- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana : Mbola Velona Hatrany i Saadat Hasan Manto, Ilay Mpanoratry Ny Vanim-potoana Fitsinjarazaràna

Sokajy: Azia Atsimo, India, Pakistana, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Saadat Hasan Manto [1] (1912-1955) dia mpanoratra sombin-tantara, mpanoratra tantara foronina ary koa mpandika teny avy any Punjab.  Ankehitriny  mankalaza ny faha 100 taonany ny mponina  avy ao amin'ny soba kaontinanta [2] tamin'ny fanindrahindrana ny maha olo-manan-danja azy eo amin'ny  fitsinjaram-paritr'i India-Pakistana . Ny Kaonsilin'ny zavakanto  Pakistana, fikambanan'ny mpanao gazety, ary ny fikambanan'ny mpanoratra  dia mikarakara mitabe ho fahatsiarovana ny lovany sy ny maha-olo-manan-danja  azy  eo amin'ny fiarahamonina ankehitriny .

Ny fandraisan'anjara mavitrika nataon'i Manto teo amin'ny literatioran'i Urdu  (niaraka tamin'ny  fanajàna ny fitsinjarana ) dia ny fanomezany hasina ireo olona Hindus sy Silamo an'arivony namoy ny ainy nandritra ny fifindra-monina izay tahaka ny famonoana ny mpiara-belona  fa tsy hoe finoana tokana ihany.  Hoy izy hoe  :

Aza milaza hoe an'aliny ireo  Hindus namoy ny ainy ary an'aliny  ireo Silamo namoy ny ainy . Fa ataovy hoe  an'alinaliny ireo olona  novonoina.

Saadat Hasan Manto. From twitter: @siddharth426 [3]

Saadat Hasan Manto. Avy ao amin'ny twitter: @siddharth426

Izany no hafatr'i Manto rehefa tonga tamin'ny fara-tampony ny  fisamantsamahana ara-pinoana . Voazarazara ny olona – ary toy ny natokan-toerana mihitsy  – nohon'ny tsy fitovian'ny antoko-pinoany ary tsy nihevitra ny famonoana ho toy ny heloka bevava atao amin'ny olombelona . Tamin'ny fotoana tahaka izany, Manto dia nijoro ho toy ny mpitondra ny hafatra maha-olombelona teo amin'ny literatioran'ny soba kaontinanta.  Tantara foronina toy ny  ‘Toba Tek Singh’ (anaranà tanàna Pakistane ao Punjab), no nosoratany izay nanehony ny fahantran'ny fitsinjaràzarana.

Fa mbola ilaina ve i Manto ankehitriny? Eny! Tena mbola ilaina tanteraka izy. Ny fanakianany ny fiarahamonina mpihatsaravelatsihy , ny fihetsiny  manoloana ny fadifady ao amin'ny fiarahamonina sy ny fomba fiaina  [4] [ur], ary ny   fitsikerany an'i Etazonia  [5] no mahatonga azy ho angano velona . Manto, hoy i Zahida Hina  nilaza mazava  [6] , dia mpitsijo lavitra.

Ny asa-soratr'i Manto, dia afaka hanampy ny mponina ao  Pakistana hiala amin'ny lavaka mangitsokitsoky ny “integrisme ” sy ny “extremisme” ankehitriny  izay miha mitombo isan'andro isan'andro . Ny krizy ara-politika sy ara-kolontsaina izay atrehan'i Pakistan amin'izao fotoana izao dia efa tsinjon'i  Manto taona maro lasa izay tao amin'ny lahatsorany  ‘Allah ka bara fazl ha’ (Tsy misy fetra ny famindram-pon'Andriamanitra).

Tondraka fanehoan-kevitra mikasika ny fiainan'i Manto sy ny asany ny filazam-baovao sosialy samihafa.

B. P. Singh dia nanandratra an'i  Manto [7] tamin'izao teny manaraka izao :

Lehilahy mahery, tena olombelona tokoa, efa nandray anjara tamin'ny tantara an-dapihazony aho tao  India, ary lazaiko marina fa narahako tamim-pinoana tokoa ny sasany tamin'izay nosoratany. Raha tena manaraka ny ati-fanahin'izay voalaza ao avokoa ny olona rehetra , dia tena ho lasa paradisa izao tontolo izao ! tena manome voninahitra sy miarahaba an'ilay lehilahy mahafinaritra ‘Manto’ aho.

Bitsika sasantsasany :

@navedjaved [8] : Mahatsiaro ilay mpanoratra iray  lehibe  sy nahay tamin'ny fotoan'androny , Saadat Hasan Manto tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany- RIP ry olo-malaza!

@manish0891 [9] : Fahatsiarovana ny faha 100 taonan'i  Saadat Hasan #Manto [10], iray amin'ireo mpanoratra sombin-tantara foronina amin'ny fiteny Urdu .

@osamamotiwala [11] : Saadat Hasan Manto, na dia mijanona ho tsiaro ihany aza ianao , misy kosa ireo tsiaro izay maharitra mandrakizay. Mamirata ihany  ianao  ilay diamondra .

Tsy mba natahotra izany i Manto  tamin'ny fanehoana ny heviny . Efa niakatra fitsarana noho ny asa sorany izy. Kanefa , i Manto dia tsy nanoratra afa-tsy  izay hitany ihany.  Nazir Ahmed Minto dia nilaza fa [12]:

Manto dia tsy nanoratra afa-tsy izay HITANY,…… ary izay tsy tian'ireo olona ireo jerena loatra !

Naveeda Valentina nandefa bitsika hoe :

@NaveedaV [13] : Janam din mubarak (Tratry ny fitsingerenan'ny nahaterahanao ) Saadat Hasan Manto! lehilahy izay tsy nijery ny tombotsoany manokana . *jaam chalkaoing*

@NaveedaV [13] : Tratry ny fitsingerenan'ny nahaterahanao ianao ry Saadat Hasan Manto! lehilahy izay tsy nijery ny tombotsoany manokana .

Notolorana fandrakofana manokana tao amin'ny filazam-baovao tao Pakistana mihitsy i Manto  (amin'ny teny anglisy, jereo ny : DAWN [14], THE NEWS [15]). Mendrika ny ho deraina izany tranga izany matoa lazaina . Ary na dia efa nitombo be aza ny fanarahana an-jambany  tao amin'ny fiarahamonina, mbola velona hatrany ny feon'i Manto .

Ahmed Shakeel nandefa bitsika hoe :

@Ahmed_Shakeel [16] : Mampihetsi-po be ny mahita ny fahazato taonan'ilay fahaterahanà mpanoratra sombin-tantara foronina amin'ny teny  Urdu, Saadat Hasan Ahitana an'i Manto, nahazo fandrakofana manokana sy goavana, indrindra indrindra fa tany amin'ny filazam-baovao tsy mampiasa ny teny Urdu.

Nodimandry teo amin'ny faha 43 taonany i Manto ny 18 Janoary 1955.  Ny fisainany dia miaraka amintsika hatrany . Vivek Martolia  dia nanambara fa [17]:

manto sahab amar rahenge hamesha ke liye , velona ao amin'ireo  tantarany izy .

Ho velona mandrakizay i Manto , velona ao amin'ireo  tantarany izy .