabaviny i Li mba hividy radio ho azy mba hanombohany mizatra mihaino [miaraka aminà fitaovana fanampiana ny marenina].

Sary roa [TANDREMO: sary mahery setra] nambara fa nalain'ireo nanatri-maso teo amin'ny toerana nihantonany no mivezivezy be any anaty Facebook sy Twitter any. Izy ireo dia mamppiseho fa ny tolanam-baravarankely nihantonan'i Li dia iva dia iva tokoa ary ny tongony aza dia  [7] mbola nitehan-tany.

Ireo Shinoa mpiondana aterineto dia tohina tamin'ilay vaovao, ity ambany ity ny fantina tamin'ireo bitsika fanehoan-kevitra noho iny tranga iny tao amin'ny Twitter [zh]:

@BaiqiaoCh [8]: 欺人太甚!他们连伪装李旺阳自杀都做得如此草率,完全无视天下人的愤怒之情。此生若不找出元凶,我誓不为人!

@BaiqiaoCh [8]: Tena faran'izay manafintohina ity. Tsy mba vitan-dry zareo akory na dia ny nanamboamboatra ilay lazaina ho famonoan-tenan'i Li Wangyang aza ary tsy raharahany izay hatezeran'ny olona any. Te-hikaroka izay mpamono olona mandritra ny androm-piainako aho.

@tufuwugan [9]: 硬汉李旺阳21年都挺过来了,却非正常死在被十个国保监控下的医院,加上他都耳聋失明行动不便,当然死亡与控制他自由的人有关,旺阳是自由公民,谁限制他谁就是凶手。不让家属和网友接触尸体还抢尸更说明心虚!

@tufuwugan [9]: Mba marina, Li Wangyang lehilahy nahavita niaritra ireny 21 ireny tany am-ponja, nefa maty tamin'ny fomba tsy natoraly tao amin'ny hopitaly, amin'izay eo ambany fnarahamason'ny polisy miisa folo. Fanampin'izany, jamba sy marenina izy ary tsy afaka ny hihetsika malalaka araka ny sitra-pony akory. Misy zavatra ifandraisany amin'ireo namepetra ny fahalalahany ny fahafatesany. Olom-pirenena malalaka i  Wangyang; ireo izay naneritery ny fahalalahany no namono azy. Ny fanakanana ny havany sy ny namany tsy hahazo mijery ny razana tamin'ny fitondràna an-keriny ny vatana mangatsiakany hiala teo dia midika fa ry zareo no meloka.

@crushglass_X [10]: 李旺阳的生前有多少人关注他?死后被称为某些人成为伟大的民主斗士,这是不是可以说非名人、非大人物的人们坚持的抗争是多么的不被重视。他们抗争所付出的代价,与有名望、有影响的人物相比又是多么的沉重。

@crushglass_X [10]: Mba olona firy no nandre momba an'i Li Wangyang  fony fahavelony? Ankehitriny izy maty ary dia lazaina fa mpiady mahery ho an'ny demaokrasia. Izao no mampiseho fa tsy dia misarika ny sain'ny olona loatra ireo tsy mba malaza. Ho an'ity vondron'olona ity, ny sanda naloan-dry zareo no ùisy lanja kokoa miohatra amin'izay malaza sy eken-teny any.

‏@xuange12 [11]: 很多事情是这样发生的:你影响了我的政绩,影响了我可能升官的途径,你就是十恶不赦。在我的地盘里,我拥有绝对的权力—我猜测李旺阳是牺牲在这种小人手里。但凡有丁点见识,都犯不着做出这样的事情,全无好处只有弊端。情绪取代理智、无限的权力。

‏@xuange12 [11]: Matetika dia toy izao no fitrangan'ny raharaha : Manelingelina ny tontolo politikako ny alokao, avy eo ianao lasa ho ilay ratsy tarehy tsy ilaina. Eto amin'ny faritry ny taniko, tsy refesi-mandidy aho. Raha ny fihevitro dia maty novonoin'ireny olona tery saina ireny i Li Wangyang. Raha mba nanana fahatsiarovantena ry zareo, tsy ho nanao zavatra tahaka izany. Tsy misy na iza na iza hahazo tombony amin'izao. Fihetseham-po tsy misy fotony, mifangaro aminà fahefana tsy hita fetra, no mety hitondra amin'ny toy izao.

‏@wenyunchao [12]: 如果李旺阳“被自杀”的疑点最终都未能消除的话,是否可以合理怀疑当局对政治犯及异见人士的暗杀活动已经开始?

‏@wenyunchao [12]: Raha tsy vitan'ny manampahefana ny manala ny ahiahy hoe “noterena hamono tena” i Li Wangyang, azontsika atranga ve ny ahiahy tsy azo ialàna hoe manomboka mamono ireo mpanohitra politika any an-katakonana any ny manampahefana?
Ny antony voalohany miteraka famonoan-tena dia ny rarin-tsaina tsy nisy fandraisana an-tànana. Azo tsaboina ny rarin-tsaina ary azo sorohana ny famonoan-tena. Afaka mahazo fanampiana avy amin'ny fifanohanana amin'ny alàlan'ny antso ireo mikasa  ny hamono tena na ireo olona manana olana ara-pihetseham-po. Tsidiho ny Befrienders.org [13] raha te-hitady fanampiana mifanandrify amin'ny firenenao ianao (Madagasikara toa mbola tsy manan angamba).