Lahatsary: Fahafahana Manangana Mandritra Ny Fanazarana Manao Media Ao Amin'ny Rising Voices

Nanatontosa ny atrikasa fandraisam-peo ny tetikasa Karen Border News eo amin'ny sisintany manelanelana an'i Myanmar sy i Thailandy, vatsian'ny Rising Voices. Ao amin'ity lahatsary fohy ity, miresaka momba ny zavatra iainany ny mpianatra manao gazety amin'ny radio.

Ao amin'ny lahatsoratra (tsanganana) bilaogy iray:

Nandritra ity fanazarana andiany voalohany fizàrana ity, efatra ny lohahevitra nifantohana: vaovao soratana, fandraisam-peo sy fikirakirana (fanitsiana na fanamboarana) ary ny fandefasana (fampielezana). Mampientanetana tokoa ny mahita ny mpianatra manabe voho ny fahaizany sy mianatra manontolo ny fomba filaza ny tantarany. Raha ny ekipan'ny fampitambaovaon'ny KSNG no misahana ny ankamaroan'ny fanazarana, nisy ihany koa ny manampahaizana manokana nasainay: Aung Nai, izay miasa ao amin'ny Internews sy i Jack Chance, za-draharaha amin'ny famokaram-pandaharana sady mpanofana momba ny fampitam-baovao. Ankoatra ny atrikasa, nizara fitaovam-pampitam-baovao vitsivitsy ihany koa izahay, izay ahitana solosaina finday [notebooks], boky torolalana momba ny media, ary fandraketam-peo.

Tao amin'ny tsanganana efa navoaka taloha, manazava ny halehiben'ny ezaka ataony amin'ny fifampidinihana hampitsaharana ny ady eo amin'ny governemantan'i Myanmar sy ny Vondro-Pirenena Karen ny bilaogim-baovao Karen Border News:

Mandray ny fifanarahana ampitsaharana ny ady amam-pahamailoana ny ankamaroan'ny Karen, saingy ny tena mampanahy dia ny fiantraikan'ny fampihavanana eo amin'ny vahoaka Karen, indrindra fa maro aminay no miaina ivelan'ny tanindrazana fonenanat ao amin'ny Fanjakana Karen

Rising Voices dia firotsahana an-tsehatra ataon'ny Global Voices, mikendry ny hitondra feo vaovao avy amin'ny vondro-piarahamonina vaovao sy fiteny vaovao hananika ny resaka manerantany eto amin'ny tranonkala, atao amin'ny alalan'ny fanomezana loharanombaovao sy ny famatsiana ireo vondrona mifanerasera amin'ny vondro-piarahamonina tsy manana na tsy ampy solontena hiresadresaka izany.Iray amin'ny mahazo vatsy amin'ny Rising Voices amin'ity taona 2012 ity ny Karen Border News.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.