- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Kamikazy Nanapoaka Baomba Nandritra Ny Famerenana Matso Nataon'ny Miaramila

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Voina

Olona teo amin’ny 100 teo no namoy ny ainy ary 200 farafahakeliny no naratra nandritra ny fanapoahana baomba nataon'ny kamikazy (olona manao sorona ny tenany) [1] nikendrena  miaramila nanao famerenana matso tao  Sana renivohitr'i Yemen tamin’ny 21 Mey.

Nanapoaka ny baomba tany aminy teo afovoan’ireo miaramila nanao famerenana matso hankalazana ny faha-22 taona  nitambaran’i [2] Yemen Avaratra sy Atsimo ilay kamikazy (nanao sorona ny ainy), izay nitafy fanamiana  miaramila.
Toa nanambara ny Al Qaeda (AQAP [3]) fa tompon’andraikitra [4] tamin’ny fanafihana, ho valifaty amin’i Etazonia [5] ao atsimon’ i Yemen. Na dia izany aza,  maro ireo Yemenita no nisalasala tamin’izany.

Mampiseho ny tohin’ny zava-tranga taorian’ny fipoahana tao amin’ny araben’i Sabaeen ao Sana ity lahatsary [6] manaraka ity [TANDREMO: SOMARY MAHERY VAIKA NY SARY].

Teny an-toerana ilay mpanao gazety Tom Finn:

@tomfinn2 [7]: Tao Sabaeen. Nipitika eny rehetra eny ny polisy, niparitaka eraky ny lalana ny ratsam-batan’izy ireo. Nalefa eny amin’ny hopitaly kosa ireo naratra. ‪#yemen

@tomfinn2 [8]: Mbola mivezivezy ny fiara mpitatitra marary manodidina an’i Sana'a. Nilaza ny mpitsabo fa feno hipoka ny hopitaly. ‪#Yemen

Vaovao farany tao Yemen ny fandefasana sary [9] tena mampihoron-koditra tao amin’ny twitter,  sarin’ireo miaramila sasany maty nandritra ny fipoahana ny sary, Ibrahim Mothana nandefa rohy [10] tao amin’ny Twitter misy ny sary [11].

Farea Al Muslimi, mpianatra sady mpikatroka monina ao Beirut, nilaza hoe:

@almuslimi [12]: Andro mampivarahontsana ao ‪#Yemen ary fotoana fanararaotra ho an’ny filoha [Filoha Abdou Rabbo Mansour] ‪#Hadi izao mba handraisana fepetra henjana haingana amin’ny fametrahana rafitra ho an'ny miaramila indray.

Namoaka didy hitsivolana [13] araka izany ny filoha Hadi taorian’ny fanafihana, nanolo ny tompon’andraikitra ambony  ao amin’ny fiarovana, anisan’izany ny zana-dralahin’ny filoha teo aloha Ali Adullah Saleh.

Mai Saleh nisioka hoe.

@A4Mai [14]: Fadhel AlQawsi no notendrena ho komandy vaovao eo anivon’ny etamazaoron'ny fiarovana araka ny didy hitsivolana noraisan’ny filoha ‪#Hadi ‪#Yemen

Hoy izy nanohy:

@A4Mai [15]: Noesorina ny [zana-drahalahin’I Saleh]? Mety hiatrika loza ve isika manoloana izany didy hitsivolana vaovao izany? ‪#Yemen

[16]

Toerana nisian’ny fanafihana tao Sana'a, ao Yemen, izay nahafatesana miaramila 96 farafahakeliny. Sary avy amin’i Luke Somers, copyright © Demotix (21/5/2012).

Na dia nilaza aza ny loharanom-baovao fa ny Al Qaeda no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana araka ny filazany, maro ny olona mbola miandry ny fahamarinan’izany vaovao izany.

Mpianatra ao Yemen, Gregory D. Johnsen naneho hevitra hoe :

@gregorydjohnsen: [17] Ajanony ny tsaho azafady amin’izao fanafihana nitranga androany izao tao ‪#Yemen. Mino aho fa tsara ny miteny fotsiny hoe: “Tsy fantatro”

Nangataka porofo mivaingana kokoa, Mai Saleh nisioka hoe:

@A4Mai: [18] Te hahita ny fanambaran’ny ‪#AQAP izay nilaza fa izy no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana nitranga tao ‪#Yemen

Nivoaka tao amin’ny pejy Facebook 12 ora mialoha ny fanafihana ny vaovao hisian'ny fipoahana, tao amin'ny pejy Facebook-ny mpanohana an’i-Saleh no efa nilaza ary nanome rohy, izay nisy nanaisotra avy eo.

Nanontany tena ny amin’ny tsy nanamarihana ilay kamikazy i Mohammed:

@Yemen4Change [19]: ‪#Yemen | Toy izao ny teny: niakanjo fanamiana miaramila & nanao fehikibo feno baomba ilay nanao sorona ny ainy, TSY NISY OLONA NAHAMARIKA VE IZANY? ‪#Sanaa

Nanontany toy izao kosa I Farea Al Muslimi:

@almuslimi [20]: Nahoana no tsy nanampy tamin’ny fanomezam-baovao mikasika ny #AQAP ny #Saodita satria fantatra fa baomba natao ho an'i ‪#US ilay baomba? ‪#Fanontanianafotsinyihany ‪#YEMEN

Manoloana ny fitadiavam-baovao sy ireo fanontaniana marobe, nisioka toy izao ny Minisitry ny Zon’olombelona ao Yemen, Hooria Mashhour:

@Hooria_Mashhour [21]: Fanadihadiana mangarahara no tokony atao eo anatrehan’izao heloka bevava manitsakitsaka ny zon’olombelona ao ‪#yemen izao.

Ataf Alwazir, mpitolona Yemenita fanta-daza no sady mpamahana bolongana, namporisika ny olona mba hijery lavitra fa tsy hianona amin’ny vaovao miverimberina fotsiny :

@WomanfromYemen [22]: manàna saina masokatra hatrany & aza raisina ho marina foana izay voalaza. Aza maka tahaka toy ny olona sasany. Manontania & manaova fanadihadiana. Izany no nanomezana saina antsika.

Andro manjombona indrindra tao Sanaa sy Yemen tokoa ny andro nisian’izao fipoahana izao, mbola tsy nisy tahaka izao. Maro ny fanontaniana mipoitra mikasika ny fahombiazan’ny paikady hiadiana amin’ny asa fampihorohorona iarahan'i Etazonia sy Yemen, sy ny hanomezana fitokisana ny filazana [23] fa tsy namokatra ny fanafihana an-habakabaka nataon’i Etazonia fa fihenjanam-pihetsika noho ny resaka lasantsy fotsiny.