- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Figadrana Mandra-maty Ho An'i Mubarak

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Revolisiona ao Ejipta 2011 [1].

Niandry daholo izao tontolo izao satria nitsara nanameloka ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak sy ny Minisitry ny Atitaniny Habib Al Adly higadra mandra-pahafaty ny fitsarana Ejiptiana iray, noho ny andraikitra notanan-dry zareo tamin'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana. Nandalo dingana in-49 ilay fitsarana, 250 ora ary tatitra misy pejy 60.000, hoy i Sultan Al Qassemi nibitsika [2], nitanisa ny voalazan'ilay mpitsara Ahmed Refaat.

Nalefa mivantana tamin'ny haino aman-jery ilay didy manan-tantara, nahatonga ireo mpiondana aterineto hampakatra fanehoan-kevitra tety anivon'ny aterineto arakaraky  ny firoson'ny fotoam-pitsarana. Ireo zanakalahy roa an'i Mubarak, Alaa sy Gamal dia afaka tamin'ny fiampangana ho nanao kolikoly, tahaka izany koa ireo mpiara-miasa ambony akaiky an'i Al Adly, izay nampangaina noho ny fahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona ejiptiana, izay nanomboka ny 25 Janoary 2011.

Taorian'ilay didim-pitsarana, ilay Ejiptiana bilaogera Mahmoud Salem, na Sandmonkey, nibitsika hoe :

@Sandmonkey [3]: Ny fitsarana an'i Mubarak #Mubaraktrial dia nifarana taminù didm-pitsarana mahamenatra : Izy ny sy Minisitry ny Atitaniny dia samy nahazo sazy famonjàna mandra-maty izay mbola azo alefahana ara-pitsarana, afaka ny sisa rehetra.

Nampiany hoe :

@Sandmonkey [4]: Ireo olona ireo ihany izay namono sy nampijaly  ny ejiptiana no afaka miverina an-kalalahana amin'ny asany ankehitriny ao amin'ny MOI (Ministeran'ny Atitany). Mba saintsaino anie izany e #Mubaraktrial

[5]

Dikasarinà fàfana nifampizarana tao amin'ny Twitter, avy amin'i Sultan Al Qassemi omaneho an'i Mubarak tonga tao amin'ny fitsarana iny maraina iny

Ary mitatitra i Gigi Ibrahim hoe :

@Gsquare86 [6]: Vaky ny korontana tao anatin'ny efitrano fitsarana ary ny hiakiaka hoe “angatahan'ny vahoaka ny fahaleovantenan'ny fitsarana”  “Hosoka!” #MubarakTrial

Nampiany hoe :

@Gsquare86 [7]: Tsy azoko mihitsy hoe nahoana Aldy, filoha mitarika ny MOI, no voaheloka nefa tsy misy ireo polisy, na ireo manodidina azy voaheloka na tamin'inona na tamin'inona?!!!! #MubarakTrial

Bel Trew, mpanao gazety no mamintina azy ity :

@Beltrew [8]: Ny fitazonana am-ponja mandra-maty ho an'i  #Mubarak idia tsy ratsy araka izay iheverana azy. Manana zaridaina izy, dobo filomanosana ary & toerana fipetrahana fiaramanidina. http://uk.reuters.com/article/2012/06/01/uk-egypt-trial-mubarak-idUKBRE85017O20120601 #MubarakTrial

Patrick Tombola, mpanao gazety, no manamarika hoe :

@ptombola [9]: #Mubarak‬ & Adly dia samy nampangaina ho tsy nanao na inona na inona hisorohana ny famonoana olona, fa tsy noho ny fanomezany baiko ho azy ireny. Fahasamihafana goavana & ary tsy mampahazo aina na iza na iza. ‪#Egypt‬ ‪#Mubaraktrial

Nefa i Mina Zekri dia mampahatsiahy antsika hoe [ar]:

نذكر الجميع قبل الحكم أنه سيكون حكما ابتدائيا والعبرة بحكم محكمة النقض بعدما يطعن المتهمون على الحكم ‎‫#محاكمة_مبارك‬‏ ‎‪#mubaraktrial
@minazekri [10]: Tiako ny mampahatsiahy anareo fa ity didim-pitsarana ity dia didim-pitsarana voalohany, ary tokony hiandry ny fampakarana didy isika aorian'ny fampakaran'ny voampanga izany eny amin'ny fitsarana mpandrava didy

Asteris Masouras dia manaraka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto ao amin'ny Twitter ato [11]. Ary eto [12] i Rayna St. no manangona ireo fanehoan-kevitra hafa any amin'ny Storify . Noon Arabia koa dia mizara fanehoan-kevitra eto [13].

Ho anà fanehoan-kevitra misimisy kokoa, zahao ny tenifototra #Mubaraktrial [14] ao amin'ny Twitter.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Revolisiona ao Ejipta 2011 [1].