- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Ny vonomoka [1] feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany.  MAro ireo governemanta [2] no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.

Ny 26 May, ireo mpanara-mason'ny Firenena Mikambana dia tonga [3] tany Houla no niafarany, ary nanamafy fa 108 no maty, 48 tamin'ireo no ankizy. Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety taorian'ny fihaonana maika teo amin'ny filankevi-pilaminanan'ny firenana mikambana, nazava ny hafatra fa “herisetra tsy roa aman-tany” no nampiasain'ny fitondrana tamin'ireo sivily, midika izany fa novonoina an-kitsirano ny ankabeazan'ireo maty raha ny marina.

Aostralia no firenena voalohany indrindra nanambara [4] ny fandroahany ny diplaomaty Siriana iray. Avy eo  ny Filoha Frantsay François Hollande nanambara ny fandroahana ny masoivoho Siriana tao Frantsa, ary i Alemana, Espana, Grande Bretagne, Italia Bolgaria no hanaraka ny dian'ireo, hatramin'i  Etazonia [5] sy Kanada.

[6]

Masoivohon'i Syria, Londona. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Yersinia (CC BY-NC-SA 2.0).

Avy any Paris, ilay mpanao gazety, Ammar Abd Rabbo, no nanamarika hoe :

@AmmarParis [7]: Faly ny sasany satria voaroaka ireo masoivohon'ny   Baas tany amin'ireo firenena Eoropeana… Fa ho faly tena faly aho raha toa izy ireny ka voaroaka hiala an'i ‪#Syria‬ !!!

Issandr El Amrani niteny hoe:

@arabist [8]: Ireny masoivoho Siriana voaroaka hody rehetra ireny dia azo antoka fa mangovingovitra mihitsy misaintsaina izany fodiana izany. Fotoana hisintahan'ny sasany izao!

Shakeeb Al Jabri namaly hoe :

@LeShaque [9]: Tsy afaka hanao izany zareo. Efa nampodiana tamin'ny volana Aogositra ny ankohonan-dry zareo ary atao takalon'aina mba hiantohana ny tsy fivadihany.

Leila any Libanona nilaza hoe :

@LSal92 [10]: Sahiko ny miloka fa ireo firenena rehetra nandroaka masoivoho Siriana ireo dia manana masoivoho Israeliana daholo any aminy.

Amani naneho fomba fijery mitovitovy amin'izay :

@Amani_Lebanon [11]: Andrandraiko ny mba handroahana ireo masoivoho Israeliana avy any amin'ny firenen-tsamihafa any amin'ny hoavy, rehefa manao vonomoka any Gaza ry zareo. Izany mihitsy. ‪#Syria

Karl Sharro monina any Londona dia nibitsika hoe :

@KarlreMarks [12]: Ny fandroahana ireo masoivoho Siriana hiala tany amin'ireo Firenena tandrefana  dia zavatra tsy misy dikany, poakaty, ataon'ireo governenmanta tsy manana politika mazava momba an'i  #Syria

Nivazivazy ihany koa izy:

@KarlreMarks [13]: Dia izao, niditra trano fisotroana ireto masoivoho Siriana telolahy…tsia, tsy izany mantsy e, toerana mpikarakara sidina kay.