Mitondra any amin'ny tranonkala teny Espanola ny rohy rehetra raha tsy nomarihana manokana.
Araka ny notaterinay [1] [en] teo aloha, dia nipongatra ny hetsika iray fantatra amin'ny hoe #YoSoy132 [2] any Meksika tamin'ny 11 May 2012, naka toerana tao anatin'ny dingana ho amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hoavy misy amin'izao fotoana. Hetsiky ny tanora izy ity, mety hoe hetsiky ny mpianatra, tsy miandany aminà politika raha ny tatitra navoakany ho an'ny haino aman-jery [2], vao haingana fa matanjaka, ary nahomby tamin'ny fitarihana olona anarivony ho amin'ny hetsika famoriam-bahoaka sy ny diabe ataony.
Efa naminavina ny iray amin'ireo fanambin'ity hetsika ity sahady i Attorney Miguel Carbonell (@MigelCarbonell [3]) tao anaty bitsika iray nalefa ny 24 May 2012 :
El movimiento juvenil tiene enfrente el gran desafío de pasar de la protesta a la propuesta.
Namoaka ity lahatsoratra ity ny mpitoraka bilaogy Sendero de Fecal [4] izay ahitana ny tanjona sasantsasan'ilay hetsika :
El movimiento se plantea evitar que un candidato presidencial pueda ser impuesto por la oligarquía del país y los poderes fácticos presentes en los tres poderes del gobierno de la república, así como organizarnos para responder a un probable fraude electoral diseñado con antelación.
Este no debe ser un movimiento solo de coyuntura electoral, sino es un movimiento que busca cambiar el país, encausar las demandas de justicia de la población y se plantea resolver los graves problemas que padece el país en todos los sectores que atañen a la sociedad mexicana.
Ny dikan'ity hetsika ity dia ho fanakanana ny tery vay mantan’ ny fahefan'olom-bitsy eto amin'ny firenena sy ireo mitàna ny fahefana anatin'ireo sampana telon'ny governenmanta ankehitriny amin'ny fametrahana izay ho olona atolotra hofidiana ho filoham-pirenena, natao ihany koa izy ity mba hanetsehana antsika mialoha mba hahafahana mamaly sahady ny mety ho halatra amin'ny fifidianana.
Tsy tokony ho hetsika natao ho an'ny fotoam-pifidianana ihany izy ity, fa tokony ho hetsika izay mitady ny fanovana eo amin'ny firenena ihany koa, mantanteraka ireo fangatahana ny rariny avy amin'ny vahoaka ary mihetsika mba hamaha ireo olana goavana izay mamely mafy ny firenena amin'ny sehatra mahakasika ny fiarahamonina Meksikana.
Fanampin'izany, nofaritan'ny bilaogy Kaniwa [5] ity hetsiky ny tanora ity ho toy ny:
Movilizados en torno a demandas -en realidad, desde hace mucho, exigencias irreductibles- muy específicas (democratizar los medios, alentar la competencia real en las telecomunicaciones, rechazo a la imposición de uno de los candidatos por parte del duopolio televisivo conformado en México por Televisa y TV Azteca, garantizar el derecho al acceso a Internet para toda la población, eliminando con ello la brecha digital que mantiene a más de la mitad de la población sin acceso a estos medios), decenas de miles de jóvenes universitarios de todo el país, encabezados por una “masa crítica” que lo detonó todo, de entre los estudiantes de la Universidad Iberoamericana, están retando al país a despertar, a rechazar el control manipulador de los grandes medios masivos de comunicación, usando los instrumentos de su generación: Facebook, Twitter y Youtube.
Maro no mahita fa tsy azo ialana ny fiaikena ireo singa sasantsasany tamin'ny lahatenin'ny iray amin'ireo kandida nilatsaka ho Filoham-pirenena ato amin'ireto famaritana ny hetsika ireto; nitarika adihevitra teo amin'ireo mpampiasa Twitter ny tranga iray ahitana fa misy mpikambana ao amin'ny #YoSoy132 manondro kandida iray manokana na koa manohana ny hafa.
Carlos García (@imaurum [7]), izay manasongadina ny #YoSoy132 ny sary famantarana azy, dia nanamarika ny fandavana amin'ny ankapobeny izay araka ny fijeriny azy dia natao ho an'ny iray amin'ireo kandida, no tsy namela handalo fotsiny ilay fotoana fanararaotra mba hanaratsiana azy taminà famaritana iray :
En redes sociales, en la calle, en las universidades, en el super, en tofos lados desaprueban al PRI y a su títere Peña Nieto [sic]
Noho ny fahitàna ny fihizingizinan'ny teny sahala amin'ireny, dia nametraka fanotaniana ny mpampiasa Twitter toy ilay mpisolovava Gerardo Laveaga (@GLaveaga [8]) raha toa ka manohana na mitsipaka kandida tokoa ny #YoSoy132 :
Sólo para entenderlo mejor: ¿ #YoSoy132 [9] es un movimiento para apoyar a #AMLO [10] o para combatir a @EPN [11] ?
