Tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka, rehefa mandao ny tokantranony isa-maraina handeha hamonjy sekoly ny andian'ankizy iray, dia misy andian'ankizy iray hafa kosa mivoaka ho eny an-dalambe hiasa hitady izay hivelomana. Ny arabe no sehatra iray manome azy ireo fahafahana mahazo izay tokony hivelomany. Ny sasany amin'ireny ankizy ireny dia manangona fako, ny sasany mivarotra karazan-javatra samihafa – dite sy sigara ankoatry ny zavatra hafa.
- Ny fangon'ny Swapnorath, noforonin'i Dwipangsu Paul, avy ao Kolkata
Ho an'ireny ankizy ireny, zavatra tsy takatra ny sekoly – zavatra mitoetra ho nofinofy fotsiny ho azy ireo, satria raha ny toerana niavian-dry zareo, misy hantsana lalim-be eo anelanelan'ny nofiny sy ny zava-misy henjana iainany andavanandro. Na izany aza, nisy andian-jatovo iray nandray andraikitra mba hanatanteraka farafaharatsiny ny nofin'ny sasantsasany amin'ireny ankizy ireny. Namorona sekoly ho an'ireo sahirana sy tsy manan-katao avy eny amin'ny ambany tanàna ireny ry zareo. Nomena anarana sahaza azy ilay sekoly ka natao hoe “Shawpno Rath” (Kalesin'ny Nofy).
Toy izao no nanombohan'ny dian-dry zareo ireo :
অফিসে আসার পথে একটি মেয়ে প্রতিদিন কিছু শিশুকে দেখতে পেত, যারা রাস্তায় আবর্জনার বাক্সে কি যেন অনুসন্ধান করছে। মেয়েটার মনে হত তারা যেন সেখানে স্বপ্নের সন্ধান করছে।
তাদের জন্য কি করা যায় তাই নিয়ে সে তার সহকর্মী এবং বন্ধুদের সাথে আলাপ করল। প্রথমে ঠিক করা হল, সপ্তাহে তারা একদিন এইসব শিশুদের একবেলা খাওয়াবে এবং তাদের কোথাও বেড়াতে নিয়ে যাবে।
Raha teny an-dàlana hamonjy ny toeram-piasany ny tovovavy iray dia nahita ankizy vitsivitsy nikaroka zavatra tao anaty fanariam-pako. Toa tsapan'ity tovovavy ity hoe mitady izay mba nofinofiny angamba ry zareo ireo.
Naniry hanao zavatra ho an'ireto ankizy izy, niresaka tamin'ireo namany sy mpiara-miasa aminy momba izay mba azon'izy ireo atao. Tany am-boalohany, tapaka ny hevitra fa ho indray mandeha isan-kerinandro ihany, hanome sakafo an'ireto ankizy ry zareo sady hikarakara fialamboly ankalamanjana eo amin'ny manodidina ihany.
Tsy tany amin'ny biraoko akory fa teny an-jaridaina no nanomboka ny fifanakalozan-dresaka mikasika ity fiaraha-mientana ity – tao amin'ny Chandrima Udyan (zaridaina):
আর এর জন্য বেছে নেওয়া হল চন্দ্রিমা উদ্যানকে। কারণ এই পার্ক অনেক শিশুর কর্মস্থল। এরা সবাই, পার্কে বেড়াতে আসা নাগরিক কিংবা প্রেমিক প্রেমিকার কাছে ফুল, চকলেট, বাদাম, চা, সিগারেট ইত্যাদি বিক্রি করে। এই উদ্যোগে ভালোই সাড়া পাওয়া গেল। দিনে দিনে শিশুর সংখ্যা বাড়তে শুরু করল। সপ্তাহের একটি শনিবারে এদেরকে গল্প শোনানোর জন্য নিয়ে আসা হত বই, তারা কেবল নেড়ে চেড়ে দেখত। বইয়ের জগতে ঢুকতে গেলে যে শিক্ষা লাগে, আর শিক্ষার জন্য লাগে কিন্তু তাদের জন্য স্কুল যে ভিন্ন এক পথের যাত্রা। তাই তারা কেবল অক্ষর আর ছবিতে হাত রাখত। পড়ার প্রতি শিশুদের উৎসাহ দেখে এই সব তরুণেরা একটি স্কুল করার উদ্যোগ নিল, ঠিক করা হল এই স্কুলের নাম হবে স্বপ্নরথ।
Lakilasy eny am-poto-kazo
Mba hahafahana manomboka lakilasy amin'ny ara-dalàna, dia mila zavatra maro ny tsirairay – trano fianarana, lakilasy, boky, kahie, mpampianatra, fàfana mainty, famafàna fàfana ary mpianatra. Na izany aza, ho an'ity sekoly ity, tsy voavory ireo fepetra rehetra ireo. Kanefa, isaky ny Sabotsy, misy foana ny fampianarana eo ambanin'ny hazo iray ao an-jaridaina. Ilaozan'ireo ankizy ny asany ary tonga mba hanatrika ny fampianarana ry zareo, na dia midika fahabangan'ny fivelomana aza izany ho azy ireo. Tena ankafizin-dry zareo fatratra ireny lakilasy ireny. Tsikelikely, nanomboka nitombo ny isan'ireo mpianatra. Ary tsy ela, tonga ny filàna tsy maintsy hitady efitrano fianarana.
