- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo: Moines Tratra Niloka, Nigoka Ary Nifoka

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fivavahana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Tao Korea Atsimo, mpitarika enina avy amin'ny holafitry ny Bodista goavana indrindra ao amin'ny firenena no tratra nilalao Poker niaraka taminà tontona avo dia avo, no sady nisotro sy nifoka ihany koa. Ilay tranga dia niparitaka [1] tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nivoaka an-tsokosoko, nampiseho ireto ‘moines’ mitàna toerana ambony ireto niloka tao aminà hotely mihaja lehibe iray manamorona ny renirano, andro vitsy monja nialoha ny fety fankalazan'ny iray firenena ny nahaterahan'i Buddha.

Ny tontona nilokàn'ireto ‘moines’ ireto dia voalaza [2] fa nihoatra ny  875.000 dolara Amerikana (10 tapitrisa Won Koreana) ary nitohy nandritra ny alina manontolo, naharitra 13 ora ilay filokàna. Any Korea Atsimo, voararan'ny lalàna ny filokana ivelan'ireo ‘casinos’ nahazo fanomezan-dàlana sy ireo toeram-panaovana hazakaza-tsoavaly ka ny fihetsika toy izao avy aminà mpitarika fivavahana dia faran'izay maharatsy endrika indrindra – tsy mampino. Nanondraka ny habaka aterineto Korena Tatsimo ireo fanehoan-kevitra feno eso mandratra, ireo kiana mahery vaika sy rikoriko noho ilay fahalovan'ny finoana.

 @uxost01 [3], mpampiasa Twitter, nibitsika hoe [4][ko]:

어머니가 조계종 억대 도박 뉴스를 아시고서 충격과 비탄에 빠지셨다.

Tohina mafy ny reniko ary nivalaketraka tamin'ilay vaovao nikasika ireo ‘moines’ avy ao Jogye niloka volabe am-polony tapitrisa maro amin'ny vola Won Koreana.

@Arirang5886 [5], mpampiasa Twitter, dia nanipika [6] [ko] fa ny vola nentin'ireo ‘moines’ niloka dia ireo fanomezana rakitra ara-pinoana nataon'ny mpino:

조계종간부들의 도박, 음주, 흡연행위는 자정의 한계를 넘은 것입니다. 신도들은 피땀어린 시주하면서 절에 다니고, 승려는 그것으로 스릴있게 도 닦는 형국입니다. 부처는 신도의 마음에 있지 절간에 있는 것이 아니라는 것을 잘 나타내고 있는 사건입니다.

Mpiandraikitra mitantana ny holafitry ny ‘moines’ ao Jogye miloka, migoka ary mifoka – ireny fihetsika ireny dia mampiseho fa na ny tenan-dry zareo aza tsy ananany intsony ny fahafahana mifehy azy. Raha tonga tsy tapaka any an-tempoly ire mpino mpanara-dia mba hanolotra izay azony tamin'ny asa mafy narahan-dinitra sy rà, ireto ‘moines’ kosa mampiasa izany vola izany ho ‘fikatsahana ny marina’ mampitaintaina. Tranga iray alaina ho ohatra ity, izay milaza fa ny tena Buddha marina dia ao am-pon'ny mpino mpanara-dia tsirairay avy, fa tsy ao an-tempoly akory.

Mpampiasa Twitter iray hafa, @Nabiwahighhill [7], no nampitaha ireto ‘moines’ ireto [8] [ko] amin'ireo olo-be mpanao kolikoly :

2007 년 명지스님이 100억원 사찰재정을공개하며“수행자는 수행에전념하고,재정은 재가자에맡기자”했다.조계종 승려들이 시줏돈으로 밤샘 도박사건은 승가사회가 타락했음을보여준다.MB정권에서 종교인과 정치인 언론사주가 앙사앙레짐의 2%타락한 귀족이돼간다.

Tamin'ny 2007, ny ‘Moine’ Myung-ji dia nilaza ampahibemaso fa manana fidiram-bola manodidina ny folo lavitrisa Won ny tempoly (manodidina ny  8.75 tapitrisa dolara amerikana) ary nilaza fa ilainy ny manasaraka ny ‘fikatsahana ny marina’ amin'ny resaka fitantanam-bola. Ny filokàna nataon'ny holafitry ny ‘moines’ ao Jogye nandritry ny alina dia mampiseho fa ny vondrom-piarahamonin'ny Bodista Koreana Tatsimo dia tratry ny fahalovana/kolikoly. Ireo mpitarika ara-pinoana, politisiana sy tomponà fampahalalam-baovao no nanjary lasa ho ireo olobe mpanao kolikoly, ireo 2 isanjato sangany tamin'ny  “fitondrana teo aloha” [9].
South Korea's famous temple, Haeinsa-21 [10]

