- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maoritania: Niteraka adihevitra ny famonoan'ny Al Qaeda

Sokajy: Mediam-bahoaka

Nanohina ny fon'ny vahoaka Maoritaniana maro ny nahita ilay lahatsary tao amin'ny YouTube izay nivoaka [1] [ar] tao amin'ny bilaogin”ilay Maoritaniana antsoina hoe  Al Akhbar tamin'ny faha 12 Mey 12. Hita tao anatin'io lahatsary io ny famotorana nataon'ny Al Qaeda ilay lehilahy teratany Maoritaniana 40 taona. Nanendrikendrika azy ho nanao asa fitsikilovana izy ireo. Novonoina izy avy eo [fa tsy napoitra tao anatin'ilay lahatsary izany] taorian'ny nibabohany fa miara-miasa amin'ny fitsikilovana Maoritaniana izy.

Nanonona anarana mpitarika maro tao amin'ny foloalindahy sy atidoha mpiketrika izay niara-niasa taminy izy, ary nilaza izy fa izy ireo no manara-maso ny asany. Nanambara koa izy fa ny Jeneraly Mohammed Ould Makt, izay talen'ny fikarohana sy ny fanangonana tahirin-kevitra (famotorana any ivelany), no nampiditra azy tamin'io asany io.

Namoaka tatitra amin'ny antsipirihany mikasika ny famonoan'i  Al Qaeda ilay lehilahy teratany Maoritaniana ny bilaogin'i Alegcom , sy ny tantaran'ny asany miaraka amin'ny fitsikilovana Maoritaniana sy ny Al Qaeda. Fanampin'izany , mitaky [2] any fisokafan'ny famotorana mikasika ity raharaha ity ny bilaogy:

مستمرون في تجنيد شبان موريتانيين وتقديمهم قرابين لشيطان الأوهام بشمال مالي… حتي الآن ذبح 9 وهنالك العشرات يدفعون دفعا في اتجاه الموت المحقق مقابل دريهمات زهيدة تدفعهم الفاقة لاقتناصها ويكونون الضحية الأقل حظا فيها ويتم تجاهل أسرهم من بعدهم أويقدم لهم شىء على أنه هدايا وهبات وهولايساوى شعرة فى مفرغ الرأس… ولأن الموضوع حيوي ويتعلق بحياة الناس وبأمن البلاد وبقضايا لا يمكن السكوت عليها فإن التحقيق في ملابساته يكون أضعف الإيمان.
Mbola hampiditra tanora Maoritaniana izahay ary hampanao sorona azy ireo ny tenany amin'ny fiadiana amin'ireo olona ratsy saina ao amin'ny avaratr'i  Mali [ao amin'io toerana io ny Maoritaniana no miady amin'i Al Qaeda [3]]. Hatramin'izao dia sivy no nampijaliana, ary misy eo amin'ny roa ambin'ny folo eo no natosika mankany amin'ny fahafatesana, ho takalon'ny vola kely noho ny fahantrana mihatra amin'izy ireo. Lasa tsy nanam-bintana izy ireo, ary tsy nisy niraharaha ny fianakaviany na koa notolorana fanomezana izay tsy misy lanjany na dia kely aza. Manan-danja ity lohahevitra ity fa mifandray amin'ny fiainan'ny vahoaka sy ny fandriampahalemana eto amintsika, ka tsy tokony hisy zavatra hamavainina mihitsy. Ny hany azontsika atao dia ny manokatra fanadihadiana.

Nanoratra [4] mikasika io trangan-javatra io ny bilaogin'i Al Kaashif :

أم الفضائح اليوم هي قصة ذالك العميل المسكين الذي آمن ذات يوم أن له وطن يفديه بروحه فأرتمى في أحضان الجنرال محمد ولد مكت، الذي أحاله إلى الرائد أحبيبي ولد الدلول، قام العميل بعدة أنشطة في خدمة موريتانيا وقدم عدة معلومات هامة قبل اكتشافه من قبل القاعدة التي صورت فيديو التحقيق معه آخذة تفاصيل الخدمات التي قدمها لبلد دون مقابل الحماية المتوجبة على المسؤولين عنه قبل أن تعمد إلى قتله حسب الأخبار.
Ny trangan-javatra tena niteraka korontana indrindra androany dia ny tantaran'io tovolahy mahonena io izay nino fa nanana firenena mendrika ny hanaovana sorona ny tenany, nanaiky hatrany ny fifehezan'i Jeneraly Mohammed Ould Makt, izay naniraka azy ho any amin'i Mazaoro Ahabibi Ould Al Dalool. Nisahana andraikitra maro io tovolahy io ho fanompoana an'i Maoritania, nampita antontan-taratasy manan-danja talohan'ny nahatratraran'i Al Qaeda azy, izay naka sary sy feo ny famotorana azy, ka nahafantarana ny pitsopitson'ny asa aman'andraikiny rehetra izay nataony ho an'ny firenena kanefa tsy nahazoany ny fiarovan'ireo olona nampiasa azy akory izany, talohan'ny namonoana azy, araka ny hevitr'i Al Akhbar.

