Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , sy nirehareha taminà fananana All-Star ahitàna an'i Evgeni Malkin, Pavel Datsyuk, Alexander Semin, ary Alexander Ovechkin , hiatrika an'i Norvezy ny ekipam-pirenen'i Rosia amin'ny ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin'ny Hockey ambony ranomandry, ny 17 May (Fanamarihana: 17 May = andro nivoahan'ity lahatsoratra ity tamin'ny teny Anglisy).
Ilay Fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin'ny Hockey ambony ranomandry 2012 dia natao tao Stockholm sy ao Helsinki. Ireo tanàna roa ireo moa dia efa samy nandray ny lalao fifaninanana nandritra ny fihodinana voalohany , izay nahitana mpifaninana valo niady ho amin'ny toerana efatra alohan'ny fifanitsanana amin'ny ampahefa-dalana . Ny ekipan'i Helsinki dia ahitana an'i : Belarosia, Kanada, Finland, Frantsa, Kazakhstan, Slovakia, Soisa, ary Etazonia, raha toa ny an'i Stockholm ka : ny Repoblikan'i Tcheque , Denemarka, Alemana, Italia, Latvia, Norvezy,Rosia , ary Soeda.
Rosia no nanomboka ny fifaninanana ny Asabotsy 5 May , ary nandresy tamin'ny isa 5-2 nanoloana an'i Latvia, talohan'ny nandreseny an'i Norvezy 4-2 ny Alahady , Alemana 2-0 ny Talata, ary i Denemarka 3-1 ny Alakamisy .
Ny hafaliam-pon'i Rosia tamin'ny fandresena an'i Suede 7-3
Ny Zoma 11 May teo, Dmitry Mikhaylov dia nanambara ny fandresen'ny Ekipa Rosiana ny firenena mpampiantrano tao amin'ny bilaoginy tamin'ny fiteny roa samy hafa.
STOCKHOLM – Ao anatinà lalao avo lenta tanteraka, anio rahalina dia hihaona i Rosia sy Suede ao amin'ny Globe Arena ao anatinà fihetseham-po mafana ifanatrehana mpilalao kalaza roa samy tsy mbola resy amin'ny 2012 IIHF (Ice Hockey World Championship). Niala tamin'ny 3-1, Rosia nahazo isa enina tsy voavaly ka nahazoany ny fandresena 7-3.
Ho valin'izany fietanam-po lehibe nandresen'i Rosia izany, niakatra be avy hatrany ny fandrakofan'ny filazam-baovao mahazatra sy ny filazam-baovaon'olon-tsotra teny anivon'ny aterineto Rosiana ilay lalao fifanintsanana.
Ny fahitan'ireo bilaogera ny fandresen'i Rosia ny Repoblika tcheque 2-0
Planet's Sporting World dia niresaka[ru] hoe ny Repoblika tcheque no nifehy tanteraka ilay lalao saingy tsy nitoko akory, na dia i Rosia aza no nahatafiditra baolina raha vao 24 segondra nilalaovana monja. Ilay mpilalaon'ny NHL Pittsburgh Penguins Evgeni Malkin no nahatafiditra baolina ho an'i Rosia tamin'ny fidirana fahatelo, talohan'ny nahazahoany sy ny namany roa penality — Pavel Datsyuk sy Milan Mikhalek -.
Toy ny mitranga matetika rehefa mirotsaka an-tsehatra ny filazam-baovao mahazatra, maro be ireo bilaogera Rosiana no mitanisa ny fanadihadiany , ho toy ny fomba hizaràna fandalinan'olo-malaza. Ny Ruslan's News dia namerina nampakatra [ru] tenin'i Evgeni Malkin, nalaina tao amin'ny lahatsoratra Vesti :
Тяжело всё выполнить. Но, конечно, здорово сыграли. И в обороне пять минут выстояли в третьем периоде. Это, наверное, дало всплеск эмоций, и после этого мы забили быстрый гол.
Niely ny vaovao mikasika ny Fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin
Mitovy amin'izay, ny vaovao momba ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin avy amin'ny NHL, taorian'ny faharesen'ny Washington Capitals’ 2-1 nanoloana ny New York Rangers, dia niely haingana be tao amin'ny filazam-baovao mahazatra sy ny filazam-baovaon'olon-tsotra . (ny Pittsburgh Penguins nisy an'i Evgeni Malkin sy ny Detriot Red Wings nisy an'i Pavel Datsyuk dia nihintsana tany am-piandohan'ny fifaninanana, tamin'ny fihodinana fifanintsanana tamin'ny Stanley Cup.)

Alexander Semin no nahatafiditra baolina voalohany tamin'ilay lalao famaranana fiadiana ny Tompondaka eran-tany amin'ny Hockey, 18 May 2008, sary an'i Alexey Chernyadyev, CC BY-SA 3.0; Wikimedia Commons.
Ny maro amin'ny bilaogera dia namaritra ilay tantara ho toy nyfandrasana makotroka an'i Ovechkin sy Semi, raha toa ka ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter dia naneho ny fifankahazaran-dry zareo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra, toy ny Sport.rbc sy ny Lenta.ru.
Прочитала, что овечкин любит хип-хоп и r'n'b. представила. 5 минут сидела с фейспалмом.
Овечкина и Семина Ждем с нетерпением….В россии….2-1 Вашингтон домои)!!!А Овечкин В ШВЕЦИЮ!!!!
Приезд Овечкина и Семина по разному комментируют, кто то вспоминает его прошлогоднюю игру за сборную, и пишут типа зачем он нужен и т.п.. Надо уметь использовать потенциал этого игрока, а мы то знаем что он может играть, что потенциал у него огромный. Семин тоже хороший игрок, то что с Вашингтонгом Кэпиталз случилось это чисто тренерский просчет.