- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Finlandy, Rosia, Soeda, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet

Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , sy nirehareha taminà fananana All-Star ahitàna an'i Evgeni Malkin [1], Pavel Datsyuk, Alexander Semin, ary  Alexander Ovechkin [2] ,  hiatrika an'i Norvezy ny  ekipam-pirenen'i  Rosia amin'ny ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin'ny  Hockey ambony ranomandry, ny 17 May (Fanamarihana: 17 May = andro nivoahan'ity lahatsoratra ity tamin'ny teny Anglisy).

Ilay  Fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin'ny  Hockey ambony ranomandry 2012 [3] dia natao tao Stockholm sy ao Helsinki. Ireo tanàna roa ireo moa dia efa samy nandray ny lalao fifaninanana nandritra ny  fihodinana voalohany [4], izay nahitana mpifaninana valo niady ho amin'ny toerana efatra alohan'ny fifanitsanana amin'ny ampahefa-dalana . Ny ekipan'i Helsinki dia ahitana an'i : Belarosia, Kanada, Finland, Frantsa, Kazakhstan, Slovakia, Soisa, ary Etazonia, raha toa ny an'i  Stockholm ka : ny Repoblikan'i Tcheque , Denemarka, Alemana, Italia, Latvia, Norvezy,Rosia , ary Soeda.

Rosia no nanomboka ny fifaninanana ny Asabotsy 5 May , ary nandresy tamin'ny isa  5-2  nanoloana an'i  Latvia, talohan'ny nandreseny an'i Norvezy   4-2 ny Alahady , Alemana 2-0 ny Talata, ary i  Denemarka 3-1 ny Alakamisy .

Ny hafaliam-pon'i Rosia tamin'ny fandresena an'i Suede  7-3

Ny Zoma 11  May teo, Dmitry Mikhaylov dia nanambara   [5] ny fandresen'ny Ekipa Rosiana ny firenena mpampiantrano tao amin'ny bilaoginy tamin'ny fiteny roa samy hafa.

STOCKHOLM – Ao anatinà  lalao avo lenta tanteraka, anio rahalina dia hihaona i Rosia sy Suede  ao amin'ny  Globe Arena  ao anatinà fihetseham-po mafana  ifanatrehana mpilalao kalaza roa samy tsy mbola resy amin'ny 2012 IIHF (Ice Hockey World Championship). Niala tamin'ny 3-1, Rosia nahazo isa enina tsy voavaly ka nahazoany ny fandresena  7-3.

Ho valin'izany fietanam-po lehibe nandresen'i Rosia izany, niakatra be avy hatrany ny fandrakofan'ny filazam-baovao mahazatra sy ny filazam-baovaon'olon-tsotra teny anivon'ny aterineto Rosiana ilay lalao fifanintsanana.

Ny fahitan'ireo bilaogera ny fandresen'i Rosia ny Repoblika tcheque 2-0

Planet's Sporting World dia niresaka [6][ru] hoe ny Repoblika tcheque no nifehy tanteraka ilay lalao saingy tsy nitoko akory, na dia i Rosia aza no nahatafiditra baolina raha vao  24 segondra nilalaovana monja. Ilay mpilalaon'ny NHL Pittsburgh Penguins Evgeni Malkin [1] no nahatafiditra baolina ho an'i Rosia tamin'ny fidirana fahatelo, talohan'ny nahazahoany sy ny namany roa  penality — Pavel Datsyuk sy Milan Mikhalek -.

Toy ny mitranga matetika rehefa mirotsaka an-tsehatra ny filazam-baovao mahazatra, maro be ireo bilaogera Rosiana no mitanisa ny fanadihadiany , ho toy ny fomba hizaràna fandalinan'olo-malaza. Ny Ruslan's News dia namerina nampakatra  [7] [ru] tenin'i Evgeni Malkin, nalaina tao amin'ny  lahatsoratra [8]Vesti  :

Тяжело всё выполнить. Но, конечно, здорово сыграли. И в обороне пять минут выстояли в третьем периоде. Это, наверное, дало всплеск эмоций, и после этого мы забили быстрый гол.

