Indonezia: Lesona Jeografia Ho An'i Justin Bieber

Tanatinà tafatafa nifanaovana nandritra ny hetsika iray tao Londona, dia notondroin'i  Justin Bieber ho toy ny “firenena kianjoanjo” i Indonezia ary tsy mahagaga raha nanjary lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter izany tamin'ny herinandro faran'ny volana Aprily.

Teo am-panazavàna ny dingana namoronana ny iray amin'ireo hirany vaovao, dia niteny i Bieber fa noraketina tany aminà “firenena kianjoanjo” izy io. Ny mpikarakara azy, Scott Braun, no nanapaka tamin'ny filazana fa tany Indonezian ilay izy no novokarina. “Tany aminà ‘studio’ iray izy io no noraketiko. Toerana somary kelikely ihany. Tsy dia mahay ny fandehany  ry zareo ,” hoy i Bieber nanohy.

Manana mpanjohy marobe i Bieber ao Indonezia. Tamin'ny taona lasa dia nanao fampisehoana iray andro tao Jakarta izy izay natrehan'olona an'arivony. Ny tsy fahaizany loatra ny jeografia dia nahavaky fo iro mpitia azy ary nahatonga azy ho lasibatry  ny resaka fanalàna azy to amin'ny aterineto.

Justin Bieber tao Indonezia. Avy amin'ny pejy Twitpic an'i @AnisOphelia

Ary dia nampiaka-peo manakiana ilay kintan'ny hira ireo mpiondana aterineto :

@BarryLikumahuwa Firenena kianjoanjo? Misaotra Bieber, saingy izahay no manana ny Fetibe Goavana indrindra amin'ny Jazz, mbola goavana lavitra noho ny Fetiben'ny Jazz fanao ao Montreal any Kanada.. *boo-yah*

@anonbeliebers niaiky ny Belieber iray: Justin Bieber niteny fa firenena kianjoanjo i Indonezia…. dia malahelo amin'izany aho. :((

@kartika_mariana aza tsarainao amin'izany teny kianjoanjo izany ity fireneko mambabo fo ity. Tsy misy dikany aty ianao raha tsy eo ireo mpankafy anao. Fantaro izany ry zazalahy kely!@justinbieber

@kartika_mariana eto, manana mpankafy ianao anatin'ity firenena kianjoanjo ity!  Mety hampalahelo azy ireo ny fanambaràna nataonao.@justinbieber

@mariastephani fantatrao ry @justinbieber .. lazainao fa FIRENENA KIANJOANJO ny fireneko.. Haiko hoe efa niala tsiny ianao. Saingy TARA LOATRA.

@thaliaviotama #IHATEJUSTINBIEBER na HALAKOJUSTINBIEBER ao amin'ny TT noh ny nilazany an'i Indonezia ho “firenena kianjoanjo”? Amin'ny fo, halako tsotra izao ny teniny.

@AcilEnor Tondroinao ho ‘firenena kianjoanjo’ i Indonezia !!! Ianao koa mpihira kianjoanjo!! Zazalahy tsy mahalala fomba ianao !! Lallalallalallla

@INDOADOREBIEBER IZY nihevitra an'i  Bali ho anarana firenena iray ary adinony ny niteny hoe  ‘Bali’ ka dia naleony nilaza hoe  “firenena kianjoanjo”

Farany nefa tsy ny maivna indrindra, misy ihany koa ireo mpiondana aterineto miaro an'ilay tovolahy :

@pwgdochi Random country kan artinya bukan negara ga jelas, tapi dia (menurut berita) rekaman di negara acak yg ga direncanakan, y u so stupid

@pwgdochi Tsy niteny izy hoe  ‘tany any ananonanona any’ raha niteny ny hoe firenena kianjoanjo, fa hoe io dia firenena iray natao an-tsapaka izay tsy noheveriny velively hanaovana fandraketana ny hirany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.