Nampalahelo fa notafihana andian-dehilahy teo amin'ny Kianja Tahrir ny diabe mitaky ny hampitsaharana ny fanafintohinana [fikitikitihana tsy mahazo alalana] ny vehivavy tamin'ny 8 jona 2012. Mitantara ny zavamisy ao amin'ny Twitter ny nanatri-maso.
Mpanao gazetin'ny Associated Press Sarah El Deeb, izay nanatrika, no mitantara izay nitranga tamin'ny alalan'ireto siokantsera manaraka ireto:
@seldeeb: Andian-dehilahy no nanafika ny mpanao diaben'ny #EndSH nikendry ny handrava sy hidaroka ny mpanao fihetsiketsehana.
@seldeeb: Nanosika ireo mpanafika ny lehilahy tao amin'ny Diabe #EndSH saingy maro loatra ny mpanafika ka voasintosintona ny vehivavy sasantsasany
@seldeeb: Nikoropaka noho ireto andian'olona ny teo amin'ny manodidina ka nanakatona ny toeram-barotra fa mahery setra loatra ry zalahy#EndSh. mba nisy fivarotana iray nampialoka ihany tamin'ny farany
@seldeeb: Nilaza ny nanatri-maso sasantsasany fa efa nihogahoga an-dry zavavy ireo olona nihodidina ny mpanao diabe nialoha ny fanafihana #EndSH
Nitohy sy nihamafy nandritra ny volana nisian'ny fihetsiketseham-panoherana ny fanohintohinana ny vehivavy. Milaza ny zavamisy i Amira Howeidy:
@amirahoweidy: Fomba fanao noforonin'ny Antoko Nasionaly Demokratikan'i Mubarak tamin'ny 2005 ny manohintohina ny vehivavy mpanao fihetsiketsehana
Manontany i Turk4Syria raha efa nisy ny nosamborina noho ny fanafintohinana vehivavy ka mamaly izany i Mohamed Yahia:
@MohammedY: @Turk4Syria tsy mbola nisy mihitsy. Efa mahazatra loatra ary maro ny mpanao azy sady eken'ny eo amin'ny fitondrana ny mitandroka ny vehivavy mpanao fihetsiketsehana #EndSH
Manolo-kevitra i Sherine Thabet [ar]:
Ary manao fehin-teny i Deena Adel:
@deena_adel: Azontsika atao ve azafady ny mampiasa ity fahatezerana indray momba ny fanafintohinana ara-pananahana ity ka mandray dingana mivaingana hiadiana aminy? #EndSH
Misy fihetseham-po hafa hita amin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #EndSH ao amin'ny Twitter.