Bolivia: Atrikasa Web 2.0 Ho An’ny Mpampianatra Aymara

Andiana atrikasa Web 2.0 no notontosaina tao amin’ny departemantan’i Oruro ao Bolivia tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2012. Nokarakarain’ny Minisitireran'ny Fampianarana sy ny tetikasa Jaqi Aru izany atrikasa izany. Tetikasa izay ahitana vondrona mpandalina teny ao an-tanànan’i El Alto, Bolivia. Nampiroborobo ny fampiasana ny teny Aymara tamin’ny aterineto ity vondrona ity. Maro tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Global Voices Aymara  ihany koa no ao anatin’ny Jaqi Aru. Mpampianatra momba ny fampianarana avy ao  amin’ny Sekoly Ambony  Mpampiofana Mpampianatra (ESFM ny fanafohezan-teny amin’ny  espaniola) no nandray anjara tamin’ny atrikasa. Ny hanampy ireo mpampianatra sy ny mpianany hahay hamorona votoaty amin’ny teny Aymara ao amin’ny aterineto no tanjon’ny atrikasa.

Araka ny fandaharan’asa napetraka, toy izao manaraka izao ny fotoana nandritra ny atrikasa:

Tamin’ny Alakamisy 3 Mey, nanomboka tamin’ny 9:30 ny atrikasa tao amin’ny efitrano fanaovana konferansa, izay nosokafan’ny Jaqi Aru tamin’ny fampahafantarana fohifohy.

Taorian’izany fampahafantarana izany, nilazalaza momba ny Web 2.0 sy ny Wikipedia i Mario Duran Chuquimia. Nandritra ny atoandro, nisy ny atrikasa fampiharana  natao tao amin’ny efitrano misy ny solosaina, ka nampiasa solosaina iray avy misy aterineto ireo mpampianatra tamin’izany;

Nikarakara atrikasa momba ny tranokala tambazotra sosialy kosa i Martin Canaviri, izay nifantoka tanteraka tamin’ny fampiasana ny Facebook, Ruben Hilare kosa nizara ny traikefany amin’ny fampiasana Twitter. Farany, Victor Paco Montevilla  nampahafantatra momba ny fampiasana sary sy ny famoahana izany amin’ny tranonkala Flickr.

.

Sary avy amin'i Mario R. Duran, nampiasaina tamin'ny Creative Commons license

Nanazava momba ny famahanam-bolongana amin’ny WordPress kosa i Elias Quispe tamin’ny Zoma 4 Mey, Nampahafantatra ny Skype tamin’ireo mpandray anjara kosa i Edwin Quispe. Navoakan’I Hilare tao amin’ny Wikipedia Aymara avy eo ny fandehan’ny atrikasa.

Nofaranana tao amin’ny efitrano fivoriana ny atrikasa izay nanaovana  tombatombana fohy, ka nisaotra ireo mpikambana ao amin’ny Jaqi Aru sy ny Minisiteran'ny ny Fampianarana ireo mpampianatra tamin’ny fikarakarana ny atrikasa sy tamin’ny fiofanana nomena. Maro ireo mpandray anjara no nilaza fa vonona tanteraka izy ireo hamorona votoaty amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia.

Nilaza toy izao ilay mpampianatra René Chura Quispe avy ao amin’ny sekoly ESFM Mariscal Andrés de Santa Cruz Calahumana, ao amin’ny  departemantan’i La Paz:

…los conocimientos tecnológicos debemos experimentar, las herramientas son muy importantes…

…Tokony hahay sy hahafehy ny teknolojia isika, zava-dehibe ny fahaizana mampiasa ireo fitaovana amin’izany…

Antonio José de Sucre, mpampianatra ao amin’ny ESFM Antonio José de Sucre, nanamarika hoe:

Un trabajo conjunto esa motivación hacia nuestros estudiantes, es poder hacer el uso de plataforma; no solamente en idioma Aymara, sino también en idioma castellano.

Ny asa arahina fahavononana toy izany eo anatrehan’ny mpianatsika no hanampy antsika amin’ny fampiasana ity sehatra fifampitam-baovaon'’olo-tsotra ity; tsy amin’ny teny Aymara ihany, fa amin’ny teny espaniola ihany koa.

Cristina avy ao amin’ny ESFM Caracollo ao amin’ny Faritanin’i Oruro nilaza hoe:

…que no sea este único taller sino que haya más talleres sobre el manejo de herramientas digitales; difundamos nuestra idioma Aymara en Internet como idioma Ingles.

…Antenaina fa mbola hisy ny atrikasa amin’ny manaraka, tsara raha mbola mikasika bebe kokoa  ny fampiasana ny fitaovana nomerika izany; andeha hapariaka ny tenintsika Aymara tahaka ny teny Anglisy mipariaka ao amin’ny Aterineto.

Nanambara ireo mpampianatra fa misy ny andraikitra tokony horaisina arak’izany ary tokony hanapariaka votoatim-baovao amin’izany sehatra virtoaly izany isika, izay nianarana nandritra ny atrikasa.

Jaqi Aru namoaka lahatsoratra bilaogy [amin’ny teny aymara] mikasika ny atrikasa, namoaka ity lahatsary manaraka nandritra ny atrikasa ity ihany koa izy ireo tao anatin’ny bilaogy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.