- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Maty Ve I Mubarak?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Politika

Maty ve ny filoha Ejipsiana voahongana Hosni Mubarak? Efa tsy voatanisa intsony ny fiverimberenan'ity fanontaniana nivoaka amin'ny fitaovam-pampitam-baovaon'olo-tsotra ity. Toy izao indray no fihetseham-pon'ny mpisera Twitter momba ny tsaho faramparany teo.

Araka ny tati-baovao maro [1], “Matory tsy mahatsiaro saina” i Mubarak. Nivoaka ny vaovao rehefa nivoaka ny didim-pitsarana manameloka an'i Mubarak higadra mandra-pahafaty tamin'ny andraikiny tamin'ny famonoana ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona ejipsiana, izay namarana ny fitondrany naharitra 32 taona.

Nanambara ny mpikatroka Rasha Abdulla:


@RashaAbdulla
: Strong rumors of #Mubarak’s death. #Egypt

Malaza ny tsaho fahafatesan'i Mubarak.

Namaly ny namana mpikatroka Hossam El Hamalawy:


@3arabawy
: Whether Mubarak is dead or alive, we still need to overthrow the workplace Mubaraks http://is.gd/DQKdGP #RevSoc

Na maty na velona i Mubarak, mbola mila manongana ny Mubarak rehetra am-perinasa hatrany isika

Ary mampahatsiahy antsika i Marwa Elnaggar:


@marwame
: #Mubarak isn't a person. Mubarak is a regime. Rumor has it the person is sick & dying. Fact is, the regime is alive & kicking. #Egypt

Tsy olona i Mubarak. Fitondram-panjakana i Mubarak. Olona ilay tsahoana ho marary sy miala aina. Ny marina, mbola matanjaka sy afa-mitsipatsipaka tsara ilay fitondram-panjakana.

Mandritra izany fotoana izany, miahiahy fisiana lalao tsy madio ny mpanao gazety Tom Gara. Manoratra izy:

@tomgara [2]: Given how zealously Egyptian authorities used to guard news of Mubarak's health, aren't these recent leaks transparent attempts at spin?

Raha jerena ny fahazotoan'ny fitondrana ejipsiana hitazona ny vaovao momba ny fahasalaman'i Mubarak, moa tsy iniana aely ve itony resaka mangarahara tafavoaka itony?

Tamin'ny 2008, nogadraina [3] noho ny fanombanombanana ny fahasalaman'i Mubarak ny toniam-panoratan'ny Al Dustour Ibrahim Essa.