Palestina: Akoho Mpampihorohoro Tao Gaza Natao Resabe Tao Amin'ny Twitter

Tany afovoan'ny alin'ny 5 Jona tany, voadaroky ny fanafihana an'habakabaka Isareliana ny toeram-piompiana akoho iray tao atsimon'i Lemak'i Gaza, namoizana ny ain'ireo akoho mpikakakaka am-polony maro ary nandrava ny hany fidiram-bolan'ny tompon'ilay toeram-piompiana.

Ho setrin'io fanafihana io, ireo mpampiasa Twitter dia nalaky tokoa tamin'ny famoahana tenifototra mahatsikaiky, #JihadiChickenBrigade, na Brigadin'akoho Jihad, izay tsy ela dia lasa fironana be nanerana izao tontolo izao.

Nipongatra ilay tenifototra taorian'ny fiezahan'ny olona hanakatra ny antony nahatonga ny tafika iray amin'ireo isan'ny matanjaka indrindra eto ambonin'ny tany nahatsapa ny filàna mandaroka tobin'akoho. Ny teny famaranana dia hoe ireo akoho maty dia tsy maintsy voarohirohy taminà hetsika “fampihorohoroana” mahavoa an'i Israely, ary maro ireo vazivazy nanaraka izany.

Maka ho ohatra an'ilay lalao anaty solosaina Angry Birds, Matout7 mpampiasa Twitter dia nanontany hoe :

@matout: Israely, fa inona moa izao! Operation angry birds ve? #JihadiChickenBrigade

Hashem Shoplaq nanamarika hoe :

@hashemshoplaq: هو الاسعاف اللي قبل شوي كان مملي الدنيا … كان بنقل ستيكات
“Steaks” izao no taterin'ireo fiara mpamonjy voina nandalo teo.

Akoho Palestiniana. Sary an'ilay mpampiasa Flickr Synne Tonidas (CC BY-NC-SA 2.0).

Hussain Ahmed nanambara hoe :

@iamHussainAhmed: vaovaon'ny #JihadiChickenBrigade‬ : tratra nivingitra baomba-atody teny amin'ny sisintany Israeliana ireo akoho “jihadi”.

Misaina manaraka izay lalan-jotra izay ihany, Mohammad Rafi nibitsika hoe :

@MohammadRafi87: Baomba-atody enina no hita nandritra ny fanafihana natao taminà trano an'ny iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny  ‪#JihadiChickenBrigade‬ tao Nablus.

Anatinà tondro iray mankany amin'ny Omega-3 enriched eggs, na ‘atody nosesehana Omega-3′, nanoratra i Ali Abunima hoe :

@AliAbunimah: BALA AFOMANGA MISY OMEGA-3 #JihadiChickenBrigade

Ny fanentanana ao Ireland ho firaisankina amin'i Palestina dia nanatevin-daharana an'ilay tsilalaonteny mahatsikaiky :

@ipsc48: Naforiporitr'i Israely tokoa ny volomborona vitsivitsy tao Gaza. Mpitondra teny iray avy amin'ireo akoho no niteny fa ” fotoana izao hanesorana ny zioga Sionista” ‪#JihadiChickenBrigade

Welsh mpampiasa Twitter ao Gaza nivazivazy hoe :

@WelshInGaza:  Fanambarana momba ny raharaha IDF: KAROHANA ny mpitarika ny #JihadiChickenBrigade, voatoto na voaendy.

Leila, Libaney mpibilaogy, dia naka aingam-panahy avy amin'ny kabary malazan'i Yasser Arafat nanoloana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny 1974, izay nilazany tamin'izany fa hoe “Androany aho tonga mba hitondra ravin'oliva iray sy ny fitaovam-piadian'ny mpikatsaka fahafahana iray. Aza avela hilatsaka avy ety an-tànako ny ravin'oliva.” Nibitsika izy hoe :

@LSal92: ‪#JihadiChickenBrigade‬: androany isika tonga miaraka aminà atody iray eny amin'ny tànana ila ary fitaovam-piadiana eny amin'ny iray. Aza avela hilatsaka avy ety an-tànako ny atody.

ShahdGaza nanamafy :

@ShahdGazahere: #JihadiChickenBrigade Ny fanoherana no hevitry ny hanihany Palestiniana. ENY. maneso an'i Israely izahay noho ny hadalàny androany & isanandro.

Ary Hasina Gori nanoratra hoe :

@MiZz_haSiNa: Tahaka ny hoe voatoraka atody ny tavan'i Israely androany ‪#JihadiChickenBrigade

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.