Niteraka resa-be nahafanina tety anivon'ny aterineto ny lahatsoratra iray [ar] nivoaka taminà gazety Arabo Al Hayat tamin'ny 2 May, nilaza fa 90% amin'ny vehivavy Yemenita no niharan'ny faneriterena ara-nofo.
Na dia niaiky aza ny maro tamin'ireo Mpibitsika fa misy tokoa ny olan'ny fanararaotana ara-nofo ao Yemen, nampizarazara azy ireo kosa ny isanjato notanisan'ilay gazety.
Naniry ny hanaovan'ilay gazety fialantsiny i Marwan Almuraisy:
Efa nanampy i Almuraisy tanatinà bitsika iray nalefa ho an'ny Tonian-dahatsoratra lefitra ao amin'ny Al Hayat, Jameel Theyabi:
Abeer Al Yosofi nanontany tena hoe:
Hoy izy :

Sariitatra momba ny fanaovana antsojay, avy amin'i Mohammed Al Ridaei. Sary tao amin'ny Pejy Facebook-n'ny fanentanana Safe Streets.
Kanefa, ny olona sasany nahatsapa fa nilaina mihitsy n y niresaka mikasika ilay olana. Nibitsika i Lamis Al Wadeai hoe:
Muna nibitsika hoe :
@ArabsUnite: Tsy mampino ahy ny hoe gaga amin'ilay % ambonin'ny vehivavy niaina faneriterena ara-nofo. Ny tolona hisian'ny fiovàna dia midika fahafantarana ny kileman'ny fiarahamonintsika
Alia Eshaq dia niezaka ny hitondra fanazavana ny dikan'ny hoe fanaovana teritery ara-nofo :
Najla Al Hamadi nanome rohy iray mankaminà lahatsoratra ao anatin'ny the Yemen Times mikasika ny fandraisana andraikitra hiadiana amin'ny faneriterena eny an-dalambe. Nanome ny soso-kevitra avy aminy manokana izy :
Fanentanana iray hanoherana ny faneriterena ara-nofo ao Yemen antsoina hoe Safe Streets (Facebook) [ar] no natombok'ilay mafàna fo sady bilaogera Ghaidaa Motahar tamin'ny taona lasa. Namokatra ity lahatsary ity ilay fanentanana mba hanairana ny fahatsapantena sy hiatrehana ilay olan'ny faneriterena ara-nofo :
Mohammed Alnehmi nanamarika hoe :
Ny gazety Al Hayat dia nanao fialantsiny noho ilay isanjato ambony be notanisainy, tamin'ny filazàna fa iny isanjato tafahoatra iny dia azo taminà fanadihadiana tamin'ny faritra iray.
Raha tokony ho niresaka ilay olana sy nandroso vahaolana no natao, be ny fotoana sy ezaka lany teo ampiadiana hevitra sy fanilihana ilay tarehimarika, izay tafahoatra loatra. Na tiantsika na tsy tiantsika anefa dia miparitaka amin'ny andrika maro samihafa ny faneriterena ara-nofo – fijery – teny na fihetsika. Izany dia zavatra iray zakain'ny vehivavy maro amin'ireo tanan-dehibe eto Yemen, tahaka izay any amin'ny faritra hafa eto amin'ny firenena. Trangan-javatra ilaina ekena io ary hatrehina araka ny tokony ho izy, manomboka amin'ny fampianarana ny soatoavina mampiavaka ny fianakaviana ary ny fampidirana azy ireny ho any anaty rafitry ny fanabeazana, famoronana fanentanana anaty fampahalalam-baovaoa hiresahana ny faneriterena ara-nofo, ary fampidirana sy fampiharana ny lalàna. Amin'izay fomba izay dia ho afaka ny hanana arabe azo antoka isika .