- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Misokatra Ny Latsabato Ho An'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Bonaire, Iràka, Kanadà, Orogoay, Fahasalamàna, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Ny Adobe Youth Voices Aspire Awards [1] dia fifaninanana hampisehoana ny asan'ny Fikambanana Adobe miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika manerana izao tontolo izao. Mampahery ny tanora any am-pianarana na ivelan'ny fandaharam-pianarana amin'izay ahafahan'izy ireo mampiasa ny fitaovana “multimedia” hanehoan'izy ireo ny heviny manokana, hanehoany ny talentany, hizaran'izy ireo ny heviny ary hitarihan'izy ireo ny fiovàna any anatin'ny vondrom-piarahamoniny avy

Hatreto dia mahery ny 750 ireo tranonkala ao anatin'ny tambajotra eran-tanin'ny Adobe Youth Voices ary ahitàna mpahazo tombontsoa sy fikambanana tsy mitsaha-mitombo manerana ireo firenena 50. Hatramin'ny niantombohany, nampiasa tanora mihoatra ny 150.000 sy mpampianatra 8.200 tanatin'ireo sekoly sy ivelan'ny fandaharam-pianarana.

Hita sy afaka fidiana amin'ny alalan'ny fizarana azy ireo ao anatin'ireo tambajotra sosialy aty anaty aterineto, toy ny facebook sy twitter ireo vokatra 160 tafakatra amin'ny dingana famaranana [2]. Samy manana maripankasitrahana avokoa ny sokajy rehetra, tahaka ny fanadihadiana, rakikira an-tsary, tononkalo, rakipeo, ny fanomezana endrika (graphic design), fitantaràna, sarimiaina sy saripika, izay isaina ho vato iray ny Zarao, Bitsiho, Averina bitsihana sy ny Tia. Hikatona ny 8 Jona 2012 ny latsabato.

http://www.youtube.com/watch?v=QbnAXzLMaoU [3]

Ohatra, ity lahatsary fanadihadiana [4] nataon'i Stella, 18 taona mipetraka any Orogoay ity, mizara ny zavatra iainany miaraka amin'ny rahavaviny izay manana ny soritr'aretin'ny Down, manaitra ny saina momba ny dikan'ny fitondrana izany aretina izany eo amin'ny fiainan'izy ireo.

Finding Home [5] dia tantara avy amin'ilay Irakiana Mair Maher, mitantara ny tantaran'ny fifindra-monin'ny fianakaviany noho ny herisetra sy ny ady, miaraka amina fiatoatoana maro nanerana izao tontolo izao talohan'ny nahitan'izy ireo fonenana vaovao tany Kanadà.

Mizara sarimiaina iray mikasika ny fiatombohan'ny fiovàna amin'ny fanovàn'ny olona ny tenany i  Jeanvier Janga [6] avy any Bonaire

Adobe Youth Aspire Awards [2]

Ilay Adobe Youth Aspire Awars