Sarin'ireo 'moines' nidina handeha hamonjy ny efitranony taorian'ny vavaka isan-kariva tao amin'ny tempolin'i Haeinsa izay iray amin'ireo tempoly Bodista Chogye tena malaza any Korea Atsimo (tsy voatery hisy ifandraisany amin'ny resaka filokana voalaza ato anaty lahatsoratra) Sary: joonghijung, Creative Commons License (CC BY 2.0)

Ny holafitra ao Jogye [11] dia manana mpanara-dia maherin'ny 10 tapitrisa izay ivondronan'ny ampahadimin'ny vahoaka Koreana Tatsimo eo ho eo. Ny mpitarika ity holafitra Jogye ity dia nanao fialantsiny imasom-bahoaka [12] avy hatrany taorian'ny nahalasa an'ilay tranganà filokàna ho lohateny lehibe nanerana ny firenena, ary nivoady ny hanao “fieken-keloka fanonerana”. Na nisy aza ny fanamboamboaran'ireo mpampahalala vaovao  [13] [ko] hoe tetika matipaikan'ireo hery mpifanandrina avy ao anatin'ilay holafitra ihany iny lahatsary nivoaka an-tsokosoko iny, tsy misy antony sy fialan-tsiny matanjaka ampy sy sahaza hampitony ny hadisoam-panantenan'ny vahoaka Koreana

Park Tae-su (@sjts200 [14]) nibitsika hoe [15] [ko]:

조계종 자승 중은 도박사태 책임지고 사퇴하라.참회만으로 덮을려고?어림없는 소리[…]

Tokony handray ny andraikitra manontolo momba iny hadalàna filokàna iny ny ‘moine’ Ja-seong ary hametra-pialàna. Dia tena mihevitra ve ianao fa ho voasasan'izay fieken-keloka fanonerana any ny zava-nitranga? Tsia kosa e.

Yun Hee-sung (@yunheesung [16]) nibitsika hoe [17] [ko]:

불교 조계종 도박파문이 조계종 내부간의 갈등 때문에 일어난 거라 억울하신가요? 그건 당신들 끼리의 다툼이고, 국민은 억대판돈을 놓고 도박하고 술. 담배를 먹고 피워도 되냐를 묻는 겁니다. 아직도 문제가 뭔지 모르세요?

Tsapanao hoe tsy mitombina ve ireny (fiampangàna ireny) raha avy aminà ady fahefana ao anatiny ihany no niteraka ilay tantara ratsinà filokàna? Na misy ady fahefana na tsia ao aminao, ny manahirana ny vahoaka Koreana dia ny hoe azo ekena sa tsia ny hilokàn'ireo ‘moines’ volabe tsy hita noanoa sy hifoka ary higoka. Tsy mbola hitanao foana ve ny tena olana marina eto e?

Efa zatra ny toerana naha-firenena tena mpandàla ny finoana azy i Korea Atsimo saingy, satria betsaka loatra ireo tantara ratsy niseho masoandro, na izany avy amin'ny vondrom-piarahamonina Kristiana na ny Bodista [18] [ko], sahiran-tsaina, ka maro dia maro amin'ireo Koreana no manome lamosina ny fivavahana ankehitriny. @tinypencil, [19] mpampiasa  Twitter, dia nibitsika hoe [20] [ko]:

이제 불교에서도 개신교와 매를 같이 맞아주기로 한건가. 요즘 이미지 참 좋아지던 와중에 승려들의 불법도박이라니.

Oadray, dia nanapa-kevitra ny hifampizara ny kiana mivaivay amin'ny vondrom-piarahamonina Kristianina ve ny Bodisma? Ny toe-pon'ny olona dia nitodika kokoa tamin'ny Bodisma. Saingy izao dia narodan'ity filokàna tsy ara-dalàna nataon'ny ‘moines’ ity izany.

ary nampiany hoe [21] [ko]:

조계종 승려들의 밤샘도박. 종교가 세상을.치유하는건지 세상이 종교의 뒤에 숨은 저런자들을 먹여살리는건지.

Ireo ‘moines’ avy amin'ny holafitra Jogye dia niloka nandritra ny alina. Ny fivavahana ve no hanasitrana izao tontolo izao SA izao tontolo izao no hamoky ireny olona ireny  izay mialokaloka ao ambadiky ny anaram-pinoana?