Taorian’ny nandraràna ny A4C (Mpitolona ho amin’ny fanovàna) tany Ogandà tamin’ny fiandohan'ity volana ity, Novan'ny mpikatroka ho “4GC”, izay midika “For God And My Country [Ho an’Andriamanitra sy ny Tanindrazako] ” (Tarigetra ofisialin’i Ogandà) ny anarany. Tafiditra ho mpikambana 4GC, ny lehiben’ny mpanohitra Col. Dr. Kizza Besigye, Mathias Mpuuga, Ingrid Turinawe sy ireo nanohy ny famoriam-bahoaka manerana ny firenena. Tany Nansana ao Kampala no nivorian’izy ireo tamin'ny Zoma 20 Aprily.
Tonga tamin’io fotoana io i Ingrid Turinawe, mpitarika ny fikambanam-behivavy ao amin’ny Forum momba ny fiovàna demokratika, ary iray tamin’ireo mpanao politika manana ny anjara toerany lehibe any Ogandà, ka nisamboran’ny polisy azy. Ninia nitazona ny nonony ny iray tamin’izy ireo nisambotra ka nanapotsitra izany. Io no nahatonga ny Ogandey naneho ny fahatezerany taorian’ny nandefasan'ny NTV Uganda lahatsary lava nampiseho ny fihetsika mamoha fady nataon’ireo polisy izay misambotra azy.
Nandà ny filazana ny mpitondra tenin’ny polisy Ogandey Ibn Ssenkumbi ka nilaza fa vehivavy ny polisy nitarika ny fisamborana. Nampîontana ny NTV hampiseho ilay horonan-tsary tamin'ny fomba miadana mba hahitan’ny vahoaka azy mazava tsara.
Taorian'ny zava-nitranga, nampiseho ny sandriny amin-katezerana ampahibemaso ireo vehivavy mpitolona ho mari-pandavana ny herisetran'ny polisy amin'ny vehivavy mpanao politika. Niafara tamin'ny fisamborana sy ny fitazonana ny enina tamin'izy ireo izany.
Tezitra mafy ny mpiserasera twitter tao Ogandà noho io trangan-javatra io:
Nanoratra i @TusiimeSamson:
@TusiimeSamson: After watching the
@ugandapf vs#IngridTurinawedo, i get this feeling that#EminBaro‘s of this world wd want to join police.Pathetic sight.
*@ugandapf vs #IngridTurinawe = @ugandapf mifanandrina amin'ny #IngridTurinawe
@gabrieloguda thinks:Mieritreritra I @gabrieloguda hoe:
@dukedanny4: History indeed repeats itself. Suddenly we are going back to the 1970's and early 1980's #Uganda
@Ugandanet nanontany:
@Ugandanet: If they can do that to Ingrid Turinawe in public, imagine what they do to other women when no one's watching?#Uganda#IngridTurinawe#Oganda#IngridTurinawe
@pmagelah miteny ireo polisy Ogandey fa:
@pmagelah Let@ugandaupf stop using excuse that those who arrested#IngridTurinawe were women, it wont change a thing, it remains sexual violence
Mino i (@IsNyaga fa lasa fitaovana filoham-pirenena ny herisetran’ireo polisy
@IsNyaga:#dearMuseveni you just made#ingridturinawe a presidential candidate.
Mangataka ny hisamborana ilay polisy izay nanohitohina an’i Ingrid i @pmagelah:
@pmagelah: Indecent Assault of a woman is a crime. Uganda Police must arrest &charge their officer who assualted#Ingrid#Turinawe#StopUgandaPolice
@joydoreenbiira nisioka momba ny fampiatoana ireo mpiandraikitra ny polisy izay nanohintohina an’i Ingrid:
@joydoreenbiira: The#UgandaPoliceOfficer who assaulted#IngridTurinawe has been suspended over the alleged sexual assault; i need proof of this#CldBeVerbal
Nanao famoriam-bahoaka sy hetsi-panoherana tany Ogandà nanomboka ny taona 2011 ny mpitarika ny mpanohitra sy ny mpanohana azy. Nikarakara hetsi-panoherana ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny sakafo, Niantso ny Ogandey monina an-tanandehibe handeha an-tongotra rehefa miasa ny vondron'ny mpanohitra any Ongandà, naka hevitra avy tamin'ny revolisiona natao tany Afrika Avaratra.