Sarotra ny manantanteraka ny zavatra rehetra. Kanefa, mazava  ho azy fa nahavita nilalao tsara isika. Ary ny mpiarontsika  aza nivoaka nandritra ny dimy minitra tao anatin'ny fidirana fahatelo . Izany dia mazava ho azy fa mety nahatonga  fietanam-po maro be  ary ny niafarany dia nalaky nahatafiditra baolina ihany isika .

Niely ny vaovao  mikasika ny Fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin

Mitovy amin'izay, ny vaovao momba ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy  Alexander Semin avy amin'ny NHL, taorian'ny faharesen'ny Washington Capitals’ 2-1  [9] nanoloana ny  New York Rangers, dia niely haingana be tao amin'ny filazam-baovao mahazatra sy ny filazam-baovaon'olon-tsotra . (ny Pittsburgh Penguins [10] nisy an'i Evgeni Malkin sy  ny Detriot Red Wings [11] nisy an'i Pavel Datsyuk dia nihintsana tany am-piandohan'ny fifaninanana, tamin'ny fihodinana fifanintsanana tamin'ny  Stanley Cup.)

Alexander Semin no nahatafiditra baolina voalohany tamin'ilay lalao famaranana fiadiana ny Tompondaka eran-tany amin'ny Hockey, 18 May 2008, sary an'i Alexey Chernyadyev, CC BY-SA 3.0; Wikimedia Commons.

Ny maro amin'ny bilaogera dia namaritra ilay tantara ho toy nyfandrasana makotroka an'i Ovechkin sy Semi, raha toa ka ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter dia naneho ny fifankahazaran-dry zareo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra, toy ny  Sport.rbc [12] sy ny  Lenta.ru [13].

Lisbeth Armel: [14]

Прочитала, что овечкин любит хип-хоп и r'n'b. представила. 5 минут сидела с фейспалмом.

Novakiko fa  mankafy  Hip Hop sy R&B i Ovechkin . Nipetraka aho ary nieritreritra an'izany. Nandritra ny dimy minitra nivoara-mena [15]aho.

Sanya Belovka: [16]

Овечкина и Семина Ждем с нетерпением….В россии….2-1 Вашингтон домои)!!!А Овечкин В ШВЕЦИЮ!!!!

Niandry tamin'ahiahy an'i Ovechkin sy Semin….[ho tonga] ao Rosia  [indray] izahay…..[Resy izy] 2-1 tany Washington, ary ankehitriny rasina makotrokotroka ny fodiany an-tanindrazana.) !!! Kanefa [miova izany] Ovechkin dia mitodidoha ho any Soeda!!!!

Ilgiz Taipov: [17]

Приезд Овечкина и Семина по разному комментируют, кто то вспоминает его прошлогоднюю игру за сборную, и пишут типа зачем он нужен и т.п.. Надо уметь использовать потенциал этого игрока, а мы то знаем что он может играть, что потенциал у него огромный. Семин тоже хороший игрок, то что с Вашингтонгом Кэпиталз случилось это чисто тренерский просчет.

Nilaza zavatra be dia be isan-karazany  ny olona mikasika ny  fahatongavan'i  Ovechkin sy  Semin.  Ny sasany  mahatsiaro ny fomba filalao [mahonena] nataony [Ovechkin] tao anaty ekipa nasionalin'i Rosia tamin'ny taona lasa, ary manontany tena hoe nahoana isika no mila azy, sy ny sisa sy ny sisa.  Tokony hahavita hampiasa ny fahaizan'io mpilalao io isika , ary fantantsika  fa afaka ny hilalao izy — fa  satria manana fahaizana lehibe .  Semin koa dia mpilalao ngeza lahy, fa izay nitranga niaraka tamin'ny Washington Capitals dia olan'ny  mpanazatra.