Shina: Maniry An'i Confucius Hody Ny Mpiserasera

Ny nanambarana ny fisian'ny politika vaovao amin'ny famoahana “visa” (fahazoan-dalana hiditra malalaka ao amin'ny firenena vahiny iray) ny Departemantam-panjakana Amerikana no nampitodika ny tontolom-bilaogy Shinoa tany amin'ny Ivotoerana Confucius. Mitaky ny fankatoavana Amerikana ny Ivotoerana manana endrika Anjerimanontolo araka ny toromarika vaovao, nivoaka tamin'ny 17 Mey 2012 mba ahafahan'ny manampahaizana sy mpampianatra vahiny ao aminy ho mpampianatra. Mety hipaka amin'ny fahataperan'ny “visa” ho an'ireo mpampianatra an-jatony, satria mihoatra ny 60 ny Anjerimanontolo Amerikana no mametraka ny Ivotoerana Conficius ho “vahiny nasaina” ao aminy. Etsy ankilany, maniry ny mpiserasera Shinoa fa afa-mody hampianatra ny kilonga Shinoa ny Confucius.

Fandaharan'asan-kolontsaina tohanan'ny fitondrana hampiroboroboana ny herim-panintonan'i Shina manerantany ny Ivotoerana Confucius. Miankina amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Shinoa izy io ary velomin'ny Sampan-draharaham-pirenena Shinoa Ho amin'ny Fampianarana Teny Shinoa Amin'ny Maha-Teny Vahiny Azy na ny Hanban. Najoro tamin'ny Novambra 2004 ny Ivotoerana Confucius ampitan-dranomasina voalohany ary talohan'ny Aogositra 2011 efa mihoatra ny 826 ny Ivotoerana Confucius sy ny Kilasy Confucius manerantany.

Modia an-trano re hampianatra ry Confucius! Sarisoritra Da Shi Xiong hita Sina Weibo

Na dia tsy nahafaly ny fitondrana Shinoa aza ity toromarika vaovao ity, dia nampamiramirana ny mpiserasera Shinoa koa. Ny Sariitatr'i Da Shi Xiong no mahalaza tsara ny fihetseham-pon'ny olona an-tserasera, ahitana ireo ankizy miangavy an'i Confucius hody an-tanindrazana hampianatra.

Maro ny mpiserasera tsotra tahaka an'i @湘客游侠 milaza ny fanekeny [zh]:

政府搞那么多钱在海外办什么孔子学院,明的暗的让某些人捞钱,咋不把这钱办希望学校,发展提高义务教育呢

Mandany vola be loatra hamelomana ny Ivotoerana Confucius ampitan-dranomasina ny fitondrana ary manome vahana ny olona hampirina ny volany any am-paosiny [poketrany] . Nahoana no tsy mandany vola hampandehanana ny Sekolin'ny Fanantenana sy mampandroso ny fanabeazana fototra?

Nisy hafatra nampitain'olo-tsy fantatra manome fanazavana amin'ny mpiserasera ny politikam-panabeazan'ny fitondrana nivezivezy tamin'ny dinika an-tserasera shinoa be mpitsidika sy tamin'ny sehatra fifampitam-baovaon'olo-tsotra. Eto ambany ny sombin'ny lahatsoratra notsongaina avy tamin'ny BlogChina [zh]:

当屁民为孔子学院的教师将要被美国驱逐而愤愤不平时,不妨看看设立在美国的孔子学院都在玩些什么猫腻:红官二代利用孔子学院向国内申请官方办学经费,然后让高官子女在里面任教。目的只有一个,用我们纳税人的钱帮他们拿到绿卡。明修孔夫子的栈道,暗度他们红二代的陈仓,孔子2500多年后又被强奸了一回,还是红二代牛逼啊。我感谢美国人喊停孔子学院,不为别的,只为我们的血汗钱。

Misy ny sasany tezitra tamin'ny fitondrana Amerikana mandroaka ny mpampianatra ao amin'ny Ivotoerana Confucius. Saingy andao jerentsika ny paikady nametrahana ny Ivotoerana – Ampiasain'ireo manampahefana Mena ireo ny Ivotoerana Conficius ahafahana mahazo ny fanohanana ara-bola avy amin'ny fitondrana Shinoa. Afa-mampianatra any amin'ireny Ivotoerana ireny ny naterak'ireo manam-pahefana ireo noho ny tanjona tokana – Mampiasa ny volan'ny mpandoa hetra hahazoany kara-maitso [monina any Etazonia]. Mody milaza ho manandratra sy mampiroborobo ny idealin'i Confucius nefa manana fandahara-potoana miafina. Manana tanjaka tokoa ny manampahefana Mena ka nahavita namotika an'i Confucius 2500 taona taty aoriana. Isaorako ny Amerikana amin'ny fampitsaharana ny Ivotoerana Confucius ka ahafahantsika mitahiry ny vola azo tamin'ny mafy.

Manome lalindalina kokoa ny tsy fankasitrahan'ny vahoaka momba ny Ivotoerana Conficius ao amin'ny bilaoginy ao amin'ny ifeng [zh] ny bilaogera Cai Shenkun.

