27 Mey 2012

Tantara tamin'ny 27 Mey 2012

Aostralia: Fitarainana Hafahafa Avy Amin'ny Mpitrandraka Harena An-kibon'ny Tany Momba Ny Tsikombakomban'ny CIA – Resaka Arintany

Tamin'ny fomba "hafahafa" mitroatroatra no nahatafiditra an'i Clive Palmer, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ho ao anatin'ny laharan'ireo mpisaina ny firaisana tsikombakomban'ny CIA tamin'ity herinandro ity nandritry ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana tao amin'ny fanjakan'i Queensland. Nifaly aok'izany ireo bilaogera Aostraliana tamin'ny fiampangàny ny famatsian'ny CIA vola ny kandidàn'ny Green sy ny fikambanana toy ny Greenpeace.

27 Mey 2012

Ireo Bilaogera Kenyana, Maniry Ny Handray Anjara Maimaim-poana Amin'ilay Vovonamben'ny Filazam-baovaon'olon-tsotra Global Voices?

Global Voices dia manome fahafahana hanatrika izany maimaim-poana ho anà bilaogera enina ao Kenya. Mba hahafahanao mandray anjara amin'izany fifaninanana izany, ary ho isan'ny iray amin'ireo enina ireo, dia manorata lahatsoratra anaty bilaogy ahitàna voambolana 500 na latsaka kely mikasika ity lohahevitra ity "Ahoana no ahafahan'ny filazam-baovaon'olon-tsotra manampy mba hiantohana fifidianana milamina ao Kenya ny taona 2012-13"

27 Mey 2012