- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Fitokonana Faobe Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Voafonja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafetra [1] ireo gadra Paletsiniana ny 17 Aprily teo mba hanoherany ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja Israeliana. Ilay natomboka tany am-boalohany ho toy ny hetsi-panoheran’olom-bitsy [2] no nitombo amin'izao fotoana ka lasa misy mpandray anjara an'arivony (miaraka aminà tarehimarika miovaova eo anelanelan'ny 1.400 sy 3.000). Marobe amin'ireo mpifonja izay nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina tany am-boalohany mihitsy ankehitriny no tandindonin'ny fahafatesana [3].

Misy maherin'ny 4.000 ireo gadra Palestiniana [1] any amin'ny fonja Israeliana, ary manodidina ny 320 no notanana tsy misy fiampangàna na fitsaràna noho ilay antsoina hoe fitazonana vonjimaika [4].

Niharatsy nanaraka ireo taona nifandimby ny toe-draharaha any amin'ireo fonja Israeliana. Ireo voafonja dia mangataka [5] ny hitsaharan'ny fanokanan-toerana, ny fitànana vonjimaika sy ny fepetra famaizana. Efa nisy ny hetsi-panoherana nitranga tany aloha tany [6], saingy hafa kosa ity fitokonana ity, sahala amin'ny anarahany ilay voalaza fa fitokonana notaterina be indrindra nataon'i Khader Adnan. [7]

Joseph Dana, bilaogera sady mpanao gazety, dia nanoratra [8] mikasika ny tranga Adnan tamin'ny Febroary:

Ny tantaran'Ing Adnan no endrika isehoan'ny fepetra fihazonana ireo Palestiana maro any amin'ireo fonja Israeliana. Milaza ho niharan'ny daroka sy fanalàm-baraka nataon'ireo miaramila Israeliana izy fony voatàna, ka nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina mba ho fanoherana.

[9]

Fahafahana ho an'i Bilal Dhiab sy ireo gadra rehetra. Sary avy amin'ny pejy Facebook ' Hana Shalabi daholo izahay rehetra'.

Namarana ny fitokonany tsy hihinan-kanina tamin'ny Febroary izay naharitra efa ho 66 andro i Khader Adnan, rehefa  nanaiky hanafaka azy [10] ny manampahefana Israeliana tamin'ny 17 Aprily. Gadra iray hafa, Hana Shalabi, no namarana ny fitokonany tsy hihinan-kanina 40 andro taty aoriana taorian'ny nandefasan'ny manampahefana Israeliana azy an-tsesitany azy tao Gaza [11].

Ao anatin'izao fitokonana ankehitriny izao dia gadra roa, Bilal Dhiab [12] sy Thaer Halahleh [13], no tena tandindonin'ny fahafatesana [3].

Ireo vaovao mikasika ilay fitokonana tsy hihinan-kanina sy hetsika ho firaisankina dia azo jerena ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #PalHunger [14].

Ny Fikambanana Addameer ho Fanohanana ireo Gadra sy Mpiaro ny Zon'Olombelona miasa ao Ramallah dia nandefa bitsika fanavaozam-baovao mikasika ilay fitokonana :

@Addameer_ps [15]: Ao amin'ny fonjan'i Ohalei Keidar, nafindra hitoka-monina aminà efitrano hafa ireo 96 nanao fitokonana tsy hihinan-kanina, gadra 2 isaky ny efitra 1 . #palhunger

@Addameer_ps [16]: Gadra 220 no mitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Ofer . #palhunger

@Addameer_ps [17]: Gadra Palestiniana 105 no mitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Eshel #palhunger

@Addameer_ps [18]: Tadiavina ilam-baniny isan'andro ireo mpitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Naqab, tafiditra anatin'izany ny fibosesehana any anatin'ny efitranon-dry zareo sy fisavana ny eny an-kodiny#palhunger

@Addameer_ps [19]: Mihevitra ny Addameer fa eo anelanelan'ny 2.000 sy 2.500 ankehitriny ireo gadra mitokona tsy hihinan-kanina, nefa mety mbola ho maro noho izany #palhunger

Walaa Al Ghussein ao Gaza nibitsika hoe:

@WalaaGh [20]: Ny fofombadin'ny nenitoako dia efa miditra amin'ny andro faha-20 nitokonany tsy hihinan-kanina izao , Miandry azy izy vao hanambady. Tsy iriany ny hahafaty azy! #PalHunger #Palestine

Ilay mafàna fo, Ali Abunimah, nanamarika hoe :

@AliAbunimah [21]: Ireo mpampahalala vaovao avy any Andrefana dia mitohy hatrany mitaky ny  “Gandhis Palestiniana.” Amin'ny fotoana izay isian'ny gadra politika 2000 mitokona tsy hihinan-kanina odian-dry zareo tsy fantatra akory. #PalHunger