Maro ny olona no mifanontany amin'ny ho avin'ny Occupy Wall Street na Bodoy Wall Street taorian'ny nanesorana an-dry zareo tao amin'ny Zuccotti Park sy ny faharatsian'ny andro tsy ahafahan'ny mpibodo hilasy eny ivelany tamin'ny ririnina teo. Saingy lazain'ny mpibodo fa tsy nanjavona mihitsy ny hetsika ary tapa-kevitra hibodo ny toera-malalaka manerana ny firenena, tahaka ny efa ataon-dry zareo eo amin'ny Union Square [Kianjan'ny Sendikà?] ao New York City.
Tsy ny arabe ihany no raisin'ny hetsika. Natsangana tamin'ny 15 Febroary ny blaogy bitika antsoina hoe 99% Spring, izay anasan'ny fikambanana eo ho eo amin'ny 40 naka aingam-panahy avy amin'ny Occupy nanasa olona manodidina ny 100.000 amin'izao faraparan'ny fotoan-ketra any Etazonia izao hiresaka “ny tantaran'ny toekarentsika” manomboka ny 9 ka hatramin'ny 15 Avrily. Efa niantso hanaovana diabe niainga avy teny afovoan'i Manhattan ho any amin'ny Wall Street ihany koa ny mpibodo tamin'ny 1 mey. Nirodorodo tokoa ny fipoiran'ny hetsika Bodoy indray ka nandresy tamin'ny firotsaha-kofidiana tao amin'ny Kongresy ny iray tamin'ny mpikambana amin'izy ireo tany Philadelphia.
Nahatsikaritra ny fipoirana indray ny tontolom-bolongana. Mametraka ny bolongana Indignant Feminists [es] fa nihanatanjaka kokoa ny hetsika Bodoy tamin'ny alalan'ny fandraisana anjaran'ny vehivavy:
Aquí en el Hemisferio Norte, por ejemplo, las mujeres participaron activamente en los inicios del movimiento Ocuppy [sic]. Sin embargo, este movimiento ha dado la imagen de ser predominantemente masculino (y en los Estados Unidos, blanco y joven) – así como indiferente al hecho de que el capitalismo simplemente no se puede transformar sin enfrentarse a su fundación: el patriarcado, que depende de controlar y explotar a las mujeres. Y las mujeres, por cierto, son el 51% por ciento de ese 99% (y el 0% del 1%).
Nasongadin'ny bolongana Maestroviejo [es] fa natsangana teo amin'ny fiafaran'ny taona 2011 sy fanombohan'ny taona 2012 tany Minneapolis ny hetsika Bodoy:
Durante el otoño y el invierno, los manifestantes, al instalar tiendas, realizaron manifestaciones en diferentes partes de la ciudad de Minneapolis. Después de estas protestas las fuerzas de la policía del Estado intensificaron las medidas a fin de restringir el ingreso al campo durante las noches y eliminar las tiendas de los participantes.
Mitsipaka ny filazan-kevitra hoe nandamoka Hetsika Occupy (Bodoy) ny mpisera tsy nitonona anarana iray (@YourAnonNews) ao amin'ny Twitter:
Think Occupy has failed? The entire rhetoric and tone used to discuss the economy & WallStreet are now different because of THAT movement.
Namoaka kapila ho fanomezam-boninahitra ny hetsika Occupy i Daltonicum (@Daltonicum):
El movimiento “Occupy Wall Street” graba un disco llamado “Occupy this Album” con la colaboración de bandas como Mogwai http://daltonicum.posterous.com/el-movimiento-occupy-wall-street-graba-un-dis
Jason Brickley (@azureblade7) nanoso-kevitra fa hiroborobo indray ny hetsika:
Spring Revival: Occupy Wall Street Seeks to Rejuvenate Movement http://dlvr.it/1SSkR2
Nalaina avy amin'ny hetsika Occupy tao New York City ireto manaraka ireto (nalain'ny mpanoratra daholo izy ireto):