- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Nogidrahan'ny Tafika Ny Mpampianatra Mitokona

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Nitokona nandritra ny herinandro [1] noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vola raisin-dry zareo isam-bolana ny sendikàn'ny mpampianatra. Noteriterena tamin'ny alalan'ny fandefasan'ny tafika mitam-piadiana baomba mandatsa-dranomaso [2] [fr] ny hetsi-panoherana. Niditra tao anatin'ny hetsi-panoherana ihany koa [mg] [3] ny mpianatra (via bolonga-tsarin'i Jentilisa).