- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Dokam-pitsikilovana Tsy Mampino Avy Amin'ny Fahefana Miaramila

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Narakitr'ilay mpiserasera Marooofriday [1] tao amin'ny Youtube ny lahatsary roa misy dokambarotra nivoaka tamin'ny fahitalavi-panjakana sy ny fahitalavitra tsy miankina Ejypsiana, mba hampitandrina ny mpiserasera Ejipsiana tsy hiresaka amin'ny vahiny izay mety hanimba ny tombotsoam-pirenena

[2]

Dokambarotra voalohany – Pika-tsary tao amin'ny lahatsary YouTube (07/06/2012)

Mampiseho vondrona tanora Ejipsiana nanatonàna “vahiny”  tao amin'ny trano fisotroana ny dokambarotra voalohany [2], ka nahenona azy ireo nitaraina momba ny toe-draharaha politika ao Ejypta.

Ny dokambarotra faharoa [3] kosa mampiseho lehilahy mameno taratasy fitadiavan'asa amin'ny aterineto, manoratra ny mombamomba azy manokana [dikantsoratra teny anglisy amin'ireo lahatsary roa ireo, azonao jerena eto [4]]. Taorian'ny fanehoan-kevitra, niafara tamin'ny teny filamatra mahazatra ny feo; “Misy vidiny ny teny tsirairay. Mamonjy firenena iray ny teny iray.”

Toa namoaka ny fijerin'ny miaramila Ejypsiana manazava ny anton'izao fanentanana izao ny tao amin'ny kaonty Twitter:

@Military_Secret [5]معنى الإعلانات الإستخباراتية | لا لصداقة أي شخص يبني علاقته معاك على أساس معرفة أحوال البلد ، لأنه في الخطوة الجاية حيستخدمك عشان يعرف الأهم

Ny dikan'ny dokambarotra: Tsy minamana amin'ny olona izay te hinamana aminao ka mahafantatra ny bizina azo atao eto amin'ny firenena satria ny dingana manaraka tadiaviny dia ny hitady tombontsoa amin'izay fanampim-baovao lehibe avy aminao.

@Military_Secret [6]الموساد الإسرائيلي على موقعه بالانترنت عارضين وظائف شاغرة وطالبين معلومات الشخص عشان يبدأ الجهاز بتتبعه ، ولذالك قامت مصر بحظر الموقع

Namoaka tolotr'asa tao amin'ny tranokalany ny Mossad Isiraeliana, ka manontany ny mombamomba izay mitady asa mba hamitahana azy ireo, izany no antony nanakatonana ity tranokala ity tao Ejypta.

Naneho hevitra avy hatrany tao amin'ny Twitter ireo Ejipsiana tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #Really [tenifototra Arabika  #ريلي‬ ] sy #إعلان_الجواسيس [izay midika hoe Dokambarotra Mpitsikilo].

Maro ireo mpisera Twitter no nanesoeso ilay doka:

@DaliaEzzat_ [7] Tsy mahomby ny fahitalavi-panjakana. Tsy tiany hiresaka amin'ny olona vahiny isika. “Marina tokoa!” ‪#Conspiracytheoristsgalore [8] (teti-dratsy fotsiny)

@Amristo [9] Ry namana Mossad sy CIA! Fantaro tsara fa efa sarona ny teti-dratsy ataonareo amin'ny Fahefana Miaramila. Mankasitraka, Fahitalavi-panjakana Ejypta.

@egyfanz [10]عاجل : اجتماع سري بين المخابرات الامريكية والاسرائيلية وذلك لبحث تغيير طريقة عمل الجواسيس في مصر بعد كشف التليفزيون المصري لهم

Vaovao: Fihaonana miafina eo amin'ny sampa-mpitsikilovana Amerikana sy ny Isiraeliana mba hametrahana paika fitsikilovana hafa indray taorian'ny fandefasana ilay doka tamin'ny fahitalavitra Ejipsiana.

@EhabEltorky [11] الامن فى البلد فى الضياع والسياحة واقعة وشيكولاتة تويكس سعرها زاد بس احنا مش بنقول على تويتر عشان ديه اسرار البلد

Doka_Mpitsikilo: Ratsy tanteraka ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena, nihena ny tahan'ny fizahan-tany ary niakatra ny vidin'ny chocolat Twix, saingy tsy horesahantsika ato amin'ny Twitter izany satria  tsiambaratelon'ny firenena.

Na izany aza, ny hafa kosa nandray ny zava-misy ho tena marina ka nanome tsiny ny fitondrana miaramila minia mametraka ny tsi-fandriampahalemana izay mety hitarika ny praiminisitra teo aloha Ahmed Shafik ho voafidy amin'ny fifidianana fihodinana faharoa [12].

@shamshuna [13]لكي يزرع الخوف من التحدث ف السياسه في قلوب الناس مره اخري

Doka mpitsikilo: ahoana ny fomba handetehana ao am-pon'ny olona indray ny tahotry ny adihevitra politika.

@TheBigPharaoh [14] Malaza fa mahafinaritra sy mahay mandray vahiny ny Ejipsiana, kanefa tsy manao na inona na inona afa-tsy ny manimba izany ny dokambarotra “fitsikilovana” tamin'ny fahitalavi-panjakana

@NPSusa [15] Mampahatsiahy ilay dokambarotra Amerikana nandritra ny ady lehibe faha-II izany, “Loose Lips Sink Ships” (Raha be loatra ny teny dia mety handetika ny sambo). Mihevitra ve ny Fahefana Miaramila fa miady amin'izao tontolo izao i Ejipta?

Bilaogera Zeinobia naneho ny ahiahiny tao amina lahatsoratra bilaogy [16]:

Manahy aho fa hetsika fanombohana ho fanentanana hanohitra ny mpikatroka ny zon'olombelona sy ny mpanao gazety avy any ivelany izao dokambarotra izao mba tsy ahafahan'izy ireo hitatitra izay mety ho fifandonana atao amin'ny mpirahalahy Miozolomana sy ny vondrona ary ankolafy revolisionera raha voafidy ho filoham-pirenena i Shafik.
Satria misy vidiny ny zava-drehetra, nandresy lahatra ny vahoaka ao Ejipta ny fampahalalam-baovao fa hamotika ny indostrian'ny fizahantany ny mpirahalahy Miozolomana noho ny maha konservatisma azy; ary ankehitriny, ho hitantsika eo ny fomba firoboroboan'ny fizahantany amin'ny fanentanana ny “fankahalana vahiny” na (xenophobe) amin'ny fahitalavitra sy ny fifandonana atsy ho atsy atao amin'ireo revolisionera sy ireo mpanao politika mpanohitra.