- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo : Fanaraha-maso Tsy Manara-dalàna Atao Ny Mponina Sy Ny Mpanentana Fandaharana

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Mirehidrehitry ny fanakianana ny  Lapan'ny Filoha  [1]ao Korea Atsimo noho ny fanaraha-maso tsy manara-dalàna nataony an'ireo ny olontsotra. Ilay raharaha izay niantomboka taminà fanaratsiana nataon'ireo antokon'ny mpanohitra, dia lasa nihombo be ankehitriny ary dia notondroina  mihitsy ho ny Tantara Ratsy Watergate Koreana [2] [ko].  Ireo Mpanentana fandaharana izay mampiantrano hetsi-panoherana manohitra ny  governemanta dia nanambara fa naraha-maso sy nosavain'ireo manampahefana avy amin'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta  ny tranon'izy ireo.

Raha iny mbola eo andalam-panaovàna ny famotorana iny ny tomponandraikitra, ny habaky ny aterineto tao amin'ny firenena dia nitobahan'ny fanehoan-kevitra feno hatezeran'ireo mponina. Io no isan'ny tantara ratsy ara -politika lehibe indrindra tamin'ity Fitondran'ny Filoha ankehitriny Lee Myung-bak ity.

Ny Antoko Demokratika ao amin'ny firenena sy ny sendikan'ny mpiasa  KBS [3] (Korean Broadcasting System) dia namoaka ampahana antotan-taratasy izay an'ny governemanta ahitana pejy 2600 isa eo ho eo, izay mampiseho [4] ny fanaraha-maso ataon'ny fitondrana amin'izao fotoana ny zavatra ataon'ny vahoakany, ao anatin'izany koa ireo mpanao gazety, mafana fo, mpikambana amin'ny antoko mpanohitra ary na ireo mpanao hatsikana izay maneho mibaribary ny firehana politikany koa aza.

Kim Jae-dong, participating in the broadcaster's strike against unfair journalism, Screen capture image of a Youtube video uploaded by user mbcunion2012 [5]

Kim Jae-dong, nandray anjara tamin'ilay fitokonan'ny mpanentana amin'ny onjampeo miady amin'y fanaovan-gazety miangatra, dikasary avy aminà lahatsary nakarin'i mbcunion2012 tao amin'ny Youtube.

Kim Jae-dong dia mpanao hatsikana fanta-dàza ary mpanolotra fandaharana izay maneho [6] ampahibemaso ny firehana ara-politikany ary matetika izy no endrikendrehan'ireo mpitahiry ny nentin-drazana ho ‘mpanohana ny antoko ankavia ao Korea Avaratra’.  Hoy i Kim tao anatinà tafatafa iray niaraka tamin'ny Gazety boky mpanao fanadihadiana ao amin'ny firenena SisaIN [7] [ko] hoe niatrika lehilahy roa izy, izay ny iray nilaza ny tenany ho miasa ao amin'ny ‘National Intelligence Service’ (NIS), na ny Sampan-draharaha Fitsikilovana, io no mitovy amin'ny FBI ao Korea Atsimo.

Ilay olona tsy mitonona anarana dia nanao izay handresena lahatra azy mba hanajanona ny fikasany hampiantrano ny hetsika fandevenana (tsy fandevenana ofisialy akory) ny vatana mangatsikan'ilay Filoha teo aloha.  Na dia izany aza, i Kim dia nanohy nampiantrano ilay fandevenana ihany ary ny fandaharany, izay efa teo ampanombohana, dia najanona tampoka, niteraka ahiahy maro isan-karazany tanaty aterineto.

Izany dia nanamafy ilay filazana fa ny governemanta dia tena manara-maso antokon'olona maro be ary nahatonga ny fahatezeran'ny daholo be tanaty aterineto.  Baek Chan-hong (@mindgood [8]) dia nandefa bitsika hoe [9] [ko] :

MB정권하에서 연예인들까지 사찰대상이었다는 보도를 보면 50년대 미국 메카시 선풍이 생각날 정도. 지난 4년간 정권의 눈밖에 나면 누구나 감시대상이 되는 상황에서 국민들은 말그대로 철장없는 감옥에서 살았던 것.

