Nivoaka ny valim-pifidianana ny filoham-pirenena frantsay 2012, ny fahafolo nandritra ny Repoblika fahadimy ny 6 mey 2012. Tamin'ny fifidianana fiodinana voalohany 22 avrily, nitarika i François Hollande ka teo alohan'i Nicolas Sarkozy tamin'ny ampaham-bato 28,63 % sy 27,18 % tamin'ny vato manankery. Tamin'ny fiodianana faharoa kosa, François Hollande nahazo ny ampaham-bato 51,90% tamin'ny safidy raha 48,10% kosa ny an'ilay filoha am-perinasa Nicolas Sarkozy. Hanaraka ny fifidianana filoham-pirenena ny fifidianana antenimiera izay hotontosaina amin'ny 10 sy 17 jona 2012 ho avy izao.
Teo am-piandrasana ny valim-pifidianana
Nifamotoana ao amin'ny Mutualité ny mpanohana an'i Nicolas Sarkozy nialoha ny nifanaovana fotoana teo amin'ny Place de la Concorde (Fiovana tamin'ny ora farany no nanafoana ny fihaonana teo amin'ny place de la Concorde). Indro ny sary tao amin'ny Mutualité tamin'ny 7 ora alina :
Ny mpanohana an'i François Hollande kosa nifamory teo amin'ny lalana Solférino mialoha ny hizorana ho eny amin'ny la Bastille raha mby amin'izay fandresena.
Mitaintaina miandry ny voka-pifidianana ny tanànan'i Tulle nifidy an'i François Hollande ho Ben'ny tanàna :
Fanambarana ny vokatra
Ny tsy fahazoana milaza ny vali-pifidianana mialoha ny amin'ny valo ora no niteraka ny mpisera hampiasa tetika maro samihafa hiady hevitra momba ny tombana hita any amin'ny haino amanjery vahiny. Nifaninanana nampiasaina tamin-kefetsena ny tenifototra #radiolondres teo amin'ny mpisera :
Hafaliana sy alahelo
Maro ny mpikatroka no nifety ny voka-pifidianana teo am-panambarana azy :
Alahelo nisoritra teny amin'ny mpanohana ny filoha am-perinasa :
Matroka ny soritra hita teny anoloan'ny mutualité teo am-pihainoana ny voka-pifidianana :
Mety ho hita amin'ireto tranonkala manaraka ireto ny kabarim-pamaranana ny fifidianana eo amin'ny kandidà : (François Hollande sy Nicolas Sarkozy).
1 hevitra