- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aung San Suu Kyi Nitsidika An'i Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Thailandy, Mediam-bahoaka, Politika

Mbola filohan'i Etazonia i Ronald Reagan tamin’ ny fotoana nandaozan'i Aung San Suu Kyi, loka Nobel an'i Myanmar. 24 taona lasa izay. Tamin'ity herinandro ity, nanao fitsidihana [1] tao Thailandy izy ka nikabary tao amin'ny “Forum Ekonomika Manerantany ” tao Bangkok. Ity fitsidihana manan-tantara nataon'i Suu Kyi ity no tena mibahana amin'ny fampahalalam-baovao. Tetsy andaniny, nampiasa ny tenifototra #assk [2] ny mpiserasera mba hanarahana sy hitantarana ny fitsidihana ataon'i Suu Kyi ao Thailandy

[3]

Suu Kyi tao amin'ny "Forum ekonomika manerantany". Sary tao amin'ny pejy Flickr an'ny WEF

 

@Juarawee [4] RT @JonahFisher: Olona an'arivony no niandry ny fahatongavan'i #ASSK tao amin'ny fidirana ao Bangkok. Voninkazo no mameno ny tanàna. Hirahira. Fankalazana tokoa.‏

@sdmireland [5] Fankalazana manetriketrika ho an'i #ASSK tao #WEF ary mino aho fa nisy mihitsy ny sempotra…

@WattaneeNYY [6] “Marina fa vonona hitsikera ny rehetra izahay, saingy midika izany fa afaka manatsoaka lesona amin'ny rehetra ihany koa izahay.” #ASSK #WEF

@YossieBistro [7] Tongasoa aty Thailandy #ASSK. Tsy fitsidihana tsotra fotsiny ny fahatongavanao eto. Dingana iray lehibe eo amin'ny tantara ara-politika ny firenenay izao.

@OliverLaceyHall [8] #ASSK ao #WEF tonga tao Bangkok, 24 taona taty aoriana: “Faly mahita ireo fahazavana aho. Mila politika momba ny angovo ao Birmania”

Niresaka momba ny fahatapahan-jiro i Suu Kyi izay mahakasika ireo tanàna marobe ao Myanmar tamin'ny herinandro lasa. Niteraka fihetsiketsehana milamina [9] tao amin'ny firenena izany fahatapahan-jiro izany.

[10]

Vahoaka marobe tonga nitsena an'i Suu Kyi tao Thailandy. Sary: @seacorro

Suu Kyi nitsidika ny tanàn-dehibe tao Thailandy izay ahitana mponina mpifindra-monina [11] 300000, avy any Myanmar ny ankamaroany. Maro ireo olona niandry nandritra ny ora maro ny fandraisam-pitenenany

@newley [12] Mafana tanteraka ny ambiansy tao Samut Sakhon, raha nitafa tamin'ireo mpifindra-monina avy any Myanmar i Aung San Suu Kyi androany maraina, @Anasuya niresaka tamiko.

@JonahFisher [13] Maraina voalohany nandalovany ivelan'i Birmania tao anatin'ny 24 taona, nisafidy izany maraina izany izy mba hiaraka amin'ireo olona mahantra indrindra sy fadiranovana. Aung San Suu Kyi izany.

Thai InnoMemes [14] ‎”Arahabaina!!!”….nampiseho ny fitsidihany manan-tantara voalohany any ivelany ny lehiben'ny Demokrasia Aung San Suu Kyi hatramin'izay 20 taona mahery izay, dia ny fitsidihany ireo mpiasa mpitsoa-ponenana avy any Myanmar tao Thailandy.

@tonravee [15] Nilaza izy fa ny hanarina ny toe-draharaha ao Myanmar mba ahafan'ireo mpifindra-monina hiverina ao amin'ny firenena sy hiasa ampilaminana no anisan'ny tanjony.

@ThanongK [16] RT @wayne_hay: Sahotaka ao Samut Sakhon satria tonga tao amin'ny foibe ara-tsosialy sy kolontsaina i #ASSK. Voadona sy voatositosika izy

Nahazo seza tao amin'ny antenimiera i Suu Kyi tamin'ity taona ity ary nandresy [17] tamin'ny fifidianana ihany koa ny antoko politikany. Noafahana [18] tany am-ponja i Suu Kyi tamin'ny taon-dasa ary nampisy fanantenana teo amin'ny olona marobe ny fandraisany anjara mavitrika teo amin'ny tontolo politika ho toy ny  marika hitondra fanovana [19] ao Myanmar.