Tafatsoaka ny Vohitr'i Dongshigu any amin'ny faritanin'i Shangong ihany ilay jamba, Chen Guangcheng [1], mafàna fo amin'ny zon'ny olom-pirenena , izay teo ambany fanaraha-maso akaiky nandritra ny 20 volana hatramin'ny famoahana azy tany amin'ny fonja ny 8 Septambra 2010. Ankoatra izay, nosamborin'ny mpitandro filaminana tany an-tranony ny Zoma 27 Aprily 2012 teo tany Nanjing i He Peirong (“Pearl”) izay nanampy an'i Chen handositra tany Pékin.
Hatramin'ny Febroary 2011, niezaka hitsidika an'i Chen Guangcheng izay teo ambany fanaraha-maso akaiky i Pearl He [2] raha nanentana ny amin'ny hamotsorana azy. Volana vitsy lasa izay dia nanadihady azy aho momba ny làlana nodiaviny amin'ny maha-mafàna fo azy ho ana tetikasa fikarohana momba ny Miralenta sy ny Maha-olom-pirenena [3] notarihan'ny fikambanana IT for Change. Ity ambany ity ny famintinana an'ilay fanadihadiana tao anaty aterineto:
Iza moa i He Peirong?
Mipetraka any an-tanànan'i Nanjing, faritanin'i Jiangsu i Pearl. Mpampianatra teny Anglisy izy hatramin'ny 2008 rehefa nitranga ilay horohorontany tao Wenchuan. Niala tamin'ny asany izy ary lasa tany Sichuan ho mpirotsaka an-tsitrapo hanampy an'ireo tsy manan-kialofana tamin'io horohorontany io. Volana vitsy taty aoriana, nanomboka nanakantsakana ny hetsik'ireo vondron'olom-pirenena mpanampy ireo tsy manan-kialofana tamin'io loza voajanahary io sy ny famotoran'olom-pirenena mikasika ny fananganana tranobe fampianarana “bean-dreg” [5] ny governemantan'i Sichuan. Mafàna fo maro no voasambotra tamin'izany, isan'ireny i Tan Zuoren [6] sy i Huang Qi [7]. Taorian'izay dia nanapa-kevitra i Pearl ny hiditra anatinà vondrona mafàna fo hanome tohana ho an'ireo gadra politika sy ny fianakavian'izy ireo. Mikasika ny fangatahana tohana ara-bola tao amin'ny Twitter no hetsika fanentanana voalohany nataony tamin'izany. Avy amin'ny alalan'io hetsika fanentanana io, nifandray taminà tambajotran'olona mitovy fisainana aminy midadasika kokoa izy ary taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanao hetsika fanentanana ho an'i Chen Guangcheng.
Ny Septambra 2011, rehefa nahafantatra fa tsy afaka manatrika fampianarana any an-tsekoly ny zanakavavin'i Chen 6 taona noho ny fanaraha-maso akaiky azy, nanentana ireo mpampiasa aterineto hafa hitsidika ny fianakavian'i Chen any amin'ny vohitr'i Dongshigu izy. In-droa ny tenany no niezaka hiditra ny vohitra nefa nodarohin'ireo jiolahim-boto tao an-toerana. Taorian'ireo ezaka maro tsy nahomby, nanova ny paikadiny amin'ireo hetsika fanentanana ao anaty aterineto [8] amin'ny alalan'ny fanairana ny vahoaka sy izao tontolo izao mikasika ny fepetra iainan'i Chen izy. [Maro ireo mpiondana aterineto no nirotsaka avy hatrany nanolo-tanana tamin'ilay fanentanana hanafahana an'i Chen]. Iray tamin'ireo hetsika fanta-daza indrindra ny “Avotsory i Guangcheng: Sarina Solomaso mainty [9]“nataon'i Hexie Farm :
Tsy narian'i Pearl mihitsy ilay hevitra hanala an'i Chen ao amin'io vohitra io. Ankehitriny dia afaka i Guangcheng ary niresaka [10] tamin'izao tontolo izao momba ilay fisamborana tsy ara-dalàna nataon'ny governemanta tao an-toerana any amin'ny “comté” an'i Linyi, faritani'i Shandong
Kanefa, nanjavona i Pearl hatramin'ny 27 Aprily, fotoana fohy taorian'ny niparitahan'ny vaovao milaza ny fitsoahan'i Guangcheng nanerana ny Aterineto. Momba ny fiarovana ny rahalahin'i Guangcheng ny bitsiny farany [11] [zh] :
可有山东境内以及临近网友,请开车沿205国道,寻找可贵,提供必要的帮助,拜托大家了!我已经不能出发了,否则,一定第一个驾车前去。
Fanentanana ho famotsorana an'i Pearl
Manoloana ny fanamarinana mikasika ny fisamboran'ny China Aid [12] an'i Pearl, nipoitra ireo bitsika Shinoa manentana ny hamotsorana azy. Poon Siu To, mpanentana anatin'ny radio any Hong Kong, nidradradradra [13] [zh] hoe:
今天起,請大家記住這位南京女俠,網名「珍珠」的何培蓉!她犧牲為了拯救陳光誠,赴湯蹈火。壯哉!高貴的勇士! 還我珍珠!還我美麗的珍珠!(拜托,轉發和吶喊吧!)
Zeng Jinyan, izay nihaona tamin'i Chen Guangcheng ny vadiny Hu Jia mikasika ny fitsoahany, dia nitaraina [14] [zh] ihany koa:
要求:1.释放何培蓉@pearlher;2.释放陈光诚的妻女母亲兄长家人及村民;3.确保陈光诚全家今后的自由;4.停止骚扰迫害维权人士及家属;5.追责每一位具体参与迫害行凶的官员和社会闲杂人等
Ny hevitra fonosin'ilay fitsoahan'i Chen ny fonja
Mamintina [15] [zh] ny hevitra fonosin'ilay hetsika fitsoahan'i Chen sy ireo mpanohana azy ilay mafàna fo malaza amin'ny lahatsary sady mpampianatra, Ai Xiaoming:
从冲破鬼门关接走陈光诚,简直堪比一部大型劫狱片。而被破解的禁锢,更在于人们的心狱。为什么那么多罪恶可以大行其道,除了体制作恶,还有一个更简单的原因,那就是人们的沉默。声援陈光诚的行动打破了沉默,而救援的成功则显示了行动的可能。它标志着,勇气是在追求自由的行动淬炼的;智慧、筹谋和协力团队,也是在挑战恐惧的过程中赢得的。陈光诚能有今天,证实了珍珠、玉闪等英侠非凡的勇气和战斗力;而所有那些前往东师古找打的公民,也都起到破除恐惧的表率作用。那些在推特上、微博上呼吁的网民、那些自戴墨镜者和展示车贴的朋友,大家都曾经属于沉默的大多数;而一旦在公益的目标下集结起来,就能相互给力。这表明,暴力尽管强悍,它对精神的控制却很有限;正义常遭挫败,它的能量却是源源不绝。正如珍珠在google+上的留言:每个人都发出声音,这才是最重要的。