Ny 26 sy 27 Mey, tanàn-dehibe maro manerana an'i Brezila no nahitana ny fiodinana faharoan'ny hetsi-panoherana amin'ny fantatra ho SlutWalks [na diaben'ny janga].
Nidina an-dalamben'i Brasilia, São Paulo, Rio de Janeiro, Porto Alegre, Belo Horizonte, Florianópolis, Fortaleza ary Belém – ankoatra ny tanàna maro hafa miantso ny fahafahan'ny vehivavy sy ny zon'ny vehivavy hiakanjo araka izay tiany tsy iharan'ny herisetra na maoraly, ny vehivavy anarivony, sy ny lehilahy mpitia vehivavy, pelaka, sarimbavy eny fa na dia ny mpikambana amin'ny vondron'ny mpitondra bisikileta, mpilalao skate, skinheads, punks ary ny anarsista aza – ho fanoherana ny fankahalana ny homo sy ho fiarovana ny feminisma, na ho fiarovana ny fitoviana.
Manu Baren, avy amin'ny bilaogy Jezebel, maneho hevitra [pt] amin'izay hitany nandritra ny fandrakofana ny Diabe:
[…] no evento encontrei uma proposta sensata, séria e com objetivos claros alertar e protestar contra a violência contra as mulheres. De todo tipo: desde física até sexual e moral. Fui tocada pela coragem de jovens, mães e senhoras que expuseram para uma multidão as suas histórias sobre abusos que, em alguns casos, levaram à morte.
Niainga tany Canada ny Diaben'ny Janga, raha nanao fihetsiketseham-panoherana ny fanambaran'ny manamboninahitra ao amin'ny polisy Michael Sanguinetti noho ny fisiana tranga-na fanaovana an-keriny tao an-tanàna ka nilazany fa tsy tokony hiakanjo tahaka ny janga ny vehivavy raha tsy te-ho voaolana, ny vehivavy an'arivony tao Toronto tamin'ny 3 Avrily 2011.
Hatramin'io fotona io, maro ny hetsi-panoherana nanerana ny tany ahitana vehivavy manao akanjo fohy na mitanjaka tapany aza ka ijoroany fa tsy midika izany ary tsy manome alalana ny hanolanana na anaovana fihoara-pahefana.
Ho fandraisana ohatra ny tamin'ny herintaona, nifantina andian-tsary avy amin'ny fihetsiketsehana isan-karazany tany an-tanàna Breziliana ny Global Voices. Mihoatra ny telo arivo ny isan'ny nanatrika ny fotoana tany Brasilia, renivohitr'i Brezila, mihoatra ny arivo tany São Paulo, ary an-jatony tany an-tanàna maro hafa.
Tao São Paulo nandrakotra lalana 3 kilometatra ny diabe, ka nandalo ny lalana malazan'i Rua Augusta, toera-pihaonan'ny vondron'olona hafa sy toerana ahitana tranon-dopy maro sy trano fampisehoana zavakanto maro.
Lahatsary roa ahitana ny fihetsiketsehana tao São Paulo: ny voalohany avy amin'i Manu Barem sy Thiago Guimarães miaty sombin-kabary teo am-panombohan'ny Diabe sy ny Diabe ary ny hiaka nataon'ny mpanao fihetsiketsehana:
Tao Rio de Janeiro, tao Copacabana no notontosaina ny hetsika ary an-jatony ny nanatrika.
Lahatsay Youtube avy amin'ny mpisera vecosi nandritra ny Diabe tao Rio de Janeiro:
Nidina tao an-dalamben'i Belo Horizonte ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 26 Mey.
Mpisera Youtube raquelpinheirocintra nandrakitra ity lahatsarin'ny Diabe tao Belo Horizonte ity:
Tao Brasília nandalo ny foibem-pahefana Breziliana indrindra ny Diabe.
Maro koa ny sary avy amin'ny Diaben'ny Janga tao Brasilia ao amin'ny momba azy ofisialy ao amin'ny Facebook. nandrakitra andian-dahatsary momba ny Diabe ny mpisera Youtube kyaya1 : ity ny fizarana faha-4.
Vitsy saingy mavitrika kosa no nisy tao Belém tamin'ny 27 Mey.
Misy koa ny sary hafa momba ny Diaben'ny Janga tao Belém hita ao amin'ny momba azy Ofisialy ao amin'ny Facebook sy ny lahatsary avy amin'ny mpisera Youtube Zemafarias.
Nisy hetsi-panoherana ihany koa tany Fortaleza, São Luis ary Vitória.
Mpisera Youtube naainai nandrakitra lahatsary fohy nandritra ny Diabe tao Vitória.
Tao Recife, mihoatra ny 1100 ny olona nidina an-dalambe.
Misy ny sary maro hafa momba ny diabe azo jerena [pt] ao amin'ny Literatura clandestina sy ao amin'ny Vondrona Facebook-n'ny Diabe. Nandrakitra ny lahatsarin'ny Diabe tao Recife ny bilaogera Lúcio Mustafá. Misy sary betsaka kokoa ao amin'ny Flickr amin'ny kaontin'i Leo Cisneiros.
Nisy koa ny diabe tao Florianópolis.
Farany, ny alahady 27 nataon'ny diaben'ny Janga tao Porto Alegre.
Nandrakitra lahatsarin'ny fanambarana novakiana São José dos Campos tao amin'ny faritanin'i São Paulo ny mpisera Youtube ElbaOliveira1 sy mayluka09, tahaka izay nataon'i lalgarra tany Sorocaba izay misy sary azo jerena ao amin'ny vondrona Facebook-n'ny Diabe. Ny Foque Collective nandrakitra lahatsary iray nandritra ny Diabe tao Natal ary i avmandrade nandrakitra ny Diabe tany Salvador.