Fony aho namaky tati-baovao nilaza fa na dia ireo mpanentana fandaharana koa aza dia nahara-maso teo ambany fitantanan'izao fitondrana izao, dia  mampahatsiahy ahy ny fitondran'i McCarthy tany Etazonia ny taona 1950 izany. Ny olona izay tsy nifankahazo tamin'ny governemanta dia lasa lasibatry ny fanaraha-maso.  Izany no midika fa tao anatin'izay efatra taona lasa izay, ny mponina ao Korea Atsimo izany dia niaina tao ambadiky ny fefy bara vy tsy hita maso.

Ankoatran'i Kim,  iray amin'ireo mpihira rock malaza ao amin'ny firenena, Yoon Do-hyun, ary i Kim Mi-hwa, mpanao hatsikana sady reny mpiahy no mpanentana amin'ny onjampeo, dia ninoana koa fa tao anatin'ilay  lisitra fanaraha-mason'ny fanjakana   [10] [ko] taorian'ny fanasokajiana azy ireo ho ‘mpanentan'ny antoko ankavia’.

Ilay mpampiasa Twitter @cinemAgora [11] dia nandefa bitsika  [12] [ko] hoe :

[…]연예인까지 사찰 대상. 이 정부의 레드 콤플렉스가 이 정도일 줄은 몰랐다.

Naraha-maso na dia ireo mpanentana fandaharana aza. Tsy noheveriko hoe hanana Red Complex [13]“Tsy fahatokisan-tena manoloana ny Mena” ohatr'izao io governemanta io  [miresaka ny tahony ny kaominisma sy ny fironan'izy ireo hanivana tafahoatra ny zavatra izay misy ifandraisany amin'ny kaominisma na ny firenena kaominista. Resaka mifandraika amin'izay ihany, ny votoaty rehetra mikasika an'i Korea Avaratra dia tena voasivana ao amin'ny fiarahamonina ao Korea Atsimo].

Ilay mpanao tsikera ara-kolotsaina malaza, nefa koa maha-be resaka ao amin'ny firenena , Chin Jung-kwon (@unheim [14]) dia nandrisika ny mponina mba hifidy [15][ko] hanasaziana ny governemanta sy  ny antoko eo amin'ny fitondrana. Hisy fifidianana solombavambahoaka hatao ny herinandro ho avy izao ary ny fifidianana Filoham-pirenena dia hatao ny volana Desambra amin-ity taona ity.

“국정원 직원 두 번 찾아왔다.” 결국 김제동씨가 증언을 했군요. 충격, 또 충격. 총리실과 국정원이 연예인을 사찰하고
협박하고… 대체 뭣들 하는 짓인지. 응징의 방법은 단 하나, 투표입니다.

Ary farany,  nanamafy  Andriamatoa Kim Jae-dong fa indroa ny manampahefana avy amin'ny NIS no tonga tao aminy – fanambaràna nanaitra, fahatairana miampy fahatairana. Ny teo anivon'ny biraon'ny Praiministra sy ny NIS dia nanao fanaraha-maso sy nampitahotra ireo mpanao hatsikana ireo. Inona ary no mba heverin'izy ireo atao? Ny fomba tokana hanasaziana azy ireo dia ny fifidianana irery ihany, rey olona a.

Mr. Chin dia nanadihady [16] [ko] ny fiftsimbadihan'ny fahefana vokatry ny tontolo iainan'ny media vaovao :

과거의 독재정권들은 ‘지식인'을 사찰했지요. 근데 왜 이 정권은 애먼 ‘연예인'을 사찰하느냐? 그건 미디어 환경의 변화지요. 사회의 주요한 소통수단은 텍스트에서 이미지로 넘어갔죠. 지식인은 텍스트 문화의 영웅, 연예인은 이미지 문화의 영웅입니다.

