Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Côte d'Ivoire: Miteraka Romoromo Ny Fanoloana Ny Mpanazatra Zahoui

Nanambara ny fanovana ny mitantana ny ekipam-pirenena tamin'ny alatsinainy 28 mey lasa teo ny Fédération Ivoirienne de Football (FIF na Federasiona Ivoariana Baolina Kitra=Fandaka):

La Fédération Ivoirienne de Football informe de ce que, à partir de ce jour, Monsieur Sabri LAMOUCHI est nommé Sélectionneur et Entraîneur de l’Equipe nationale A, en remplacement de Monsieur François ZAHOUI.

Milaza etoana ny Federasiona Ivoarianan'ny Baolina Fandaka, fa manomboka mason'andro anio dia voatondro ho mpanazatra sy mpifantina ny ekipam-pirenena A hisolo an'Atoa François ZAHOUI i Sabri LAMOUCHI.

Lamouchi et Drodgba lors de la présentation du nouvel entraineur de la Côte d'Ivoire par Soutien aux élephants de Côte d'Ivoire sur Facebook

Niteraka sahotaka isan-karazany eo amin'ny gazety ivoariana an-tserasera sy teo amin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra izany. manontany ao amin'ny bilaoginy i Cyriac Gbogou:

Pourquoi Zahoui François a t-il été limogé?

Nahoana no nesorina i Zahoui François?

Hita ao amin'ny Facebook ny pejy iray najoro ho fitakiana ny hamerenana an'i François Zahoui. Nisy fanangonan-tsonia koa aza nipoitra tato amin'ny aterineto handavana an'i Lamouchi.  Bamba Moussa manasa ny mpiserasera hamaky ny fanangonan-tsonia :

@Be_hem: Si toi aussi tu n'aime pas les foutaises de la FIF http://fb.me/1sROmb5Uw 

Raha tsy ankasitrahanao ihany koa ny hadalàn'ny FIF http://fb.me/1sROmb5Uw 

Tsy mandambolambo koa ny hevitra mivoaka twitter. Tsy azon'ny Ivoariana ny antony nanoloan'ny FIF an'i Zahoui amina mpanazatra tsy za-draharaha kokoa. Tahaka izany i Christian Roland:

@chroland:  @ConstyBlack  @macmady mieux vaut un#zahoui‬ qui a des resultats qu'un lamouchi qui viens se faire la main”

Aleo Zahoui manana vokatra toy izay lamouchi mbola vao miana-draharaha

Raha nisy ny nieritreritra fa tokony soloina i Zahoui, tsy nisy koa ny nanaiky ny nifidianana an'i Lamouchi, toa an'i @Kadotien

@Kadotien: @Lord225 je suis contre lamouchi sans etre pour Zahui. Zahui c syndrome domenech lamouchi c Zero #civ2010‬

Manohitra an'i Lamouchi aho nefa tsy manohana an'i Zahoui. Zahoui ahatsiarovana ny aretin'i Domenech, Lamouchi indray zero

na i @Justice izay mitaraina:

@Justice: Alors qu'il n'a aucune expérience comme entraîneur, Sabri Lamouchi succède à François Zahoui à la tête de la #civ2010 ‬http://www.lequipe.fr/Football/Actua …

Na dia tsy manana traikefa aza, Sabri Lamouchi no misolo an'i François Zahoui hitantana an'i Côte d'Ivoire .
Indro ny lahatsarin'ny FIF mamarana ny asan'i Francois Zahoui eo amin'ny fitantanana ny Elephants de Côte d'Ivoire :

Ary mitohy miaraka amin'i Lord225 ny fitarainana izay manameloka ny fanoloana mpanazatra tampotampoka ataon'ny FIF:

On ne construit pas une équipe forte en remplaçant l'entraîneur après chaque compétition #civ2010‬ #foot‬ #zahoui‬

Tsy misy mahajoro ekipa matanjaka amin'ny fanoloana mpanazatra isaky ny vita fifaninanana izany. 

Ho an'i Antoine Mian indray, mbola  mitady ny antony hatrany izy:

@Mianseh: Je n ‘arrive pas à suivre la logique de la #FIF‬ RT @FernandDdeh @djiboua7 Zahoui a été remplacé par Sabri Lamouchi à la tête des Eléphants.”

Tsy haiko intsony ny lojikan'ny FIF RT Nosoloina an'i Sabri Lamouchi eo amin'ny fitarihana ny Elefanta (ekipam-pirenena Ivoariana) i Zahoui

Amin'izao fotoana anoratana izao, mbola mitohy ny fitenanam-po nateraky ny fanambarana ofisialin'ny FIF, samy tafintohina avokoa ny fanehoan-kevitra hita ataon'ny tsirairay avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.