Mitoraka bilaogy momba ity lahateny “tsy fiandaniana ara-politika” ity i Kazbam [12] ary koa ireo lohahevitra hafa izay nahatonga azy hihataka amin'ilay hetsika:
Ahora bien, los 132 dicen que son apartidistas. Pero también dicen que son anti-PRI y anti-Peña Nieto. Me gustaría que me explicaran cómo poder rechazar a un candidato y a un partido sin apoyar a los otros contendientes. Ser apartidista no es no apoyar a un partido, es eso y no rechazar a uno en particular.
Hoy izy namarana nanao hoe:
Ah, y ya nada más quiero aclarar, para que no haya confusiones, que no por considerarme fuera del movimiento de los 132 estoy a favor del candidato del PRI. No voy a votar por “el copetes”, no se confundan.
Tonga amin'ny teboka iray hilazany ny ompa voarainy avy aminà mpanohana mafana fo ny antoko politika iray i Abel Alejandro Heras (@aheras [13]) noho izy naneho ny heviny mikasika ilay hetsika:
Cuando opiné de la #MarchaYoSoy132 [14], lo menos que obtuve fueron mentadas [insultos], con marcado tinte Perredista [del PRD [15]], no mejor paso.
Amin'izay lalan-jotra izay ihany, naka ohatra tamin'ireo ompa ny mpitoraka bilaogy avy amin'ny Cachitos de mi Vida [17] ary nanontany:
¿Queremos un país más tolerante y democrático? ¿Entonces por qué denostar a aquellos que van a votar por X, Y o Z? Una cosa es criticar la trayectoria política y la plataforma de un candidato y otra muy diferente es insultar a quienes eligen determinada opción política.
Jaime Benítez (sahala amin'ny maro) ihany koa (@El_Mesie [19]) dia nanamarika ny hetsika niaraka tamin'ny tenifototra #YoNoSoy132, sady niampanga ny National Regeneration Movement (“MORENA”) izay manindrahindra ireo kandida ho filoham-pirenena, ho “naka ankeriny ” an'ilay hetsika :
Desvirtuada la #MarchaYoSoy132 [14] x ahora ser d #MORENA [20] dejo de ser apartidista,Rucos como @epigmenioIbarra [21] la secuestraron #YoNoSoy132 [22] #mexico [23]
Raha ho azy indray, nanoratra mikasika ilay “fijirihana” ny hetsika nataonà vondrona manana fironana sosialista i Gerardo Arellano (@ARELFC [24]), ary dia nizara ity sary ity hanaporofoana izany:
Terrible. La #MarchaYoSoy132 [14] es secuestrada ya por gente que se asume como socialista. pic.twitter.com/WPXbO6Pv [25]
Maneho firehan-kevitra hafa, nametra-panontaniana i Rafael Medina (@rafilla_rm [26]) inona no antony tsy hangatahan'ny hetsiky ny “mpianatra” ny tokony hiverenan'ny mpampianatra (izay nanao hetsi-panoherana manerana ny firenena nitsipaka ny hanaovana fitsaran'asa) indray any am-pianarana:
@CarlosLoret [27] Por que no han salido los #yoSoy132 [28] a exigir que Los maestros regresen a clases y acepten la evaluacion?
Raha jerena ireo hetsika rehetra nandritra izy andro vitsy lasa izay niparitaka tamin'ny Twitter sy tambajotra hafa, dia nampahatsiahy i Osvaldo Suarez (@paul_suco [29]) hoe :
Tenemos que ser conscientes de que un voto razonado no se construye desde las redes sociales.
31 andro sisa tavela dia tsy maintsy hifidy ny filoham-pireneny manaraka indray ireo vahoaka ao Meksika. Tena nametraka ny lanjany vetivety sy tamin'ny fotoana nilàna azy teo amin'ireo hevi-bahoaka ny hetsika #YoSoy132; na izany aza niteraka fifanakalozana teo amin'ireo manana fomba fihevitra tsy mitovy ny nataony, ny tanjony, ary ny fanehoan-keviny. Manantena izahay fa mazava tsara fa ny vato (anaty vata fandatsaham-bato) no andresena ny fifidianana fa tsy ny bitsika (tweets).