- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mpifikitra amin'ny nenti-paharazana sy sarotra ifampiraharahana, izay mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.

@HeyPotterhead [1]:Tsara kokoa raha tsy foanana ny fampisehoan'i Lady Gaga. Tezitezi-poana tamin'ny tsy misy dikany aho nandritra ny 8 ora! FPI adala #IndonesiaSavesGaga #BTWBallGBK

Vondro-pivavahana mpanao fanentanana hanohitra izay hevitra sy asa anti-islamika ny  FPI na ny Mandatehezam-Piarovana Islamika. Tamin'ity raharaha iray ity, voampanga ho manolikoly ny fitondratenan'ny tanora Indoneziana i Lady Gaga.

[2]

Iray amin'ny entam-barotra atao fihenam-bidy mandritra ny fampisehoan'i Lady Gaga. avy amin'ny pejy twitpic @youngdancers

Mitsikera ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ny mpankasitraka an'i Lady Gaga, izay natsoina hoe ‘olon-doza kely’

@ginaignasia [3]: Apa hak nya. Gue yang nabung&cari calo susah2, nyekal2 seenaknya. #IndonesiaSavesGaga #GagaIsAmazing #monsterpower #BurnFPIdown

@ginaignasia: Fa hatraiza ny zony. Anisan'ny nanangombola aho; nanao varotra madinidinika, fa tonga dia nofoananareo tampoka ny fampisehoana.

@akibaryou [4]: Avoty Ineny Olon-doza! Avoty ny fahafahana miteny! Ny fanafoanana no porofo fa very ny lahara-pahamehan'ny firenentsika.#IndonesiaSavesGaga!

@Ray_owl [5]: Manao izay mahadikidiky amin'ny iraisampirenena ny FPI! #IndonesiaSavesGaga RT @lanaaisya: Mihatsaravelatsihy ny FPI. #saveladygaga

@NickyYuventius [6]:Yang bikin gue bingung adalah polisi yg beralasan gaga itu porno. APA KABAR KONSER DANGDUT? PREEEET!

@NickyYuventius: Hitako hafahafa amin'ny fialana bala ataon'ny polisy ny filazana fa mana fihetsika vetaveta i Gaga. Ary ahoana ny fampisehoan'i dangdut?

Malaza dia malaza any Indonezia ilay karana Dangdut mpirona amin'ny mozika folk. Matetika ny dihy sy fihetsika ataon'ny mpihiran'i Dangdut no manindrahindra sy manaitaitra ny filan'ny nofo.

Mandritra izany fotoana izany, manohana [7] ny fampisehoana  ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina Indonezianina amin'ny fandresen-dahatra fa ao anatin'ny fahalalaham-pitenenana eo amin'ny firenena izany.

Tsy ny mpanao politika rehetra no mahita ny fampisehoan'i Lady Gaga ho mampientanentana [racy]. Niteny [8] tao amin'ny gazety The Jakarta Globe ny mpanao lalàna Ahmad Basarah, izay miozolomana fa tokony tsy hiangatra ny polisim-pirenena raha ho amin'ny fiarovana ny soatoavin'ny firenena izany, na raha manohitra ny hevitra liberaly-kapitalista na foto-kevitra Tafovoany Atsinanana.

Indreto misy fihetseham-po sasany ao amin'ny twitter:

@danielvk [9]: mikirakira ny demokrasia sy ny fahafahana ny mafian'ny fivavahana handrobana ny fahafahan'ny hafa. Aza milefitra amin'ny tsi-fileferana! #saynotohate [lavo ny fankahalàna] #indonesiasavesgaga

@DanielZiv [10]: Tsy resaka #IndonesiaSavesGaga, fa tahaka ny raha hoe i Gaga no afa-mamonjy an'i Indonezia. Ary ny tena marina, mila mamonjy ny tenany amin'ny fahadalàna henja-pihetsika i Indonezia, na misy Gaga na tsy misy Gaga.