Nahazo adiresy vaovao ny sekoly
Niala tao Chandrima Udyan (zaridaina) ny sekoly ary nifindra ao amin'ny adiresy 10 Mirpur Road, izay ahitàna efitrano iray nofaina mba hamapandehanana ny sekoly. Eto dia misokatra andro dimy isan-kerinandro ny sekoly ary ireo mpianatra dia nanomboka nanaraka ny fampianarana amin'ny ora feno. Ankizy 30 no nanombohan'ny lakilasy, ary mpampianatra 2. Satria marobe ireo ankizy avy amin'ny fianakaviana sahirana no tonga mba hanaraka ny fampianarana, avy eo amin'ny tanàna ambany manodidina eo ihany, dia mitohy mitombo hatrany ny isan'ny mpianatra.
- Mpianatra ao amin'ny Shawpno Rath mankalaza ny taom-baovao. Sary nalaina tao amin'ny Pejy Facebook-n'ny vondrona. Nampiasaina rehefa nahazoana alalàna.
Shawpno Rath – foibe hanabeazana ny olon-dehibe ihany koa
Eo am-pahitàna ny zanany mamonjy sekoly, ny sasany tamin'ireo ray aman-dreny koa dia nanomboka naniry ny mba hahazo fahafahana mahazo fampianarana ara-dalàna. Noho izany dia nanitatra ny asany mba hahatafiditra hatramin'ny fampianarana olon-dehibe koa ny Shawpno Rath. Amin'izao fotoana, olon-dehibe 20 no mpianatra ao amin'ilay sekoly – ireo izay tsy mba nanana fahafahana nandeha an-tskoly tamin'ny andron'ny fahazazàny.
- Ity sary ity dia mampiseho ny vina arahan'ny Shawpno Rath amin'ny maha mpanamora, sy tànana manampy azy. An'i Raymond Habibur ny sary. Nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny vondrona. Nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.
Ny vinan'ny Shawpno Rath
Ao amin'ny Pejiny Facebook, ny Shawpno Rath dia miresaka momba ny vina sy ny tanjony :
স্বপ্ন রথ হচ্ছে একটি অলাভজনক প্রতিষ্ঠান, যা ২০১০ সালে প্রতিষ্ঠিত হয়েছে। এর উদ্দেশ্য হচ্ছে সমাজের সুবিধা বঞ্চিত শিশুর শিক্ষা এবং স্বাস্থ্যগত উন্নয়ন।
আমাদের মত বেশীরভাগের নাগরিকের জীবনে মৌলিক চাহিদাগুলোকে নিশ্চিত করা হয়েছে, আর সেগুলো হচ্ছে, খাদ্য, পানি, বাসস্থান, স্বাস্থ্য, শিক্ষা এবং পরিবার। কিন্তু আমাদের দেশে এমন লক্ষ লক্ষ শিশু আছে যারা এই সব মৌলিক চাহিদা বঞ্চিত, যাদের ভবিষ্যতের কোন আশা নেই। আমাদের লক্ষ্য দেশ জুড়ে দরিদ্র শিশুদের জন্য জীবনের এই সমস্ত প্রয়োজনীয় উপাদান সরবরাহ করা এবং সংযুক্ত এক উন্নয়নের প্রতি মনোযোগ প্রদান করে দারিদ্র্যের মূলে যে সমস্ত বিষয় সেগুলোর পরিমাণ কমিয়ে আনা।
Ny “Shawpno Rath” dia fikambanana tsy natao hitady tombony natsangana tamin'ny 2010 miaraka amin'ny fomba fijery hoe hampiroborobo ny resa-panabezana sy ny fahasalaman'ireo ankizy sahirana eto amin'ny firenenay.
Ny ankamaroantsika dia mihevitra fa zo efa azy ireo filàna fototra eo amin'ny fiainana : sakafo, rano, fialofana, fahasalamana, fanabeazana ary ankohonana. Saingy misy ankizy an-tapitrisa izay tsy mba manana an'ireny filàna fototra ireny, izay tsy mba manana fanantenana ny amin'ny hoavy. Ny tanjonay dia ny hanampy hanomezana ireny filàna ireny ho an'ireo ankizy mahantra manerana ny firenena ary hifantoka amin'ny fampandrosoana faobe hikatsahana ny hampihenàna ny fàkan'ny fahantrana.
Ny vinan'ny Shawpno Rath dia i Bangladesh afaka amin'ny fahantrana. Niaraka tamin'io vina io no nentin-dry zareo nanomboka ny diany, ary fantany tsara fa mbola lavitr'ezaka ny làlana hodiavin-dry zareo.