- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Ahiahy Ny Tolo-kevitra Hananganana Fiombonamben'ireo Firenena Arabo Ao Amin'ny Golfa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Katara, Koety, Oman, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Nifanakalo hevitra ireo governemanta ao amin'ny Golfa ny amin'ny hamadihana [1] ny Filan-kevitry ny Fiarahan-miasan'ny Golfa [2] amin'izao fotoana ho toy ny an'ny Fiombonambe Eoropeana. Eritreritra fanovàna miainga ao anaty rivotry ny fisalasalàna sy mafanafana [3] naterak'ireo fitroaran'ny Arabo sy ny fitomboan'ny dindo avy ao Iran. Ho toy ny dingana voalohany, dia i  Arabia  Saodita sy Bahrain no mety hikatsaka fitambarana mafimafy kokoa [4].

Nahemotra [5] ho amin'ny volana Desambra ny tena dinika itambarambe momba ity resaka ity.

Nangatahan'ireo vondrom-piarahamonina sivily ao anatin'ny GCC ny governemantan-dry zareo mba hanemotra [6] ilay hetsika sy hampandray anjara ny vahoakany amin'ny alàlan'ny fitsapan-kevi-bahoaka. Iran dia niantso famoriam-bahoaka [7] hanoherana ity soso-kevitra hitambaran'i Arabia Saodita sy Bahrain ity izay faritany ho toy ny fanjanahana an-kolaka an'i Bahrain (ary ireny fanamarihana ireny dia nitarika fanoherana [8] avy amin'i Bahrain).

Nanerana ny Golfa dia nisy ny ahiahy momba ilay drafitra ho fitambarana..

[9]

Ireo firenena ao anatin'ny GCC . Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Aiyah Saihati, Saodiana mpandraharaha sady bilaogera, dia manefotefoka an'ilay drafitra [10]:

Ny ezaky ny Saodiana hanangana fiombonambe iray izay ny tanjona dia ny hanoherana an'i Iran, izay tsy loza mananontanona akory, dia tsy manao afa-tsy ny hampitombo ny fomba filaza ny tantara amin'ny saina tery.  Ny fanisahana ny fomba fitantaràna hiala amin'ny fikatsahana demaokrasia mba ho any amin'ny sehatra mihidy dia manova ny fomba fandraisana ireo hetsi-panoherana manana ny lanjany eo anivon'ny firenena. Ireo firenena kelikely kokoa ka manana otrikarena mivangongo no lasa  alohan'i Arabia Saodita amin'ny endrika sasany ara-pampandrosoana sady efa nahavita ampahany sahady, izay tsy ho ela dia manontolo, ny fifidianana parlemantera. Ny fitambarana amin'i Arabia Saodita dia midika tsotra izao fiaraha-mandova ny ‘dogma’ heveriny ho marina sy ny olany rehetra. Amin'ny sehatra midadasika dia midika izany fa voatelina ao ny otrikarena ary voatelina ao hatramin'ny fahefana mifanaraka amin'ny zara-tany raha toa raisina hoe i Al-Saud no mifehy ny faritra manontolo. Raha izaho no i Qatar, nahoana aho no hitsoraka anatin'io?

Kuwaiti Ghassan El-Wagayan nibitsika hoe:

@Ghassanw [11]: Misaotra anao, saingy TSIIIIIA misaotra anao

Tany Bahrain, Ali Al Saeed nanontany hoe:

@alialsaeed [12]: Aoka kosa e,  vehivavy mamily fiara ao  #Bahrain? Ahoana no hisian'ny fitambarana amin'i #saodiana amin'izany? Horaràna ireo vehivavy mpamily?! #GCCunion

Kuwaiti Mishal Al Mutire nilaza ny ahiahiny :

@MishalALmutire [13]: اكثر ما اخشاه من هذا الاتحاد كل صاحب راي بالمنامه .. يُحاكم بالرياض ! ‎‫#اتحاد_خليجي‬‏
Ny tena atahorako mafy amin'ity Fitambarana ity dia [ny mety hoe hisy] olona iray noho ny fanehoan-keviny tany Manama ho afaka entina tsaraina any Riyadh!

Wafa Alamm, Barhaini mpanao gazety, dia nanoratra hoe :

@wafaalamm [14]: من يعتقد أنني ضد قيام اتحاد خليجي فهو مخطأ/ الاتحاد الخليجي مهم ولكن ولادته بدولتين فقط لظرف معين يفقده قيمته لانه يصبح معاق ‎‪#bahrain‬‏ ‎‪#GCC‬‏
Raha misy mihevitra fa manohitra ny fitambarana aty amin'ny Golfa aho dia diso izany; zava-dehibe ny fitambarana aty Golfa saingy ny fahaterahany amin'ny alàlanà firenena roa monja [mamaly] toe-javatra iray voafaritra dia mibahana ny soatoavina fonosiny satria manjary kilemaina ilay izy.

Mohammad Albaghli , mpanao gazety, dia nanontany ny amin'izay fomba hahatanteraka an'ilay hetsika :

@albaghli74 [15]: دول الخليج صار لهم 9 سنوات مو عارفين يتفقون على مشروع بسيط مثل الاتحاد الجمركي ،، اليوم يبون اتحاد خليجي شامل بين دول الخليج !! تتغشمرون ؟!
Nandritra ny sivy taona ireo firenena ao amin'ny faritry ny Golfa no tsy afaka niray hevitra aminà drafitra iray tsotra tahaka ny hoe fiombonana amin'ny resaka fadintseranana… Izao ry zareo dia mitady fiombonambe tanteraka!! Mivazivazy ve ry lerony e ?

Madawi Al Rasheed [16], Saodiana iray mpampianatra “anthropologie sociale”, dia nibitsika hoe:

@MadawiDr [17]: الوحدة الخليجية ليست عملية مصاهرة بين البنين و البنات بل مستقبل شعوب تطمح لوحدة من نوع اخر ‎‫#اتحاد_خليجي‬
Ny fiombonamben'ny Golfa dia tsy tahaka ny hoe mandamina fifamofoana tovolahy sy tovovavy, fa ny hoavin'ireo vahoaka mikatsaka fitambarana amin'ny endriny sy karazana hafa mihitsy.