Arabia Saodita: “Avohay Ny Voatazona Na Ho Ento Eny Amin'ny Fitsarana!”

Nanatontosa fihetsiketsehana tao anatin'ny tsenambarotra lehibe roa ao andrenivohitra Rayadh tamin'ny alina lasa teo (6 Jiona 2012) ny fianakavin'ireo gadra politika Saodiana mba hitaky amin'ny governemanta hamoaka ireo havany na hitondra azy ireo eny amin'ny fitsarana .

Tao amin'ny tsenambarotra lehibe Sahara sy Hayat no natao ny fihetsiketsehana, iray amin'ireo faritra be mponina indrindra, izay ahitana mponina lahy sy vavy amin'ny sokajin-taona rehetra, mitaky ny fanafahanana ireo fianakaviany, izay maro amin'ireo gadra no tsy manana antony anenjehana azy na mbola tsy nandalo fitsarana. Nihiaka hoe “Afaho ireo gadra,” ny mpanao fihetsiketsehana, izay hadith – na fitenin'ny Mpaminany Mohammed (PBUH).

Nitantara ny zava-nitranga ny mpiserasera, nanome anay ny vaovao farany ao amin'ny Twitter sy  YouTube.

Ity manaraka ity lahatsary notontosain'i sFreearab sady ahitana sary sy lahatsary ny zava-nitranga:

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra maro samihafa mikasika ny zava-nitranga ny Saodiana. Ireto ambany ireto sombiny amin'izany:

@SawtalshabF #مظاهرات_صحارى_مول اي امه نحن بدل ان نكرم مجاهديننا نعتقلهم ؟؟ الهاذا الحد وصلنا
Karazana firenena tahaka ny inona isika? Raha tokony homena valisoa ny mpitolona, samborintsika indray izy ireny?
@altamimi14: #مظاهرات_صحارى_مول ‎‫#رجب16 طوال عمري مقتنع بأن ‎‫#المظاهرات لا تسمن ولا تغني من جوع! بل تزيد الطين بلّه! سواء بالسعودية أو أي دولة
بالعالم!
Efa Ambarako foana fa tsy ilaina ny fihetsiketsehana, vao maika manaratsy zavatra izany na ao Arabia Saodita na amin’ny firenen-kafa!
@freedome7007
‎‫#مظاهرات_صحارى_مول‬ ‎‫#رجب16‬ تجمع ناجح وتنظيم سريع ومكان موفق ونقل جيد للحدث. مالم يفك عشرات الألاف من علماء وشباب الأمة فإن الأمور ستزداد حدة~
Tsara, voakarakara tsara, tsara toerana ary voarakitra an-tahiry tsara. Raha tsy havoaka ireo manam-pahaizana sy tanora an’arivony eto amin’ity firenena ity, mbola hiharatsy hatrany toe-javatra!
@JOuDi92_#مظاهرات_حياة_مول‬ ‎‫#مظاهرات_صحارى_مول‬ مريضين جداً يا جعلهم يمسكونكم واحد ورى الثاني و معد تشوفون أهاليكم لهدّرجه الدنيا فوضى ؟ و في سوق ؟
Vahoaka marary!! Mety mbola hosamboriny avokoa! Mety tsy hahita ny fianakaviany intsony koa ve izy ireo! Tena ratsy ny zava-misy! Eny amin’ny tsenambarotra lehibe?? Tena marina?
@jojo2jojo#مظاهرات_صحارى_مول‬ ماذا تقولون عن أطفالي عندما داهمونا المباحث وزوجي مقيد أمامهم واختطفوه وهل هذا من الأمن !! وهذا من اقل ما يفعلون
Inona no holazainao  mikasika ireo zanako raha tonga tao an-tranoko izy ireo ary nisambotra ny vadiko teo imason’ireo zanako!! Izany ve no mety antsoinao hoe tsy misy atahorana “voaaro”? Izany no zavatra kely indrindra tokony ataontsika amin’ireo gadra.

Nisy ny vaovao sasany nilaza fa nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana araka ny navoakan’I Jeans Saodiana tao amin’ny lahatsoratra am-bilaoginy izay mitantara ny zava-niseho. Ahmed Al Omran nanoratra hoe:

Mohammed al-Abdulaziz nanambara tao amin’ny Twitter  fa nosamborina ny rahalahiny sy ny fianakaviany (ny vadiny sy ny zanany telo). Voalaza fa maro ireo olona voasambotra.

Mohammed Al-Abdulaziz nisioka momba ny fianakaviany nosamborina:

@_MHD_S : @EbtihalMubarak أخي وزوجته وأولاده الثلاثة .. ولا أعرف أحد غيرهم وبالتأكيد هناك آخرين
Ny  rahalahiko, ny vadiko sy ny zanako telo.. Tsy fantatro izay mahazo ny hafa fa mino aho fa mety maro ihany koa no nosamborina

Mpisiokantserasera hafa ihany koa nanamafy fa maro ireo voasambotra.

@iR_88
ممن اعتقل هذا اليوم عبد الله عبد الرحمن العيدان ، هيلة عبد الله العيدان وخادمتها ، إلهي كن لهم واحفظهم بحفظك ومن معهم جميعًا ‎‫#رجب16
Nosamborina androany: Abdullah Abdulrahman Aleidan, Haila Abdullah Aleidan sy ny mpanampiny..Arovy izy ireo Allah!

Tamin’ny 4maraina, Mohammed Al-Abdulaziz nanambara hoe:

@_MHD_S: بخصوص النساء والأطفال يبدو أنه سيفرج عنهم قريباً (أقل من ساعة) ومن ضمنهم زوجة أخي وأولاده
Momba ireo ankizy amam-behivavy, fantatra fa toa hoafahana tsy ho ela izy ireo (farafahakeliny ao anatin’ny adiny iray) ka anisan’izany ny vadin’ny rahalahiko sy ny zanany

Tamin’ny  6 maraina, vaovao farany hafa nanambara hoe:

@_MHD_S: جميع النساء فقط بانتظار كفالة أهاليهن .. الرجال لست متأكد لكن بالنسبة لأخي سيخرج بإذن الله اليوم أو غداً حسب كلام الضابط ..
Miandry ny fianakaviany haka azy avokoa ny vehivavy rehetra. Tsy fantatro tsara kosa indray ny amin’ireo lehilahy. Mikasika ny rahalahiko kosa, mety havoaka androany na rahampitso izy araka ny filazan’ny manam-pahefana tamiko

Farany fa tsy ny kely indrindra, Fatima Al Habeeb naneho hevitra hoe:

@Falhabeeb: بس كذا؟ بكل بساطة تجون وتضفونهم كلهم؟‎‫#مظاهرات_صحارى_مول ‎‫#مظاهرات_حياة_مول
Tahaka izany fotsiny? Tonga ianao hisambotra ny rehetra!!

Raha mila vaovao fanampiny momba ireo gadra Saodiana ianao,  jereo ao amin’ny kaonty Twitter  @SaudiDetainees..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.