Tantara tamin'ny 03 Jona 2012
Etiopia: Tsingerintaonan'ny EPRDF: Misy Inona Hankalazaina?
Ho an'ny Etiopiana sasany ny 28 May dia ‘Androm-pirenena’ raha ny sasany indray mihevitra azy io ho andro iray fankalazana ny fanoloana fitondrana mpamoritra iray taminà iray hafa. Nandray ny bilaogy sy Facebook mba hiresahana ny tsingerintaonan'ny EPRDF ireo mpiondana aterineto.
Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?
Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.
Shina: Maniry An'i Confucius Hody Ny Mpiserasera
Ny nanambarana ny fisian'ny politika vaovao amin'ny famoahana “visa” (fahazoan-dalana hiditra malalaka ao amin'ny firenena vahiny iray) ny Departemantam-panjakana Amerikana no nampitodika ny tontolom-bilaogy Shinoa tany amin'ny Ivotoerana Confucius. Mitaky...