Laahatsarin'ny Voalohan'ny May: Diabe, Fanehoan-kery Sy Hetsi-panoherana Nanerana Ny Tany

Manerana tanana maro eran'izao tontolo izao, nidina an-dalambe ny olona mba hanao diabe sy hankalaza ny Andro Erantany ho an'ny Mpiasa. Lahatsary avy amin'ny The Real News no hitondra antsika hitety ny fahitàna izany andro izany nanerana izao tontolo izao.

Screenshot of the Real News Video of people marching in Venezuela

Diaben'ny Voalohan'ny Volana May tao Venezuela

Raha nahita diabe am-pilaminana ny toerana sasany, ny hafa kosa niatrika fifandonana mahery setra teo amin'ireo mpitandro filaminana mitam-piadiana sy ireo mpanao hetsi-panoherana. Ao amin'ny ampahany voalohany amin'ilay lahatsary, dia ny topimaso amin'ireo mpiasa ao Azia, Afrika, Afovoany Atsinanana ary Eoropa. Ohatra, ireo mafàna fo nihetsika nanohitra ny firongatry ny tsy fitoviana. Ny tany Filipina ho amin'ny fahamarinan-toeran'ny asa sy  ny karama ambony. Ireo Indoneziana nanohitra ny karama kely sy ny fepetra henjana. Ny Kambodziana nitaky karama ambony. Ireo vahoaka ao Bahrein nitaky ny hamerenana ireo mpiasa amin'ny asany izay nanendahan'ny governemanta azy ireo. Tany Ejipta mba ho fampidirana ny zon'ny mpiasa ho ao anatin'ny lalam-panorenana andalam-pamolavolàna. Tao Eoropa, ireo mpiasa nanohitra ny fepetra henjana ho fitsitsiana izay toa ikendrena azy ireo. Tany Rosia, samy nanana ny famoriam-bahoakany na ny antoko mitondra na ny antoko manohitra. Ny elatra havia frantsay nanao diabe nanohitra ny fandaniana ny lalàna momba ny fitsitsiana ara-ketra. Ary tany Londona, izay tsy andro fitsaharana ny voalohan'ny volana May, nanao fitokonana ny mpiasa.

Ao amin'ny ampahany faharoa, ireo hetsi-panoherana tany Amerika Avaratra sy Atsimo. Fanehoan-kery nanerana an'i Kanadà nanoherana ny fampihenana ny tetibola sy ny fiakaran'ny saram-pianarana eny amin'ny kolejy. Tany Etazonia, lasibatra ireo banky tany amin'ny tanàn-debibe maro, nahitàna fifandonana tamin'ny polisy mpandrava korontana, antso hanao fitokonana, ary fanakanàn-dàlana. Tany Meksika dia nilahatra ny mpiasa mba hitaky ny governemanta hanao ezaka mendrika hiatrehana ny herisetra. Honduras kosa nanatri-maso hetsi-panoherana ny fanomezana ireo asam-panjakana ho an'ny tsy miankina hatramin'ny kolikoly. Tany Kioba, fiaraha-mizotra mafonja no nanamarika ny Revolisiona Kiobana ary tany Venezoela dia samy nanao diabe na ny mpanohana ny governemanta na ny mpanohitra, na momba na tsy momba ireo fanovàna natao vao haingana. Tany Kolombia dia nisy fisamborana nandritra ireo hetsi-panoherana ary nanao diabe ihany koa ny hetsiky ny mpianatra Shiliana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.