- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: “Misaotra” Ny Fanjakana Ny Jordaniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

Mampiasa ilay tenifototra #شكرا [1], na “misaotra anao”, ireo Jordaniana mpampiasa Twitter mba hitorahana bitsika maneso momba ny nataon'ny fanjakana Jordaniana ho an'ny firenena.

Fihetsehana amin'ny filonan'ny dingana fanovàna efa an-dàlana any Jordania ireo bitsika ireo.

Raha nahalala ny Mpanjaka Abdullah fa nilaina ny fanovàna tany Jordania, voatsikera [2] izy ho tsy mametraka fandaharan'asa amin'ny fampidirana ireo governemanta mifototra amin'ny maro an'isa ao amin'ny parlemanta. Vao haingana izay no nanendry governemanta iray vaovao [3] izy, nefa toa mpitahiry ny nentin-drazana loatra no nijerena izany ary nitaraina ny amin'ny “tsy fahasahiany” mampiditra fanovàna tena izy ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta.

[4]

Tonga nanatrika ny lanonana fianianan'ireo 30 mpikambana ao amin'ny Kabinetra ny Mpanjakan'i Jordania Abdullah II, tany amin'ny Lapan'i Amman, Jordania. Sary an'i Nader Daoud, copyright @ Demotix (2/5/2012).

 

Nanomboka ilay tenifotra i Mahmoud Homsi raha nitoraka bitsika hoe:

@Mahmoudhomsi: [5] #شكرا‬‏ على الاستقلال الاقتصادي
Misaotra anao noho ny fahaleovantena ara-toekarena

Nanampy i Monther Hassouneh:

@mhassouneh: [6]#شكرا‬‏ على محاربة الفقر
Misaotra anao miady amin'ny fahantrana

Nanoratra i Nabil Barqawi:

@Bani_2adam: [7]#شكرا‬‏ على بيع كل ما يمكن بيعه
Misaotra anao mivarotra izay rehetra azo  amidy

Nitoraka bitsika i Hadeel Maaitah:

@girl_brainy: [8]‫#شكرا‬‏ على إختصار وجودنا بلقمة العيش
Misaotra anao mampietry ny fari-piainanay amin'ny [fikarohana] mofo hohanina

Nilaza i Saif Abuhazeem:

@Saif_Abuhazeem: [9]#شكرا‬‏ لالي حكا ماضون بالاصلاح وبعدنا ما شفنا اشي
Misaotra an'ireo izay niteny fa “Mandroso miaraka amin'ireo fanovàna isika”, raha tsy nahita na inona na inona akory izahay

Nanoratra i Mohammad Ziad:

@mohaziad: [10]#شكرا‬‏ لجهاز الدرك العام على جهوده في قمع المطالبين بالإصلاح
Misaotra anao noho ny fisian'ny mpitandro filaminana izay mamoritra ireo mangataka fanovàna

Nilaza i Anas Elayyan:

@AnasElayyan [11] ‫#شكرا‬‏ لمجلس النواب انهم بدهم رواتب مدى الحياة و الناس ما معها تآكل
Misaotra ny parlemanta izay ireo mpikambana ao dia mitaky ny karama ho mandra-maty raha tsy misy atokona kosa ny vahoaka