- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenià : Hokaramaina Sa Tsia Ireo Mpianatra asa (#PayInterns)?

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka, Sendikà, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna

Nanomboka adihevitra mafana iray ilay  Keniana mpandefa Tweet @RobertAlai ny faha 14 May, 2012 mikasika ny tokony hanakaraman'ireo Orinasa ireo mpianatra asa . Nirian'i @RobertAlai ireo mpandefa Tweet  mba hanontany ireo orinasa raha “#ManakaramaIreoMpianatraAsa” #DoYouPayInterns?” :

@RobertAlai [1] : Raha toa ianao ka mpianatra asa ka mahatsiaro tena fa araraotina , azafady mandefasa mailaka amiko ao amin'ny alai @ techmtaa.com. ‘Ndeha isika hanontany #ManakaramaIreoMpianatraAsa ve ianareo #DoYouPayInterns ?

Teo ampototry ny fitendry avy hatrany ireo mpandefa Tweet nilahatra tamin'ireo  mpianatra asa :

@madonah12 [2] : #PayInterns (#karamaoIreoMpianatraAsa) Io no fironana malaza indrindra Tiako ny hoe tokony hahazo solon-tsakafo sy vola kely ireo mpianatra asa cc @RobertAlai Asa tsara

Takelaka iray ho fanohanana ireo mpianatra asa . Sary nindramina tamin'ny: kaonty Flickr an'i Jeff Howard (CC BY-NC-SA 2.0)

@tyrus_ [3]: Aye , ahoana moa no hieritreretana fa  ireo Orinanasa  KE ireo izay  “miarahaba sy manao tafandry mandry “ao amin'ny   Twitter , ary mivarotra vokatra vaovao maro no tsy ho afaka mamaly hoe (#karamaoIreoMpianatraAsa) #PayInterns ?

@RobertAlai [4]  : Tokony ho karamaina “Ireo mpianatra asa ” . Mijoroa mitaky ny zonareo ary ho hitanareo fa afaka ny hanome karama anareo ihany ireo mpampiasa ireo  #PayInterns

@TheMacharia [5] :  Mba manontany tena aho hoe firy amin'ireo ao amin'ny #PayInterns no tena efa nandray mpianatra asa amin'izao fotoana izao, tsy nisafidy, fa nandray ireo mpianatra asa.

@mainneli [6] : Tokony ho karamaina  ireo mpianatra asa . Manao ny asa mitovy sy mpiasa tahaka ny mpiasa rehetra ao amin'ny orinasa izy ireo, ajanony ny fanararaotana #Payinterns

@tkb [7] : @kainvestor @Worldbank tamin'ny fanasana ireo mpampiasa ny  wiki dia mitovy amin'ny  @Wikipedia izay tsy manome karama ireo mpianatra asa  #payinterns , izay mamorona vokatra misokatra ho an'ny daholo be!

@B_Oyigo [8] : @RobertAlai Jamii Telecom Limited (#mandoaKaramaoIreoMpianatraAsa) #PAYINTERNS anelanelan'ny 10-15k

@KenyaPolice [9] :  Tsy mankasitraka ny fanararaotana atao amin'ireo Keniana mpianatra asa ny Polisy ao Kenya. #PayInterns

Na dia izany aza,  nisy ireo mpandefa Tweet sasany niray hevitra tamin'ireo Orinasa ny amin'ny tsy fanomezana karama ireo mpianatra asa:

@Kkaaria [10] : Mpianatra asa, 5 taona tao anatin'ny asanao  ianao,  dia ho hitanao fa kely ny zavatra tena hainao  tamin'ny  nanombohanao . Manàna faharetana .. #payInterns

@TerryanneChebet [11] : Ny anjara-birikiko hoan'ireo mpianatra asa #payinterns. Tsia hoy aho. Ny fahafahana mahazo sakafo sy fitaterana , kosa dia efa tsara e .

