Global Voices [2], ilay tambazotran'ny filazam-baovaon'olon-tsotra iraisam-pirenena anaty aterineto , dia hanantanteraka ny Vovonamben'ny filazam-baovaon'olon-tsotra Global Voices 2012 [3] ao Nairobi ny 2-3 Jolay 2012. Bilaogera, mpahay teknolojia ary mafana fo maro avy amin'ny firenena maherin'ny 60 no handray anjara amin'izany, izay hatao ao PrideInn Raphta Road ao Westlands.
Global Voices dia manome fahafahana hanatrika izany maimaim-poana ho anà bilaogera enina avy ao Kenya. Mba hahafahanao mandray anjara amin'izany fifaninanana izany, ary ho isan'ny iray amin'ireo enina ireo, dia manorata lahatsoratra anaty bilaogy ahitàna voambolana 500 na latsaka kely mikasika ity lohahevitra ity “Ahoana no ahafahan'ny filazam-baovaon'olon-tsotra manampy mba hiantohana fifidianana milamina ao Kenya ny taona 2012-13″, ary alefaso mailaka any amin'ito rohy ito georgiap@globalvoicesonline [4] .org, ary “Fifaninanana Miblaogy Fivoriambe GV 2012″ no atao eo amin'ny antony .
Ny faran'ny fandraisana anjara dia ny 11 jona, 2012. Izany dia ho tsarain'ireo avy ao amin'ny Global Voices.
Tsy andrinay izay hamakiana ny lahatsoratrareo!