Arzantina: Manova Ny Manodidina Amin'ny Alalan'ny “Hangara” Ara-Kolontsaina

Eo an-dalam-panovana ny manodidina azy amin'ny alalan'ny kolontsaina, zavakanto ary ny fitaovana fampitan'olo-tsotra vaovao ny “Hangara”n-kolontsaina Piedrabuenarte miorina amin'ny tanàna manamorona an'i Buenos Aires, Arzantina. Trano malalaka fitehirizan'entana fandravahana amin'ny tantara tsangana [teatra] sy loko tsy ilaina intsony ity novain'ny mpanakanto ao amin'ny fokonolona ity ho ivontoeran'ny zavakanto. Ao amin'ny  fantsona YouTube no iresadresahan-dry zareo momba azy ity.

Eddie Avila, ao amin'ny lahatsoratra Rising Voices tamin'ny 2011, no nanamarika toy izao nialoha ny fitafatafana tamin'ny mpanorina:

Misy ny drafitra hiarahana miasa akaiky amin'ny tanora manodidina, amin'ny fomba ahafahan-dry zareo mampiasa ny fakantsary ao amin'ny findainy sy ny fanomezana anjara biriky amin'ny fampiroboroboana ny fantsona YouTube. Hampisokatra sehatra [faravodilanitra?] hafa vaovao amin'ireo faritra manodidina an'i Piedrabuena izany. Ao amin'ity lahatsary manaraka ity no iresadresahan'ny mpikambana mpanorina 2 ny hangara, Juan “Pepi” Garachico sy Lucian Garramuño, ny dikan'ny Hangara eo amin'ny mponina sy ny fomba fampiasan-dry zareo ny fitaovana fampitam-baovao hiresadresahana ny tantaran'i Piedrabuena.

Ka inona ny efa nataony? ao amin'ny fantsona YouTube, Piedrabuenartv no ahitantsika ny ranty ara-javakanto fanao isan'andro ao amin'ny Hangaran-kolontsaina sy ny fahafaha-mamoaka talenta ho an'ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny lahatsary. Ny lahatsary manaraka mampiseho ny fiovan'ilay tokotany malalaka tsy misy na inona na inona ho lasa tanànan-kolontsaina, izay fonenanana vaovaon'ny fitaovam-pilalaovana, sy andalam-pananganana ny toerana fanaovana tantara tsangana ankalamanjana, ary hodidinina trano avo onenan'ny fokonolona izany rehetra izany.

Fizarana hafa manasongadina ny zavatra antenain'ny manodidina momba ity fiovàna ara-kolontsaina ity, na tahaka ity iray ity, jery tamberina fony vao nanala ny biriky nandrindrina ny varavarankely ry zareo telopolo taona taorian'ny nanakatonana azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.