- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina, Filipina: Mihenjana Ny Tadin-dokanga Momba Ny Fiandriananm-pirenena Ao Scarborough Shoal

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Shina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal [1] na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina  amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.

Ny fanamarihan'ny China Daily tamin'ny 8 May  2012, dia nampibaribary [2] [zh] tao amin'ny lohateny vaventiny fa i Shina “dia tsy afaka ny handefitra ny tsy azo leferina intsony ” manoloana ny olana Scarborough Shoal ary io dia nampiseho fa ny tetikady diplaomatikan'ny governemanta Shinoa dia mety ho fanehoan-kery amin'ny maha-tany manana ny fiandrianany azy amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.

Fihetsiketsehana Nasionalista

Ny matoandahatsoratry ny famoaham-baovao Nasionalista Shinoa, Global Times‘ tamin'ny 9 May dia niteny fa [3] [zh] “fahagagana raha toa ka tsy hiafara aminà fifandonana ara-tafika ny fifanatrehana”.

Nitatitra koa ireo gazety any an-toerana fa ny sambo mpiady Shinoa dia  nandroaka [4] [zh] Filipiana mpanjono hiala tao Shoal. Nipoitra ny fanehoan-kevitra nasionalista ho setrin'ny fangatahan'ny manampahaizana ara-tafika [5] [zh] Filipiana fa hoe tsy tokony hiditra amin'ny fampiasana hery ara-miaramila i Shina ho famahana, na izany ny olan'ny Scarborough Shoal, na ny raharaha an-tokantranony, ny nasionalisma Shinoa ety anivon'ny aterineto

Ny hetsika farany indrindra momba ny fiandrianam-pirenena dia niseho niaraka tamin'ny fitsanganan'ny sainam-pirenena Shinoa teny ambonin'ny harambato lehibe tao Scarborough Shoal nataonà mpanadihady iray avy amin'ny fahitalavitra  Dongfan Star :

Tondraky ny fihetseham-po nasionalista ny media sosialy Shinoa raha ny teny hoe “黃岩島” (Huangyan Island) no karohana, ary vao mainka nanampy trotraka nandrehitra ny afo ireo fampahalalam-baovao Shinoa mahazatra. Ity ambany ity ny fantina tamin'ireo fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny Weibo momba ilay olana:

周指辉:估计我国要实际控制黄岩岛——这是一个好机会,希望能顺手把菲占的其他岛也给一并拿了!

@周指辉 [6] [zh]: Toa sahala amin'ny ho azon'ny firenentsika ihany n y fifehezana ireo Nosy Huangyan. Fotoana voalamena izao, antenaiko fa ho azontsika hatramin'ny fifehezana ireo nosy hafa ihany koa.

醉想丽华:[1/2]中国疆域领土确实很大,但没有一寸是多余的,关于领土问题没有谈判,只有战争,如果不准备动武就不要拿起武器,一旦遭人欺负,就应当瞬间回击;对于黄岩岛问题别每天总是在说是中国固有的领土,固有、固有听着就烦了,都已被人家欺负到这份上了,还无动于衷,不给一点颜色瞧瞧还真的以为好欺负,

@醉想丽华 [7] [zh]: Midadasika be ny faritry ny tany Shinoa, saingy na ny indray mandingana aza dia masina daholo. Tsy misy fifanarahana azo atao raha resaka olana momba ny faritry ny tany izany, ny ady ihany no hany mahavaha ny olana. Mila mandray nyfitaovam-piadiantsika sy mivonona isika. Vatany vao misy manindritsindry antsika, tsy maintsy mamaly bontana isika. Isanandro, tsy mitsahatra ny miteny ny fampahalalam-baovao fa faritra iray tafiditra tanteraka ao anatin'i Shina i Huangyan, tena manahirantsaina io… voatsindritsindry foana isika ary dia manohy ny miresaka. Mila mampioseho loka hafa isika mba tsy hitsapatsapan-dry zareo ny herintsika.

黑匣子陈廖宇:黄岩岛问题特别满足各种国人从各方面的意淫。所以还是不要解决的好。

@黑匣子陈廖宇 [8] [zh]: Ny olan'ny Huangyan dia hetsika famantarana ho an'ireo firenena maro samihafa mba hamokisany  ny hetahetan-dry zareo [ara-politika sy nasionalista]. Tsaratsara kokoa ho azy araka izany  ny tsy famahàna ny olana.

佳琦-半正太V:对于最近的南海诸问题,中国一直都忍让,但这次黄岩岛和菲律宾闹的有点大。我想,是不是想拿来它试试刀,镇一下越南和小日本呢,

@佳琦-半正太V [9] [zh]: Nahay nandanjalanja tsara i Shina tamin'ny fiatrehana ny olan'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina. Saingy nakorontan'i Filipina ny olan'ireo Nosy Huangyan. Heveriko fa azontsika atao  ny manadrana ny antsintsika ary mijery raha azontsika atao koa ny manome fampitandremana an'i  Vietnam sy Japana.

 Fomba fandiniky ny mpiasan'ny fampahalalam-baovao

Su Shaoxin [10] [zh], mpiasa aminà fampahalalam-baovao ao Guangzhou dia mitsikera ireo mpampahalala vaovao mandrehitra ny toe-po nasionalista:

如同我严厉批评我所任职的媒体机构一样,作为媒体及公众人物在此刻为民族主义情绪张目,确能两头讨好:政治上正确,也能获市场掌声。但这种功利思维或不自觉做法背后可能产生的灾难性后果,您应比我更有切肤之痛。这大概是我会使用“知识能力不足”的原因——因为这如果不是天真的话,就是别有用心。

Amin'ny maha mpiasan'ny fampahalalam-baovao sy endrika fantatr'olona antsika, mety hahazo tehaka avy amin'ny tseana isika ary hisitraka ny maha zaza hendry ara-politika amin'ny fanondrahana menaka eo ambonin'ny afon'ny teo-po nasionalista amin'izao fotoana izao. Kanefa, ny toe-po mampivady ny lanja ara-tsain'ny hetsika ho amin'ny tombontsoan'ny maro toy izany dia mety hitondra zava-doza ho an'ny firenena ary ianao [angamba manondro ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao ela nihetezana kokoa] dia tsy maintsy hizaka hirifiry [bebe kokoa] noho ny tenako. Te-hiteny aho hoe misy tsy fahampian'ny fahalalana sy ny fahaizana mitantana ilay olana [Huangyan] — satria tsy ilaozan'ny tsy fahamatorana sy tsy fahaiza-manavaka, misy ihany koa ny drafitra miafina [any ambadik'ireo tatitra sy fanehoan-kevitra]