Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.
Ny fanamarihan'ny China Daily tamin'ny 8 May 2012, dia nampibaribary [zh] tao amin'ny lohateny vaventiny fa i Shina “dia tsy afaka ny handefitra ny tsy azo leferina intsony ” manoloana ny olana Scarborough Shoal ary io dia nampiseho fa ny tetikady diplaomatikan'ny governemanta Shinoa dia mety ho fanehoan-kery amin'ny maha-tany manana ny fiandrianany azy amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.
Fihetsiketsehana Nasionalista
Ny matoandahatsoratry ny famoaham-baovao Nasionalista Shinoa, Global Times‘ tamin'ny 9 May dia niteny fa [zh] “fahagagana raha toa ka tsy hiafara aminà fifandonana ara-tafika ny fifanatrehana”.
Nitatitra koa ireo gazety any an-toerana fa ny sambo mpiady Shinoa dia nandroaka [zh] Filipiana mpanjono hiala tao Shoal. Nipoitra ny fanehoan-kevitra nasionalista ho setrin'ny fangatahan'ny manampahaizana ara-tafika [zh] Filipiana fa hoe tsy tokony hiditra amin'ny fampiasana hery ara-miaramila i Shina ho famahana, na izany ny olan'ny Scarborough Shoal, na ny raharaha an-tokantranony, ny nasionalisma Shinoa ety anivon'ny aterineto
Ny hetsika farany indrindra momba ny fiandrianam-pirenena dia niseho niaraka tamin'ny fitsanganan'ny sainam-pirenena Shinoa teny ambonin'ny harambato lehibe tao Scarborough Shoal nataonà mpanadihady iray avy amin'ny fahitalavitra Dongfan Star :
Tondraky ny fihetseham-po nasionalista ny media sosialy Shinoa raha ny teny hoe “黃岩島” (Huangyan Island) no karohana, ary vao mainka nanampy trotraka nandrehitra ny afo ireo fampahalalam-baovao Shinoa mahazatra. Ity ambany ity ny fantina tamin'ireo fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny Weibo momba ilay olana:
周指辉:估计我国要实际控制黄岩岛——这是一个好机会,希望能顺手把菲占的其他岛也给一并拿了!
醉想丽华:[1/2]中国疆域领土确实很大,但没有一寸是多余的,关于领土问题没有谈判,只有战争,如果不准备动武就不要拿起武器,一旦遭人欺负,就应当瞬间回击;对于黄岩岛问题别每天总是在说是中国固有的领土,固有、固有听着就烦了,都已被人家欺负到这份上了,还无动于衷,不给一点颜色瞧瞧还真的以为好欺负,
黑匣子陈廖宇:黄岩岛问题特别满足各种国人从各方面的意淫。所以还是不要解决的好。
佳琦-半正太V:对于最近的南海诸问题,中国一直都忍让,但这次黄岩岛和菲律宾闹的有点大。我想,是不是想拿来它试试刀,镇一下越南和小日本呢,
Fomba fandiniky ny mpiasan'ny fampahalalam-baovao
Su Shaoxin [zh], mpiasa aminà fampahalalam-baovao ao Guangzhou dia mitsikera ireo mpampahalala vaovao mandrehitra ny toe-po nasionalista:
如同我严厉批评我所任职的媒体机构一样,作为媒体及公众人物在此刻为民族主义情绪张目,确能两头讨好:政治上正确,也能获市场掌声。但这种功利思维或不自觉做法背后可能产生的灾难性后果,您应比我更有切肤之痛。这大概是我会使用“知识能力不足”的原因——因为这如果不是天真的话,就是别有用心。