Ekena ho andro tsy iasana ny May Day [Andron'ny Mey] na Fetin'ny Asa na Andro Iraisampirenena Ho an'ny Mpiasa any amin'ny firenena Arabo maro, ary manao fivoriana na fihetsiketsehana ny sendikà sy ny antoko maro hanomezam-boninahitra ny anjara toeran'ny mpiasa sy ho fitakiana ny zon'ny mpiasa.
Nanambara ny Vaomieram-Pirenena Tetezamita ao Libya fa ho andro tsy fiasana ny Andro Iraisampirenena Ho an'ny Mpiasa manomboka amin'ity taona ity. Avy any Tripoli i Hamid no nisioka:
@2011feb17: #Libya's first #MayDay (Worker's Day) holiday since 42 years ago! HAPPY HOLIDAY EVERYONE Yup #Libya has changed 😉
mahatsiaro ireo mpiasa mifindra monina ao amin'ny helodrano ny mpikatroka Bahrainita Maryam Alkhawaja:
@MARYAMALKHAWAJA: On labor day we pay tribute to all the migrant workers who r treated like modern day slaves in #gulf countries
Notontosaina manerana an'i Bahrain ny fihetsiketsehana mitaky ny fampidirana hiasa indray ny mpiasa an-jatony voaroaka tamin'ny herintaona noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana. Maro tamin'ny fihetsiketsehana no notafihan'ny polisy misahana ny rotaka tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Mitatitra avy any an-tsenan'i (Souq) Manama ny mpanao gazety Mazen Mahdi:
@MazenMahdi: Despite tear-gasing #Manama souq labor day protest still on-going #Bahrain
Misioka momba ny nisovohana ny vohikalan'ny ministeran'ny Asa libaney i Imad Bazzi:
@TrellaLB: special delivery for the Ministry of Labor in #Lebanon on Labor day, a total makeover 😀 loooool http://www.labor.gov.lb/ thanks to #RYV
Niova lasa niteny izao manaraka izao ny vohikala:
We are RYV, short for Raise Your Voice, and we are simply a group of people who could not bare sitting in silence, watching all the crimes and injustice going on in Lebanon. We will not be silenced and brainwashed by your media. We will not stop until the Lebanese people mobilize, demand their rights, and earn them. We will not stop until the standards of living are raised to where they should be in Lebanon. We will not stop until this government's self-made problems are solved, like the power shortage, water shortage, rise in gas prices and rise in food product prices. We are RYV, expect us to break the silence, whether in the streets or on the Internet.
Silence is a crime