Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jordania: “Misaotra” Ny Fanjakana Ny Jordaniana

Mampiasa ilay tenifototra #شكرا, na “misaotra anao”, ireo Jordaniana mpampiasa Twitter mba hitorahana bitsika maneso momba ny nataon'ny fanjakana Jordaniana ho an'ny firenena.

Fihetsehana amin'ny filonan'ny dingana fanovàna efa an-dàlana any Jordania ireo bitsika ireo.

Raha nahalala ny Mpanjaka Abdullah fa nilaina ny fanovàna tany Jordania, voatsikera izy ho tsy mametraka fandaharan'asa amin'ny fampidirana ireo governemanta mifototra amin'ny maro an'isa ao amin'ny parlemanta. Vao haingana izay no nanendry governemanta iray vaovao izy, nefa toa mpitahiry ny nentin-drazana loatra no nijerena izany ary nitaraina ny amin'ny “tsy fahasahiany” mampiditra fanovàna tena izy ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta.

Tonga nanatrika ny lanonana fianianan'ireo 30 mpikambana ao amin'ny Kabinetra ny Mpanjakan'i Jordania Abdullah II, tany amin'ny Lapan'i Amman, Jordania. Sary an'i Nader Daoud, copyright @ Demotix (2/5/2012).

 

Nanomboka ilay tenifotra i Mahmoud Homsi raha nitoraka bitsika hoe:

@Mahmoudhomsi: #شكرا‬‏ على الاستقلال الاقتصادي
Misaotra anao noho ny fahaleovantena ara-toekarena

Nanampy i Monther Hassouneh:

@mhassouneh:#شكرا‬‏ على محاربة الفقر
Misaotra anao miady amin'ny fahantrana

Nanoratra i Nabil Barqawi:

@Bani_2adam:#شكرا‬‏ على بيع كل ما يمكن بيعه
Misaotra anao mivarotra izay rehetra azo  amidy

Nitoraka bitsika i Hadeel Maaitah:

@girl_brainy:‫#شكرا‬‏ على إختصار وجودنا بلقمة العيش
Misaotra anao mampietry ny fari-piainanay amin'ny [fikarohana] mofo hohanina

Nilaza i Saif Abuhazeem:

@Saif_Abuhazeem:#شكرا‬‏ لالي حكا ماضون بالاصلاح وبعدنا ما شفنا اشي
Misaotra an'ireo izay niteny fa “Mandroso miaraka amin'ireo fanovàna isika”, raha tsy nahita na inona na inona akory izahay

Nanoratra i Mohammad Ziad:

@mohaziad:#شكرا‬‏ لجهاز الدرك العام على جهوده في قمع المطالبين بالإصلاح
Misaotra anao noho ny fisian'ny mpitandro filaminana izay mamoritra ireo mangataka fanovàna

Nilaza i Anas Elayyan:

@AnasElayyan ‫#شكرا‬‏ لمجلس النواب انهم بدهم رواتب مدى الحياة و الناس ما معها تآكل
Misaotra ny parlemanta izay ireo mpikambana ao dia mitaky ny karama ho mandra-maty raha tsy misy atokona kosa ny vahoaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.