- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Fanehoan-kery Bersih Manerana Ny Glaoby

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika

Raha notontosaina tany Kuala Lumpur [1] ny fihetsiketsehana an-dalambe Bersih (madio) tamin'ny herinandro lasa teo, nanomana fihaonana tahaka izany ihany koa ireo Maleziana monina ampitan-dranomasina. Nalahatr'i [2] Johnny Ong ny lisitry ny [2] fihetsiketsehana Bersih nitranga manerantany ho fanohanana ny fitakiana hanadiovana sy hahatonga ny fifidianana ho demokratika kokoa.

Tany Hong Kong [3]notaterina [4] fa  400 ny olona nanatrika ny fotoana.

[5]

Bersih tany Hong Kong. Hita Facebook an i Temily Tianmay

[6]

Hetsika teo ivelan ny Konsilà Maleziana. Facebook an i Ray Kok Rui Lau

Tany Melbourne [7], Aostralia kosa indray  tombanana [8] ho arivo ny isan'ny olona nanatrika:

[9]

Teo an-kianja Federation tao Melbourne. Facebook an i Daniel Loh

Tany Washington, DC [10], Etazonia:

[11]

Bersih tany Washington, DC. Facebook an i Leng-Feng Lee

Tany Los Angeles [12], Etazonia:

[13]

Bersih tany Los Angeles. Facebook an i SzeMin Sim

Tany Toronto [14], Kanada:

[15]

Bersih tany Toronto. Facebook an i Kevin Chong

Tany Auckand [16], Nouvelle Zealand:

[17]

Bersih tany Auckland. Facebook an i Chung Cheong Yung

Tany Londres [18], UK:

[19]

Bersih tany Londres. Facebook an i Siok Jin Lim

Tany Dublin [20], Irelandy:

[21]

Bersih tany Dublin. Facebook an i Chloe Cheah

Tany Zurich [22], Soisa:

[23]

Bersih tany Zurich. Facebook an i Chia Huei Kaivalya Tan

Tany Paris [24], Frantsa:

[25]

Bersih tany Paris

Ary tany Moskoa [26], Rosia, niangavy ny mpandray anjara ny mpanomana mba haka sary dieny mbola misarontava ho fiarovana azy ireo:

[27]

Mpandray anjara Bersih tany Moskoa