- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Akon'ny RuNet

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka [1]” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka amin'ny lalàna Rosiana ny fampahafantarana.

Ankoatra ny fampahalalana ankapobeny momba ny fidiram-bola, misy antontan'isa hafa mahaliana ihany koa hita ao, tahaka ny tatitra momba ny tsirairay ao amin'ny departemantam-panjakana, sy ny antontan-kevitra [firaketana] momba  trano lehibe fananan'ny mpiasam-panjakana.

Maro tokoa ny zavamisy mahatalanjona hita ao.

[1]

Screen shot of Public Profit's website, 15 May 2012.

Ohatra, Alexander V. Gilderman [2] [ru], Lefitry ny departemanta rezionaly misahana ny fikojakojana, manana trano sy tany mirefy 4.433 metatra toradroa (1.1 acres).

Saingy ny tompon-dakan'ny manana harim-pananana dia i Igor I. Shuvalov [3] [ru], izay mihoatra ny 14.652.000 robla (eo ho eo amin'ny 505.240 dolara amerikana), izay mbola mandrafitra ny 4% n'ny fidirambolan'ny fianakaviana iray manontolo.

Mbola antony hafa iheverana indray momba ny firafitry ny fianakaviana ihany koa ny ny elanelana eo amin'ny vola raisin'ny mpivady; ny vadin'i Igor Suvalov mbola mandray vola in-25 avo heny noho izy, ary in-60 mihoatra noho ny vadiny no raisin-dramatoa Sukhenko, nefa mbola ambany dia ambany ny karaman'izy ireo.

Fa ny tompondakan'ny mpiasam-panjakana rehetra manerana an'i Rosia kosa dia i Yuri Trutnev [4], izay mahazo ny ambony indrindra eo amin'ny 114 tapitrisa robla (3,7 tapitrisa dolara amerikana) sy vola vahiny (ary tsy vola vahiny kely an). Indrisy fa nidina ny fidirambolany tamin'ny 2010, saingy antenaina fa hihatsara. manomboka izao, afaka mandositra tsy miasa intsony izy mivady sy ny zanany efatra (raha tsaraina amin'izay anaovany fanambarana).

Ankoatra izay, mba faly amin'ireo olona ireo izahay!

Jereo ato ny lahatsoratra nadika [5] [ru].