@mainaalex [12] : ati #payinterns fa nahoana no omena karama ireo mpianatra asa ? raha toa koa efa mahay tsara izy ireo, dia tokony  hanokatra ny Orinasany manokana .  Asehoy ny maha ianao anao dia homena karama ianao.

@Kamungah [13] : @MediaMK Mandray anjara ireo mpianatra asa, ary mahazo tombony ny orinasa rehefa mahazo ny fahaiza-manao  ilainy ny mpianatra asa. Mandresy – mandresy.  Mampiasa azy ireo ho toy ny atao fanadihadiana ‘mitohy’ ny mpampiasa sasany.

Ireo Bilaogera koa mba nandray anjara tamin'ilay adihevitra .  Ilay bilaogera Dennis Matara dia nanambara [14] fa ny lalàna dia milaza mazava fa ny mpianatra asa  dia tsy maintsy omena karama aorian'ny telo volana niasany :

Mba mifohaza rey olona a! Efa telo volana mahery ve ianao no mpianatra asa? Mifohaza . Ny lalànan'ny asa dia manambara mazava tsara fa ny orinasa mandray anao ho toy ny mpianatra asa ao aminy dia voaterin'ny lalàna  handray anao ho toy ny  mpiasa raikitra, karamaina amin'ny asa vitany ary manana zo hanana andro tsy iasàna ankoatran'ireo tombotsoa maro hafa.  Raha tsy afaka ny hanao izany izy  ireo, dia tokony hijanona amin'ny volana fahatelo izany ny fianaranao asa ao amin'izy ireo..

Marina ary hita mazava fa misy amin'ireo mpianatra asa sasany  ‘manapa-kevitra’ ny hijanona elaela kokoa amin'ny fanantenana hanao ‘asa soa ’ mba ahafahany miantoka asa tsara ho an'ny tenany. Eny tokoa, MARINA  izany fa raha toa ilay orinasa ka mila anao tokoa , dia ho raisina ihany ianao. Maro amin'ireo mpampiasa  no mahalala tsara fa ny ankamaroan'ireo mpianatra asa ireo dia vao avy nivoaka  ny Anjerimanontolo mihitsy, tsy manam-bola na dia ny hatao saran-dalàna handehanana miasa aza izy ireo kanefa mbola manararaotra fatratra  azy ireo ihany.

Nairobi Wire dia nilaza fa  [15] an-kavitsiana ireo orinasa ao Kenya manakarama ny mpianatra asa ao aminy:

An-kavitsiana ireo orinasa  manakarama ny  mpianatra asa ao aminy ary manakarama azy ireo vary masaka. Tamin'ny famakiana ny Tweet sasantsasany, KCB, EABL, CIC, KPLC, KBC, Standard Group, NMG, RMS ankoatran'ireo maro hafa  tsy voatanisa izay voalaza fa mpanararaotra . “Equity bank ” dia nasiana tamin'ny fampiasany ny CSR ho antony ahazoana asa mora. KBC no isan'ny ratsy indrindra amin'ireo,  satria ireo mpianatra asa indray no mandoa vola mba ahafahany miditra ao. Nisy koa fitarainana avy amin'ireo mpianatra asa hoe nohararaotina ara-nofo koa izy ireo

Indro ny iray amin'ireo resaka mafana indrindra hitako tao amin'ny  twitter nandritra ny fotoana lavalava ihany.  Matetika, manakiana ny Fanjakana ao Kenya foana ny olona.

#PayInterns na (#karamaoIreoMpianatraAsa) dia nahasarika sain'olona maro ka hatramin'ny farany, Tweet teo amin'ny manodidina ny 150 teo no nakarina isa-minitra.  Raha tsy hilaza afa tsy ny ao Kenya irery ihany.  Orinasa maro isan-karazany no nandefa tweet namaliana ireo filazàna azy ho tsy manome karama ny mpianatra asa ao aminy. KCB, nandefa tweet  hoe “KCB Group dia tsy mandray vola avy amin'ny mpianatra asa izany.  Ny zava-misy dia mandray vola isam-bolana ambonin'ny salan'isa iraisan'ny sehatra ireo mpianatra asa “