Nanolotra loka ho an'ireo mpamahana bolongana nandefa lahatsoratra, ahitana haisoratra lehibe sy mahasoa, manintona sy ahitana zava-baovao ny Fikambanana Mpamahana bolongana ao Kenya (BAKE) tamin'ny 5 Mey 2012. Avy amin'ny ezaka nataon'ny BAKE ny loka ho fampiroboroboana ny endriky ny famoronana votoaty.
Ny fikambananan'ny mpamahana bolongana ao Kenya (Bloggers Association of Kenya (BAKE):
Fikambanana mampiroborobo ny famoronana votoaty amina tranokala ao Kenya ny BAKE ary vondrona mpamorona haisoratra avokoa ny mpikambana ao izay teratany Kenyana, na taranaka Kenyana na monina ao Kenya ka maniry ny:
Hampiditra ny haisoratra nataony ao amin'ny bilaogin'ny fikambanana
Hiara-hiasa amin’ireo namana mpamorona hafa
Hahazo fankatoavana ara-dalàna avy amin’ny BAKE ( Bloggers Association of Kenya) ho solotenam-paritraNjeri Wangari, nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny Loka Bilaogy Bake:
Tamin’ny taona 2006 no notontosaina farany ny Fifaninanana Loka Bilaogy voalohany ( Blogging awards) tao Kenya.
Nokarakarain’ny Kenya Unlimited izay nampiantrano ny Bilaogy Kenyana Webring (KBW) ny fifaninana, tranokala mpanangona ny bilaogy Kenyana, izay notontosaina tamin’ny fotoana mbola tsy nampalaza ny bilaogy ny fifaninana Loka Kaybee 2006 tamin’izany ary mbola tamin’ny anarany avy no nifankafantatra ny ankamaroan’ny mpamahana bolongana.
Tamin’izany andro izany dia mbola nanohy nibilaogy hatrany ny sasany tamin’ireo nahazo ny loka tamin’ny sokajy maro samihafa saingy ireo hafa niova kosa (tamina zava-dehibe kokoa ny ankamaroany) ka tsy nihevitra ny tenan’izy ireo ho toy ny mpamahana bolongana intsony.

Bankelele (ankavanana) nahazo ny loka tamin'ny Best Business Blog (Bilaogy tsara indrindra momba ny Fandraraharahana). Sary: Njeri Wangari.
Toy izao fepetra manaraka izao no notakiana tamin’ireo nahazo ny loka BAKE:
1. Fisoratana anarana
Nanomboka ny 15 hatramin’ny 29 Martsa no fara-fandraisan’ny BAKE ny fisoratana anarana tamin’ireo fifaninana ahitana sokajy 14.
2. Ireo mpitsara no nifidy ny 5 tsara indrindra
Ny 29 Martsa hatramin’ny 9 Aprily no nisafidianan’ ireo mpitsara, ahitana mpamahana bolongana sy ny manam-pahaizana momba ny fampitam-baovao ny bilaogy 5 tsara indrindra izay nifaninana tamin’ny dingana faharoa tamin’ireo sokajy 14. Ireo no bilaogy nirotsaka nifaninana nandrombaka ny loka bilaogy BAKE.
3. Fifidianana tamin’ny aterineto
Nisokatra nanomboka ny 10 Aprily ny fifidianana ka nifarana tamin’ny 26 Aprily. Alohan’ny hifidianana, mila miditra amin’ny kaonty Facebook-nao na Twitter ianao manao ny safidy ary noferanay ho iray isaky ny sokajy ihany no azo safidiana tamin’izany.
4. Fampahafantarana izay mahazo ny loka…
Nampahafantarina nandritra ny fampisehoana rindran-kira ireo nahazo ny loka tamin’ny 28 Aprily [*Niova ho 5 Mey ny daty tamin’izany].
Nampahafantarina nandritra ny fampisehoana rindran-kira natao tao amin’ny Hotely Serena ao Nairobi ireo nahazo ny loka. Notohanan’ireo orinasa tahaka ny Safaricom, Google+, Microsoft, VirtualCity, Samsung, Access Kenya ny hetsika tamin’izany ary nalefa mivantana tao amin’ny tranokalan’ny CapitalFm ao Kenya.
Ireto avy kosa ireo nahazo ny loka tamin’ny fifaninanana Bilaogy Bake 2012:
Logo of BAKE. Image source: http://bloggers.or.ke/.
Bilaogim-pandraharahana tsara indrindra
http://bankelele.blogspot.com
Bilaogim-pambolena tsara indrindra
http://emmiekio.blogspot.com
Bilaogim-pamoronan-dahatsoratra tsara indrindra
http://www.crazynairobian.com
Bilaogin-damaody tsara indrindra
http://www.nanciemwai.com
Bilaogin-tsakafo tsara indrindra
http://healthylivingkenya.wordpress.com
Bilaogy ankapobe tsara indrindra
http://muruginjehia.blogspot.com/
Bilaogim-baovao tsara indrindra
http://www.my254.com
Bilaogin'orinasa tsara indrindra
http://blog.batakenya.com
Bilaogin-tsary tsara indrindra
http://www.mutuamatheka.co.ke
Bilaogy politika tsara indrindra
http://www.dennisitumbi.com
Bilaogim-panatanjahantena tsara indrindra
http://www.michezoafrika.com
Bilaogy teknolojia tsara indrindra
http://www.moseskemibaro.com
Mpisioka tsara indrindra ana fikambanana
Mpisioka olon-tsotra tsara indrindra
http://twitter.com/KoinangeJeff
Miarahaba ireo rehetra nahazo loka Bake 2012 ny Global Voices.