Nilaza ny fomba fijeriny i Mohamed Abdo, olona mafana fo iray:

@medabdou [5] الإستخبارات الموريتانية تتلاعب بالعملاء الصغار، ارواحهم على المحك وأجورهم ضئيلة وبعد الوفاة يتنكرون لهم
Milalao ireo tovolahy vao erotrerony ny fitsikilovana Maoritaniana. Zara raha miaina izy ireo, noho ny ny karama kely, ary tsy hisy hiraharaha akory izy ireo aorian'ny fahafatesany.

Hoy izy nanampy izany:

@medabdou [6] قادة الإستخبارات هم من ضمن ألئك الجنرالات أصحاب الكروش الذين لا يفيدون إلا ف “تزواز اللقمة” قوم يحكمون بفكر حجري وعقلية متسلطة ونفسية مريضة

Fanodikodinam-bola sy harena no mba hain'ireo Jeneraly lehiben'ny fitsikilovana ; henjana dia henjana ny famehezana ataon'izy ireo, ary manana toe-tsaina tia mifehifehy izy ireo, ratsy toetra ihany koa.

Nanoratra i Mohamed Ould Jedou, olona mafana fo iray:

@mohdjedou [7] يدعوهم القائد المصاب بالتخمه وهم ينثنون على انفسهم من الجوع ويقول لهم الوطن بحاجتكم يموتون لتكون جماجمهم نياشين تزين صدره. اي ظلم هذا

Miantso ireo tsy manan-kohanina ny mpitondra efa nahazo fahafaham-po ary milaza izy  fa mila azy ireo ny firenena. Mitarika azy ireo any amin'ny fahafatesana izany ka ny karandohan'izy ireo no ampiasainy atao fitaovana fanaingoana ny tratrany. Inona daholo re izany tsy fahamarinana sy tsy rariny izany e?

Nanao tweet lava dia lava mikasika io tranga io indray koa ny mpikatroka Ahmed Ould Abdallah, olona mafana fo iray, hoy izy nanoratra:

@ahmedbah [8] لقد قتلت القاعدة أبنائنا، وجنرالاتنا لاهون مع عاهراتهم، ولياليهم الحمراء
Namono ny zanakay lahy ny Al Qaeda , ary ny  jeneralinay dia mandany ny aliny miaraka amin'ireo mpivarotena

Hoy izy nanampy izany:

@ahmedbah [9] مسكين ذالك العميل، المواطن الذي قتل على الحدود بعد التحقيق معه تحت فوهات البنادق وكشف للقاعدة الحقيقة كلها. ‎‫#عميل‬‏-مسكين
Io olona mahonena io, dia olo-tsotra novonoina tany amin'ny sisintany taorian'ny famotorana azy, nambanana basy izy ka nilaza ny marina rehetra tamin'ny Al Qaeda.

Nanakiana ny Maoritaniana ihany koa i Ahmed Ould Abdallah noho izy ireo niditra tamin'ny ady sy fifandirana ho amin'ny tombontsoan'ilay filoham-pirenena frantsay teo aloha antsoina hoe  Sarkozy:

@ahmedbah [10] ولأن ساركوزي لا يستطيع أن يغامر بأرواح عملائه، تذكر أن له دين عند الجنرال عزيز فقدمه لحرب لا ناقة لنا فيها ولا جمل..!
 Tsy sahy nanao sorona ny ain'ny olony i  Sarkozy. Tadidiny tsara ilay Jeneraly Aziz [filoham-pirenen'i  Maoritania [11]] tezitra mafy taminy, ka niantsy ady izay tsy nisy nidiran'ny Maoritaniana na kely aza.