- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Miteraka Romoromo Ny Fanoloana Ny Mpanazatra Zahoui

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Nanambara [1] ny fanovana ny mitantana ny ekipam-pirenena tamin'ny alatsinainy 28 mey lasa teo ny Fédération Ivoirienne de Football [2] (FIF na Federasiona Ivoariana Baolina Kitra=Fandaka):

La Fédération Ivoirienne de Football informe de ce que, à partir de ce jour, Monsieur Sabri LAMOUCHI [3] est nommé Sélectionneur et Entraîneur de l’Equipe nationale A, en remplacement de Monsieur François ZAHOUI. [4]

Milaza etoana ny Federasiona Ivoarianan'ny Baolina Fandaka, fa manomboka mason'andro anio dia voatondro ho mpanazatra sy mpifantina ny ekipam-pirenena A hisolo an'Atoa François ZAHOUI i Sabri LAMOUCHI.

[5]

Lamouchi et Drodgba lors de la présentation du nouvel entraineur de la Côte d'Ivoire par Soutien aux élephants de Côte d'Ivoire sur Facebook

Niteraka sahotaka isan-karazany eo amin'ny gazety ivoariana [6] an-tserasera sy teo amin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra izany. manontany [7] ao amin'ny bilaoginy i Cyriac Gbogou:

Pourquoi Zahoui François a t-il été limogé?

Nahoana no nesorina i Zahoui François?

Hita ao amin'ny Facebook ny pejy iray [8] najoro ho fitakiana ny hamerenana an'i François Zahoui [4]. Nisy fanangonan-tsonia [9] koa aza nipoitra tato amin'ny aterineto handavana an'i Lamouchi.  Bamba Moussa [10] manasa ny mpiserasera hamaky ny fanangonan-tsonia :

@Be_hem: [11] Si toi aussi tu n'aime pas les foutaises de la FIF http://fb.me/1sROmb5Uw  [12]

Raha tsy ankasitrahanao ihany koa ny hadalàn'ny FIF http://fb.me/1sROmb5Uw  [12]

Tsy mandambolambo koa ny hevitra mivoaka twitter. Tsy azon'ny Ivoariana ny antony nanoloan'ny FIF an'i Zahoui amina mpanazatra tsy za-draharaha kokoa. Tahaka izany i Christian Roland:

@chroland: [13]  @ConstyBlack [14]  @macmady [15] mieux vaut un#zahoui‬ [16] qui a des resultats qu'un lamouchi qui viens se faire la main”

Aleo Zahoui manana vokatra toy izay lamouchi mbola vao miana-draharaha

Raha nisy ny nieritreritra fa tokony soloina i Zahoui, tsy nisy koa ny nanaiky ny nifidianana an'i Lamouchi, toa an'i @Kadotien [17]

[18]@Kadotien [17]: @Lord225 je suis contre lamouchi sans etre pour Zahui. Zahui c syndrome domenech lamouchi c Zero #civ2010‬ [19]

Manohitra an'i Lamouchi aho nefa tsy manohana an'i Zahoui. Zahoui ahatsiarovana ny aretin'i Domenech, Lamouchi indray zero

na i @Justice [20] izay mitaraina [21]:

@Justice [20]: Alors qu'il n'a aucune expérience comme entraîneur, Sabri Lamouchi succède à François Zahoui à la tête de la #civ2010 ‬ [19]http://www.lequipe.fr/Football/Actua … [22]

Na dia tsy manana traikefa aza, Sabri Lamouchi no misolo an'i François Zahoui hitantana an'i Côte d'Ivoire .
Indro ny lahatsarin'ny FIF mamarana ny asan'i Francois Zahoui eo amin'ny fitantanana ny Elephants de Côte d'Ivoire :

Ary mitohy miaraka amin'i Lord225 [23] ny fitarainana izay manameloka [24] ny fanoloana mpanazatra tampotampoka ataon'ny FIF:

On ne construit pas une équipe forte en remplaçant l'entraîneur après chaque compétition #civ2010‬ [19] #foot‬ [25] #zahoui‬ [16]

Tsy misy mahajoro ekipa matanjaka amin'ny fanoloana mpanazatra isaky ny vita fifaninanana izany. 

Ho an'i Antoine Mian indray, mbola  mitady [26] ny antony hatrany izy:

@Mianseh [26]: Je n ‘arrive pas à suivre la logique de la #FIF‬ [27] RT @FernandDdeh [28] @djiboua7 [29] Zahoui a été remplacé par Sabri Lamouchi à la tête des Eléphants.”

Tsy haiko intsony ny lojikan'ny FIF RT Nosoloina an'i Sabri Lamouchi eo amin'ny fitarihana ny Elefanta (ekipam-pirenena Ivoariana) i Zahoui

Amin'izao fotoana anoratana izao, mbola mitohy ny fitenanam-po nateraky ny fanambarana ofisialin'ny [1] FIF, samy tafintohina avokoa ny fanehoan-kevitra hita ataon'ny tsirairay avy.