Fanavaozam-baovao: 23 Mey 2012, 9:20 pm Takatray ny filazana avy ao amin'ny vohikala Allo Ciné cinema fa “hivoaka tsy ho ela” araka ny efa voasoratra elaela ihany ny sarimihetsika “Think Like a Man” . Miala tsiny ho an'ny mpampiely ny sarimihetsika, araka ny fanambarana ato, milaza fa tsy nisy mihitsy fikasana famoahana daty (voafaritra) ivoahany amin'ny teny frantsay. Avy amin'izay, rehefa tsy “nofoanana” ny famoahana ny sarimihetsika afro-amerikana amin'ny ankapobeny, raha miteny izany fotsiny, matetika izy ireny no tsy nivoaka tsy nisy fanazavana matetika. Antony iray mety mahatonga izany ny rafitra fampielezana ny sarimihetsika: tsy manana famoahana manokana ny orinasa vaventy; mamoaka sarimihetsika an-jatony eny amin'ny efitrano fandefasana sinema ry zareo, na tsy mamoaka mihitsy. Ny orinasa madinika no mety mamoaka “arty” films izay mety hahazo mpanatrika any amin'ny efitrano tsy miankina mandefa sinema. Tsy manana rafi-pampielezana na trano manokana mandefa sinema ny vondro-piaraha-monina Frantsay-afrikana ao Frantsa, angamba noho ny fandrarana ao amin'ny firenena ny fanisana, ny fijerena ara-jeografia, ny fanaraha-maso na ny haitsena (dokambarotra) miankina amina foko na volonkoditra. Izay no mahatonga ireo liana na mankasitraka sarimihetsika Afro-amerikana matetika wtsy maintsy miandry ny fivoahan'ny lahatsary (video).
Herinandro vitsy monja taorian'ny adihevitra manodidina ny fifidianana Miss Black France (Oliravina Frantsa Mainty) 2012, lohahevitra hafa indray ankehitriny no mampiadihevitra ny frantsay teratany Afrikanina : ny fanemorana ny fandefasana ilay horonantsarimihetsika Amerikana “Think Like A Man” “Misaina toy ny lehilahy”.
Nahoana no lasa adihevitra eo anivon'ny frantsay ny horonantsarimihetsika Amerikana?
Mahagaga tokoa izany, ny valinteny anefa dia mijanona amin'ny hoe mainty hoditra avokoa ny mpilalao ao amin'ilay horonantsarimihetsika. Matetika omena tsiny ny sinema frantsay satria tsy mba ahitana karaza-poko misy ao amin'ny fiarahamonina frantsay ireo mpilalao filma. Na dia teo aza ny fahombiazana vao haingana tamin'ilay horonantsarimihetsika Les Intouchables (Ireo tsy azo kitihana), izay nahazoan'ilay mpilalao filma frantsay teratany Afrikanina Omar Sy ny loka Cesar ho an'ny mpilalao filma mendrika indrindra 2012, ka nireharehàna sy niteraka fanantenana teo amin'ireo frantsay mainty hoditra teratany Afrikanina sy Karaibiana, dia tsy nampiova zavatra be na maharitra izany.

Afisy lehibe momba ny Horonantsarimihetsika "Think Like a Man"
Taorian'izany fandresena tsy mankaiza izany, tsy mahalala henatra ilay mpamahana bolongana Martinikana Bondamanjak nanazava fa tsy tamin'ny fomba natoraly no nosafidianana an'i Omar Sy, fa noho ny habetsahan'ny mpijery ny horonantsarimihetsika.
Et la France comme un seul homme oublie que Omar Sy ne figurait pas sur la liste des nominés aux Césars […] Il a fallu que ‘Intouchables’ touche la barre des 19 000 000 d'entrées que ça râle un peu beaucoup pour que ce flagrant délit de mauvais scénario soit reconnu par l'immonde monde du cinéma français. Mais qu'on se rassure, cette récompense n'est qu'une opportuniste goutte d'eau dans un désert qui avance.
Ahoana no hanazavana ny fidiran'ny resa-poko amin'ny horonantsarimihetsika?
Bilaogy Martinikana People Bo Kay namoaka indray ny fanadihadiana nalefa tao amin'ny pejy Facebook an'ny fampahalalam-baovao Negro, izay mitondra ny lohateny hoe “La France ne veut pas de couples de noirs dans les films“ (tsy tia filma mpisakaiza samy mainty hoditra i Frantsa). Niteraka hevi-baovao momba ny fiombonana (tsy misara-mianakavy) sy ny politika ao Frantsa izany fanadihadiana efa malaza ankehitriny izany, izay heverina ho milaza ny fandavana ilay filma.
Il faut rappeler qu'il y a dans l’État français, une stratégie socio-politique qui tend à prôner le métissage plutôt que la valorisation des communautés. Dans la comédie ‘Think like a Man’, les couples noirs sont mis en avant.
Araka ny voalaza tao amin'ny fanadihadiana, toy izao ny fanazavana hafa momba ny fandraràna horonantsarimihetsika Afrikana-Amerikana ao Frantsa (na dia eo aza ny tombotsoa azo avy aminy):
À noter, les films de l'acteur et producteur noir Tyler Perry ne sont jamais programmés dans les salles françaises ou alors ils sortent directement en DVD. Pourtant ce producteur a pour habitude de dominer le box-office américain avec des films comme ‘Why did I get Married’ et “For Colored Girls”. La société française dans toute son hypocrisie ne veut surtout pas diffuser des films de producteurs noirs qui gagnent des millions de dollars en faisant passer un message positif pour la diaspora africaine grâce à leurs films.
Amin'ireo frantsay iray rà, mpiserasera frantsay Afrika-Karaiba hafa, tahaka ny fikambananan'ny vehivavy mpamahana bolongana La Scandaleuse niampanga ny antony tsy hanomezan-danja ny horonantsarimetsika sy ny “casting” amin'ny gazetiboky sasany malaza amin'ny sarimihetsika frantsay sy ireo tranokala;
Première.fr ne comprend pas comment un film avec une majorité d’acteurs noirs peut-être premier du box office! Ne connaissant aucun acteur, ils se permettent alors d’écrire «cette comédie au pitch classique et sans tête d’affiche (le chanteur Chris Brown est le nom le plus connu du générique).» Faut il vous faire la filmographie de tous les acteurs ? Non car cela est votre travail !
Araka ny voalazan'ny La Scandaleuse: ny tsy fahalalàna momba ireo mpilalao sarimihetsika Afrikana-Amerikana, na dia malaza manerantany aza no mampiavaka ny frantsay:
Mais peut-être que dans un pays comme la France où on a du mal à faire tourner des acteurs noirs, la surprise ne peut-être que grande face au succès de «Think Like a Man» ! Qui, d’ailleurs, n’est pas présenté comme un film afro par ses acteurs ni par son réalisateur, c’est un film universel, ce qui explique son succès au box office!
Nanamafy toy izao ny ampielezana Afrikanina Afrik.com:
Si l’article de Première.fr semble certainement mal documenté, c’est avant tout un exemple parmi d’autres du refus des diffuseurs et du milieu du cinéma français de miser sur des films dans lesquels la majorité des acteurs sont noirs ou même de miser sur leur éventuel succès. Sous couvert de logiques économiques frileuses, ce «genre» de films, qu’ils soient américains ou français, n’existent quasiment pas dans les salles françaises.