Ny fitondrana tsy refesi-mandidy fahiny dia zatra nanara-maso ireo ‘avara-pianarana’. Mety hanontany ianao hoe ‘ Maninona ity governemanta ity no manara-maso ireo mpanentana fandaharana toa ireny?’ Satria efa niova ny rivotry ny filazambaovao. Ny ankamaroany dia niala tamin'ny soratra nankany amin'ny sary. Raha ireo manam-pahaizana no tena malaza amin'ny resaka fanoratana, ireo mpanentana kosa ny sary no angadiny.

Ireo mpanentana izay narahan'ny fanjakana maso ireo dia tena mpampiasa Twitter  mafana fo be ihany koa. Isak'izay lasa lohateny vaventy ny bitsika alefan'izy ireo , dia miainga manaraka izany ny resaka raha toa ny governemanta  na ny orinasa mampita vaovao ka tokony hametraka toro-làlana hentitra amin'ny fampiasana Twitter ho an'ireo olona to teny.  Ilay mpampiasa Twitter @tsbre [17] dia naneho ny heviny  [18] [ko]:

사찰이후 정권이 맘에 들지않는 연예인은 1.우선 편파심의로 징계하고 2.제작진을 경쟁력 저하라는 막연한 잣대로 압박하며 3.그래도 안되면 방송사별 소셜테이너 금지조항을 만들어 억지로 프로그램 하차시켰죠

Rehefa mahita mpanentana iray voafaritra  tsy mifanaraka amin'izy ireo ny governemanta taorian'ny fanarahamaso nataony azy ireo, [ilay fomba mahazatra] voalohany, bedesinin-dry zareo amin'ny sivana tsy an-drariny  aloha. Manaraka izay, anaovany tsindry hazo lena ny mpiara-miasa  [mpamokatra fandaharana] miaraka amin'ny andianà tombana mahazatra, toy ny fanomezan-tsiny azy ireo ho ‘tsy maharaka fifaninanana ‘. Fahatelo, raha toa ireo fepetra ireo ka tsy mbola mandaitra, dia mametraka lalàna mifehy ny famoaham-baovao izy ireo izay mametra ny asan'ireo mpanentana  amin'ny filazam-baovao sosialy, ary avy eo, mitsipaka azy ireo ivelan'ny fandaharany [amin'ny fampiharana ireny lalàna vaovao ireny].

Ny fiadiadiana ny Lapam-panjakana dia  nanambara [19] [ko] fa  ny ankabeazan’ ireny  raharaha fanaraha-maso ireny [19] dia voarakitra ao amin'ny antontan-taratasin'ny governemanta  izay efa  tamin'ny  fitondrana teo aloha. Kanefa nandà [20] ny mpanao gazety sasany [ko] tamin'ny filazàna fa ny governemanta teo aloha dia  niompana tamin'ny fisavana ireo mpikambana ao aminy, ary ity ankehitriny ity dia manao ireo olon-tsotra ho lasibatra.

Ilay mpampiasa Twitter  @yaaacool [21] [ko] dia naneho ny tsy hafaliany tamin'ny fijereny ny governemanta  sy ny mpanohana  miala andraikitra  amin'ilay olana ary nanampy izy tamin'ny filazana  fa mampahatahotra azy io fanaraha-maso atao ny olon-tsotra io satria ny olona rehetra dia mety hiharan'izany koa .

Tamin'ny herintaona ny Freedom House (Tranon'ny Fahalalahana )   dia nampidina ny laharana [22] misy an'i Korea Atsimo hiala tamin'ny ‘Malakaka’ mankamin'ny  ‘Malalaka amin'ny ampahany ‘ mba hanehoana ny fiakaran'ny sivana ataon'ny manampahefana sy ny ezaky ny governemanta hanindry ireo mpampaka vaovao sady hanivana ny votoaty ety anaty aterineto.