根据官方报道,每所孔子学院建设费用50万美元,每个孔子课堂6万美元。身居美国的薛涌先生估算,在美国建一所“孔子学院”起码要几百万美元。孔子学院不但提供文化课、太极课、汉语水平考试,甚至提供带补贴的“中国之旅”。学院和课堂建成后还需要运营,国家汉办会为每所孔子学院提供5-10万美元的启动资金。据估计,这方面的总投入达到了2500万-5000万美元。此外,还有4000名专职教职工和每年3000名外派志愿者的费用。每位志愿者国家都会补贴1000美元/月,通常任期一年,国家每年在志愿者身上投入约3600万美元。最后,尚有金额不明的专项活动经费。孔子学院一年要耗费中国人多少血汗钱?现在看不到权威的统计数字,2008年光预算就高达16亿,近些年应该是一年更比一年多。

Araka ny tatitra ofisialy, mitentina dimy tapitrisa dolara amerikana isanisany ny fananganana Ivotoerana Confucius tsirairay avy. Nisanda 60.000 dolara amerikana eo ho eo ny kilasy Confucius tsirairay. Xue Yong, izay mipetraka any Etazonia amin'izao fotoana izao, manombatombana fa an-tapitrisa dolara amerikana vitsivitsy ny manangana Ivotoerana Confucius iray. Manome fampianarana toy ny kolontsaina shinoa, ny Tai Chi, ny fitsapa-pahaizana teny shinoa ny Ivotoerana. Indraindray ry zareo manohana ara-bola ny mpianatra vahiny hitsangatsangana any Shina. Ankoatra ny fananganana ny trano iorenan'ny Ivotoerana sy ny kilasy maro koa ny vola lany amin'ny fampandehanana azy. Hanome farafahakeliny 50 000 ka hatramin'ny 100 000 ho tahirim-bola fiaingana isaky ny Ivotoerana ny Hanban China. Efa notombatombanana fa farafahakeliny 25 ka hatramin'ny 50 tapitrisa dolara amerikana no lany amin'ity tetikasa ity. Ankoatra izany, tsy maintsy mandoa mpampianatra miasa feno mihoatra ny 4000 ry zareo sy mpanolotena 3000 miasa ampitan-dranomasina. Samy mandray arivo dolara amerikana isam-bolana ho fivelomany mandritra ny herintaona ny mpanolotena tsirairay avy. Nandany 36 tapitrisa dolara amerikana isan-taona amin'ny mpanolotena ao amin'ny Ivotoerana ny governemantantsika. Misy ihany koa ny karazana tahirim-bolam-panohanana maro izay tsy mazava tsara ny vola lany taminy. Ohatrinona ny vola lanin'ny vahoaka Shinoa isan-taona amin'ny Ivotoerana Confucius? Mbola tsy manana ny antontan'isa ofisialy aloha isika izao. Saingy tafakatra 1,6 lavitrisa RMB kosa ny tetibolan-dry zareo tamin'ny 2008 ary tsy mitsahatra ny misonga isan-taona izany.

希望工程搞了20多年,才募集到50多亿。而政府却很慷慨的大把撒钱到国外去办学,其数额远远超过了希望工程的善款,这叫纳税人情以何堪?更不可思议的是,2010年,被誉为“史上最贵网站”的网络孔子学院进入公众视线,采购人国家汉办的中标金额高达3520万元的网站运营费用让人大跌眼镜。据媒体调查,中标的“五洲网络”法人代表是王永利,而王永利的另一个身份是国家汉办副主任。国家汉办自己招标、自己中标,3000万元就进入了个人腰包。如果不是财政部网站公布这个中标消息,天价的维护费永远无人知道。

Nihoatra ny 20 taona taty aoriana, 5 lavitrisa RMB ihany ny vola voangon'ny Tetikasa Fanantenana. Saingy mandany vola amin'ny fampianarana any ivelany ny fitondrana, mihoatra lavitra noho izay natokana ho amin'ny Tetikasa Fanantenana. Ahona moa izany ny tokony ataon'ny mpandoa hetra manoloana izany? Ary ny tena tsy mampino dia nipoaka ho hitam-bahoaka ny zava-manafintohina 2010 [zh] momba ny vohikala lafo indrindra [ao Shina] izay tsy iza fa ny Ivotoerana Confucius An-tserasera. Nitaky 32,5 tapitrisa RMB (tokony ho 40 tapitrisa dolara amerikana) ho fampandehanana azy ireo nahazo ny tsena tamin'izany fotoana izany. Notaterin'ny haino aman-jery taty aoriana fa ny ‘Wuzhou Network’ no nahazo ny tsena, ary ny solontena ara-dalàna amin'izany dia i Wang Yongli, izay filoha lefitry ny Hanban ihany koa. Midika izany fa ny tenany ihany no nifampiraharahan'ny Hanban, ary nirotsaka tany am-paosin'ny sasany ihany ny vola 30 tapitrisa RMB narotsaka tamin'izany. Raha tsy nivoaka tamin'ny vohikalan'ny Ministeran'ny Vola ity fifampiraharahana ity, ataoko fa tsy nisy nahalala ny ny vola lany hampandehanana ny vohikalan'ny Ivotoerana.

Nahitsin'i Jane Ellis.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.